FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 18
  • Manaova Zavatra Mahafinaritra Miaraka Amin’ny Vadinao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manaova Zavatra Mahafinaritra Miaraka Amin’ny Vadinao
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana ny mpivady sasany no tsy mifandray tsara, na dia samy tafaraka ao an-trano aza?
  • Ny azonao atao
  • Azo iarahana midinika
  • Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Tokantranonao?
    Mifohaza!—2021
  • Aza Mieritreritra Asa Intsony Rehefa any An-trano
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Hisaraka ve Izahay na dia Efa Samy Be Taona Aza?
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Mampiasa Fitaovana Elektronika
    Ho An’ny Fianakaviana
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 18
Mpivady miara-mahandro sakafo sady samy falifaly erỳ.

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TOKANTRANO

Manaova Zavatra Mahafinaritra Miaraka Amin’ny Vadinao

Betsaka ny mpivady tsy mba mahay mifampiresaka nefa samy ao an-trano ao ihany. Fa inona no mahatonga an’izany?

  • Nahoana ny mpivady sasany no tsy mifandray tsara, na dia samy tafaraka ao an-trano aza?

  • Ny azonao atao

  • Ny hevitry ny mpivady sasany

  • Azo iarahana midinika

Nahoana ny mpivady sasany no tsy mifandray tsara, na dia samy tafaraka ao an-trano aza?

  • Reraka loatra

    “Rehefa ilay mba manam-potoana hiresahana iny izahay, dia na izaho na izy no reraka be. Rehefa reraka anefa aho dia kizitina be. Dia aleonay roa mijery tele.”—Anna.

  • Samy variana amin’ny fitaovana elektronika

    “Mety handany fotoana be ny tambazotran-tserasera sy ny fialam-boly ao amin’ny Internet. Mety ho adiny zato ianao eo ihany, nefa tsy miresaka amin’ny vadinao mihitsy, ka lasa hoatran’ny hoe samy tsy ao an-trano ianareo mivady.”—Katherine.

  • Tsy mitovy ny zavatra mahaliana

    “Rehefa mirava avy miasa ny vadiko, dia matetika izy no variana manao izay zavatra mahafinaritra azy. Ara-dalàna aloha izany satria tena miasa mafy izy e! Fa tiako anefa raha mba manokana fotoana bebe kokoa hiarahana amiko izy.”—Jane.

  • Mbola miasa foana

    “Mbola afaka miasa foana isika na ao an-trano aza satria manana fitaovana elektronika. Imbetsaka aho no variana mamaly e-mail sy SMS momba ny asa, nefa fotoana tokony mba hiarahako amin’ny vadiko ilay izy.”—Mark.

Ny azonao atao

  • Ekeo hoe mila manokana fotoana hiarahana ianareo fa tsy hoe rehefa tsy misy atao vao manao an’izany.

    Toro lalan’ny Baiboly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

    Eritrereto izao: Hita amin’ny zavatra ataonao ve fa ny vadinao no zava-dehibe kokoa aminao noho ny asa sy ny fialam-boly? Rehefa tsy misy atao ihany ve ianao vao miaraka amin’ny vadinao?

    Soso-kevitra: Manaova fandaharam-potoana iarahana tsy tapaka amin’ny vadinao, dia aza avela hisy hanelingelina an’izany mihitsy.

    “Tiako rehefa hoe mba manao programa hiarahanay roa irery ny vadiko. Lasa tsapako mantsy amin’izay hoe tena tia an’ahy izy sady mahafinaritra azy ny miaraka amiko. Dia vao mainka aho tia be an’azy.”—Anna.

  • Mba avelao kely aloha ny fitaovana elektronika.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.”—Mpitoriteny 3:1.

    Eritrereto izao: Rehefa miresaka aminao ny vadinao, matetika ve ianao no tsy mifantoka amin’ilay resaka satria ilaozanao mijery ny fitaovanao raha vao maharay hafatra?

    Soso-kevitra: Miezaha hiara-misakafo amin’ny vadinao indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny, ary avelao any amin’ny efitra hafa ny telefaoninareo. Rehefa miara-misakafo mantsy ianareo dia lasa afaka mifampitantara an’izay zava-nitranga nandritra ny andro.

  • Raha azo atao, dia miaraha miantsena na manao raharaha ao an-trano.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Tsara ny roa noho ny iray, satria ahazoan’izy ireo valisoa lehibe ny asa mafy ataony.”—Mpitoriteny 4:9.

    Eritrereto izao: Impiry ianao na ny vadinao no nandeha irery rehefa niantsena na nikarakara zavatra ilainareo?

    Soso-kevitra: Miezaha miaraka manao zavatra, na dia hoe olona iray ihany aza dia efa mahavita an’ilay izy.

    “Hararaoty mba hiarahana ny fotoana anaovanareo raharaha, ohatra hoe miantsena, manasa vilia, mamalona lamba, na manao zaridaina.”—Nina.

  • Aza mitaky be loatra.

    Toro lalan’ny Baiboly: ‘Aoka ho fantatra fa mahay mandanjalanja ianareo.’—Filipianina 4:5.

    Eritrereto izao: Inona no azonao atao mba tsy hitaky be loatra amin’ny vadinao ianao?

    Soso-kevitra: Mifampiresaha tsara mba hahafantaranareo an’izay ilainareo. Mifanaraha hoe ahoana no hampiasanareo ny fotoananareo, amin’izay ianareo samy afa-po.

    “Matanjaka be ny vadiko, nefa izaho kely aina kely satria marary. Asaiko mandeha mivoaboaka izy matetika mba hanao izay mahafinaritra azy. Izaho mijanona ato an-trano satria mila maka aina, moa izy mampiasa vatana satria ilainy izany. Samy mahavita izay tokony hataonay izahay dia samy faly.”—Daniela.

    Ny hevitry ny mpivady sasany

    Jamin sy Kendra.

    “Matetika mandritra ny sakafo no iresahan’ny olona zavatra lehibe sy zavatra mahafinaritra. Rehefa miara-misakafo ny mpivady dia lasa mpinamana be fa tsy hoe olona iray trano fotsiny.”—Jamin sy Kendra vadiny.

    Monica sy Shawn.

    “Tsy maintsy hoe hisakafo ihany ianareo, dia maninona raha miaraka? Anisan’ny zavatra tena nahafinaritra ahy tamin’ny mbola niaraka tamin-dry Dada sy Neny ilay niara-nisakafo. Dia hoatr’izany koa izahay mivady. Rehefa miara-misakafo izahay roa dia fotoana mahafinaritra hotadidinay foana izany any aoriana any.”—Monica sy Shawn vadiny.

Azo iarahana midinika

Voalohany, samy afaka mieritreritra an’ireto fanontaniana ireto mitokana ianareo mivady. Iaraho midinika ny valiny avy eo.

  • Ampy tsara ve ny fotoana iarahanareo mivady amin’izao?

  • Inona no ezaka efa ataon’ny vadinao mba hahatonga azy hanana fotoana hiarahana aminao, ka tokony hideranao azy?

  • Inona no ezaka tianao hataon’ny vadinao?

  • Matetika ve ianao no tsy mifantoka amin’izay lazain’ny vadinao fa lasa mijery telefaonina na fitaovana hafa?

  • Inona no azonareo atao mba hampisehoana hoe samy mahay mandanjalanja ianareo dia tsy mitaky be loatra?

  • Inona no fanovana azonareo mivady atao amin’ity herinandro ity, amin’izay ianareo hanana fotoana betsaka kokoa ho anareo roa irery?

Famerenana: Hararaoty Tsara ny Fotoana Iarahanareo Roa

  • Ekeo hoe mila manokana fotoana hiarahana ianareo fa tsy hoe rehefa tsy misy atao vao manao an’izany.

  • Mba avelao kely aloha ny fitaovana elektronika.

  • Raha azo atao, dia miaraha miantsena na manao raharaha ao an-trano.

  • Aza mitaky be loatra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara