FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 22
  • Ampianaro Hahay Hankasitraka ny Zanakao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampianaro Hahay Hankasitraka ny Zanakao
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no ampianarana ny ankizy hahay hankasitraka?
  • “Misaora Amin’ny Zava-drehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Fahaiza-mankasitraka
    Mifohaza!—2016
  • Nahoana Isika no Tokony Hahay Hankasitraka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Asehoy hoe Mahay Mankasitraka Ianao
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 22
Ankizivavikely mitazona taratasy fisaorana nosoratany sady mitsikitsiky be.

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ampianaro Hahay Hankasitraka ny Zanakao

Hitan’ny mpikaroka hoe faly sy salama kokoa ny olona mahay mankasitraka, ary mahay miatrika olana sy mahay mifandray kokoa amin’ny hafa. Milaza ny manam-pahaizana iray antsoina hoe Robert Emmons fa rehefa mahay mankasitraka ny olona iray dia “voaro amin’ny fihetseham-po mety hanimba azy, ohatra hoe ny fitsiriritana sy ny lolompo ary ny faniriana tsy mety afa-po.”a

Inona no soa azon’ny zanakao rehefa mahay mankasitraka izy? Tanora 700 no nanaovana fanadihadiana tao anatin’ny efa-taona, ary hita hoe izay tia mankasitraka dia tsy atahorana loatra hangala-tahaka, hifoka zava-mahadomelina sy hiboboka toaka, na hanao ditra hafa.

  • Tsy hahay hankasitraka izay manambonimbony tena. Betsaka ny ankizy mieritreritra hoe mendrika azy daholo ny zavatra tsara mitranga eo amin’ny fiainany. Tsy hahay hankasitraka anefa izy raha mieritreritra hoe mendrika azy ilay izy fa tsy hoe fanomezana ho azy.

    Be dia be no manana toetra hoatr’izany amin’izao. Misy renim-pianakaviana iray antsoina hoe Katherine nilaza hoe “mampirisika ny olona hanambonimbony tena ny tontolo misy antsika.” Hoy koa izy: “Misy zavatra be dia be mihitsy asehon’ny haino aman-jery antsika, dia avy eo lazainy hoe mendrika ny hahazo an’ireny isika sady isika no tokony ho voalohany hahazo azy.”

  • Mbola kely ny ankizy dia efa azo ampianarina hahay hankasitraka. Hoy ny renim-pianakaviana iray antsoina hoe Kaye: “Mora ahitsy ny ankizy. Raha ampianarinao hanana fahazarana tsara izy dieny mbola kely, dia hoatran’ny hoe mametraka tsato-kazo manampy ny zavamaniry iray hahitsy tsara ianao.”

Ahoana no ampianarana ny ankizy hahay hankasitraka?

  • Ampianaro azy izay tokony hoteneniny. Na ny ankizikely aza efa afaka mianatra miteny hoe misaotra rehefa misy manome zavatra azy na tsara fanahy aminy. Lasa hahay hankasitraka kokoa an’izay zavatra tsara ataon’ny hafa ho azy izy rehefa mihalehibe.

    Renim-pianakaviana mitrotro ny zanany vavikely. Misy manome nonorsa ilay zanany. Samy mankasitraka an’ilay izy ry zareo dia mitsikitsiky.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Asehoy ... fa mahay mankasitraka ianareo.”​—Kolosianina 3:15.

    “Vao telo taona ilay zafikelinay dia efa mahay miteny hoe ‘misaotra’, sady manao ‘azafady’ rehefa mangataka zavatra. Ny dada sy mamany no nampianatra azy an’izany. Mahalala fomba sy zatra misaotra ry zareo, dia izay koa no tahafin’ilay zaza.”​—Jeffrey.

  • Ampianaro azy izay tokony hataony. Maninona, ohatra, raha asaina manoratra taratasy kely fisaorana izy rehefa misy manome zavatra amin’ny manaraka? Raha asainao manao raharaha koa ny zanakao, dia ho hitany hoe mila ezaka be vao lasa mahafinaritra ny ao an-trano. Hankasitraka kokoa ny zavatra ataon’ny hafa izy amin’izay.

    Ray aman-dreny mampianatra ny zanany hanoratra taratasy fisaorana.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Asan’ny Apostoly 20:35.

    “Efa lehibebe izy mianadahy zanakay, dia efa ampandraisinay anjara amin’ny zavatra sasany ao an-trano, ohatra hoe mieritreritra an’izay hatao sakafo, mahandro, ary manao raharaha hafa. Manampy an-dry zareo hahatsapa ny asa mafy ataonay ray aman-dreny izany, ka lasa mankasitraka kokoa ny zavatra ataonay ry zareo.”​—Beverly.

  • Atoroy azy ny toe-tsaina tokony hananany. Mahay mankasitraka ny olona rehefa manetry tena, tsy misy hafa amin’ny voninkazo mandrobona be rehefa tsara ny tany aniriany. Ny olona manetry tena mantsy miaiky hoe mila fanampiana foana izy, na inona na inona ataony. Lasa mahay mankasitraka kokoa àry izy rehefa misy manampy.

    Raim-pianakaviana mampianatra ny zanany roa lahy hanamboatra bisikileta.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Manetre tena ka hevero hoe ambony noho ianareo ny hafa. Ary aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.”​—Filipianina 2:3, 4.

    “Manao kilalao kely izahay indraindray rehefa misakafo hariva. Mifandimby miteny an’izay zavatra nankasitrahany tamin’iny andro iny ny tsirairay. Mba zavatra tsara daholo no eritreretinay amin’izay fa tsy zavatra mahakivy. Lasa mahay mankasitraka koa izahay fa tsy tia tena.”​—Tamara.

Soso-kevitra: Miezaha ho modely. Hahay hankasitraka kokoa ny ankizy rehefa maheno anao mankasitraka azy sy mankasitraka ny hafa foana.

a Tao amin’ilay boky hoe Thanks! How Practicing Gratitude Can Make You Happier.

Ny hevitry ny ray aman-dreny

Jeffrey sy Karen.

“Nampianarinay mivady hanoratra taratasy fisaorana ny zanakay mianadahy. Manampy an-dry zareo hitadidy izany hoe tsy voatery hanome na hanao zavatra ho azy foana akory ny hafa. Tokony hisaorana foana izay manome zavatra satria tsara fanahy.”​—Jeffrey sy Karen, vadiny.

Susan sy Christopher.

“Raha ampianarintsika manao azafady sy misaotra ny ankizy raha vao mahay miteny, dia ho mora kokoa amintsika ny hanampy azy hahay hankasitraka dieny izy mbola kely, ary hitohy mandra-pahalehibeny izany.”​—Susan sy Christopher, vadiny.

Famerenana: Ampianaro Hahay Hankasitraka ny Zanakao

  • Ampianaro azy izay tokony hoteneniny. Na ny ankizikely aza efa azo ampianarina hiteny hoe misaotra rehefa misy olona tsara fanahy aminy.

  • Ampianaro azy izay tokony hataony. Asehoy ny zanakao hoe ahoana no fanoratana taratasy fisaorana rehefa misy manome zavatra. Raha ampanaovinao raharaha koa izy, dia ho hitany hoe mila ezaka be vao lasa mahafinaritra ny ao an-trano.

  • Atoroy azy ny toe-tsaina tokony hananany. Raha manetry tena ny zanakao, dia ho tsapany hoe ny fanampian’ny hafa no mahatonga azy hahavita zavatra. Hahay hankasitraka kokoa izy amin’izay rehefa misy manampy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara