FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 107
  • Inona no Hataoko Raha Misy Manery ahy Hanao Firaisana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hataoko Raha Misy Manery ahy Hanao Firaisana?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no lazain’ny olona momba ny firaisana, nefa inona no tena marina?
  • Inona no tokony hataonao raha misy manery anao hanao firaisana?
  • Ahoana Raha Resaka Firaisana no Anontanian’ny Ankizy An’ahy?
    Manontany ny Tanora
  • Tena Firaisana ve ny Firaisana Amin’ny Vava?
    Manontany ny Tanora
  • Iresaho Momba ny Firaisana ny Zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Inona no Hataoko fa Tereny Hanao Firaisana Aminy Aho?
    Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 107
Ankizilahy iray ao amin’ny efitra fisoloana akanjo sady mitazona telefaonina. Teren’ny ankizilahy namany hanapa-kevitra izy.

MANONTANY NY TANORA

Inona no Hataoko Raha Misy Manery ahy Hanao Firaisana?

“Rehefa nisy ankizy niteny tany am-pianaranay hoe efa nanao firaisana izy, dia lasa nieritreritra daholo ny ankizy hafa hoe tokony hanao firaisana koa ry zareo. Tsy misy te hiavaka amin’ny ankizy izany mantsy.”—Elaine, 21 taona.

Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa hoe tsy maintsy manao firaisana, satria fotsiny hoe hoatran’ny manao an’izany daholo ny ankizy?

Efa nisy fotoana ve ny olona iray tianao nanandrana nanery anao hanao firaisana aminy?

Misy soso-kevitra afaka manampy anao handray fanapahan-kevitra tsara ato amin’ity lahatsoratra ity, raha teren’ny olona hanao firaisana ianao, na ianao mihitsy no te hanao an’ilay izy.

  • Inona no lazain’ny olona momba ny firaisana, nefa inona no tena marina?

  • Inona no tokony hataonao raha misy manery anao hanao firaisana?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Inona no lazain’ny olona momba ny firaisana, nefa inona no tena marina?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA? Manao firaisana daholo ny ankizy (afa-tsy izaho).

INONA NY TENA MARINA? Nisy fanadihadiana iray natao tamin’ankizy 18 taona, ary anankiroa ao anatin’ny telo amin’izy ireo no nilaza fa efa nanao firaisana. Midika izany hoe betsaka ihany no mbola tsy nanao firaisana, satria mbola misy 30 isan-jato mahery. Tsy hoe “ny ankizy rehetra” izany no efa nanao firaisana.

INONA NO LAZAIN’NY OLONA? Vao mainka isika hifankatia raha manao firaisana.

INONA NY TENA MARINA? Mety hiteny an’izany ny ankizilahy sasany mba handresena lahatra ny ankizivavy hanao firaisana aminy. Tsy marina anefa izany. Matetika no isarahan’ilay ankizilahy ilay ankizivavy rehefa avy manao firaisana ry zareo. Kivy sady diso fanantenana fotsiny ilay ankizivavy avy eo, satria nieritreritra izy hoe tena tia an’azy ilay ankizilahy, na mba fara faharatsiny hoe tsy ho sahy hivadika aminy.a

INONA NO LAZAIN’NY OLONA? Milaza ny Baiboly hoe tsy azo atao ny manao firaisana.

INONA NY TENA MARINA? Milaza ny Baiboly fa mahafinaritra ny manao firaisana, saingy ny lehilahy sy vehivavy efa mpivady ihany no tokony hanao an’izany.—Genesisy 1:28; 1 Korintianina 7:3.

INONA NO LAZAIN’NY OLONA? Mampijaly ny manaraka ny toro lalan’ny Baiboly.

INONA NY TENA MARINA? Ho sambatra kokoa ianao raha miandry hoe rehefa manambady vao manao firaisana. Tsy hanenina na hiady saina hoatran’ny tanora sasany efa nanao firaisana alohan’ny fanambadiana mantsy ianao amin’izay.

Eritrereto izao: Tsy mbola nisy mihitsy ny hoe potika ny fiainan’ny olona iray satria niandry izy hoe rehefa manambady vao manao firaisana. Efa nisy kosa anefa ny fiainan’olona potika satria nanao firaisana talohan’ny fanambadiana izy.

Inona no tokony hataonao raha misy manery anao hanao firaisana?

  • Miezaha ho resy lahatra amin’izay inoanao momba ny hoe inona no tsara dia inona no ratsy. Milaza ny Baiboly fa “manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy” ny olona matotra. (Hebreo 5:14) Tena resy lahatra momba an’izay lazain’ny Baiboly hoe tsara sy ratsy izy ireo, dia tsy mora voatariky ny olona hanao zavatra ratsy.

    “Miezaka mafy aho mba hanao ny tsara sy halaza tsara. Tsy manaiky hanao zavatra mety hahatonga an’ahy hanao ratsy sy halaza ratsy mihitsy koa aho.”—Alicia, 16 taona.

    Eritrereto izao: Inona no tianao, malaza tsara sa malaza ratsy? Raha hoe malaza tsara no tianao, dia hafoinao ve ny laza tsara efa anananao, satria fotsiny hoe te hampifaly olona ianao?

  • Eritrereto ny vokany. Hoy ny Baiboly hoe: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Galatianina 6:7) Eritrereto hoe hanao ahoana ny hoavinao raha manaiky hanao firaisana ianao. Saintsaino koa hoe inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny fiainanao sy ny an’ilay olona iarahanao.b

    “Raha manao firaisana alohan’ny fanambadiana ny olona iray, dia matetika izy no manamelo-tena, manenina, ary mieritreritra hoe tsy misy ilana azy. Manginy fotsiny moa ny hoe bevohoka tsy manambady na ny hoe tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana.”—Sienna, 16 taona.

    Eritrereto izao: Hoy ilay boky hoe Sex Smart: “Raha manery anao hanao zavatra mety hanimba ny fiainanao ny namanao, dia tokony mbola hinamana aminy sy hanaraka ny torohevitra omeny ihany ve ianao?”

  • Mahaiza mandanjalanja. Tsy hoe ratsy ny manao firaisana. Milaza kosa aza ny Baiboly fa afaka mankafy an’izany ny mpivady.—Ohabolana 5:18, 19.

    “Anisan’ny zavatra mahafinaritra noforonin’Andriamanitra ny firaisana. Tiany hankafy azy io isika, fa rehefa manambady ihany.”—Jeremy, 17 taona.

    Eritrereto izao: Rehefa manambady ianao, indray andro any, dia ho afaka hanao firaisana. Ho afaka hankafy tsara an’izany ianao amin’izay, sady tsy ho tratran’ny voka-dratsin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana, hoatran’ilay efa noresahintsika teny aloha.

a Tsy hoe ny ankizilahy foana akory no manery ny ankizivavy hanao firaisana aminy, fa betsaka koa ny ankizivavy manao an’izany amin’ny ankizilahy.

b Anisan’ny mety ho vokany izao ny hoe bevohoka tsy manambady. Raha mbola misy tsy ampy taona koa, ohatra, aminao sy ilay olona nanao firaisana taminao, dia mety henjehin’ny lalàna ilay ampy taona ka higadra mihitsy.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Mikayla.

“Tsy hoe rehefa manaiky hanao firaisana alohan’ny fanambadiana akory ianao, dia izay no anaporofoanao hoe tianao ilay olona miaraka aminao. Raha tena tia an’azy ianao, dia manaja azy, sady manaja ny tenanao, dia miandry hoe rehefa manambady vao manao firaisana. Hilamin-tsaina ianao rehefa mivady ianareo, satria fantatrao hoe tsy resaka firaisana fotsiny no nanambadiany anao, fa tena fitiavana anao.”—Mikayla.

Caiman.

“Raha misy olona manao firaisana nefa tsy mpivady akory, dia tsy misy na inona na inona mamatotra an-dry zareo. Matetika no tonga dia isarahan’ilay anankiray ilay olona niaraka taminy rehefa vita izay natao. Ataony hoatran’ireny mitsako siligaoma ireny, rehefa laniny ny mamy dia ariany. Vetivety kely fotsiny ny fahafinaretana azo amin’ilay izy, nefa avy eo be dia be ny voka-dratsiny.”—Caiman.

Famerenana: Inona no tokony hataoko raha misy manery ahy hanao firaisana?

  • Miezaha ho resy lahatra amin’izay inoanao momba ny hoe inona no tsara dia inona no ratsy. Tsy ho mora voatarika hanao zavatra ratsy ny olona iray, raha resy lahatra tsara amin’ny zavatra inoany.

  • Eritrereto ny vokany. Eritrereto hoe hanao ahoana ny hoavinao raha manaiky hanao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao. Saintsaino koa hoe inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny fiainanao sy ny an’ilay olona iarahanao.

  • Mahaiza mandanjalanja. Tsy hoe ratsy ny manao firaisana. Nataon’Andriamanitra mba hahazoana fahafinaretana ny firaisana, saingy ny lehilahy sy vehivavy efa mpivady ihany no avelany hanao azy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara