FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 14
  • Halefako any Amin’ny Toerana Fitaizan-jaza ve ny Zanako?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Halefako any Amin’ny Toerana Fitaizan-jaza ve ny Zanako?
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontaniana tsara dinihina
  • Inona no azonao atao?
  • Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?
    Mifohaza!—2007
  • Ahoana no Ikarakarana ny Zokiolona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fikarakarana Ray Aman-dreny Be Taona?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 14
Ankizy milalao ao amin’ny toerana fitaizan-jaza iray.

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Halefako any Amin’ny Toerana Fitaizan-jaza ve ny Zanako?

Rehefa samy miasa ny mpivady, nefa mbola tsy mianatra ny zanany, dia misy manapa-kevitra hoe halefany any amin’ny toerana fitaizan-jaza ny zanany. Mitovitovy amin’ny sekoly ihany mantsy ireny toerana ireny. Ary ny zanakao? Halefanao any koa ve izy?

  • Fanontaniana tsara dinihina

  • Inona no azonao atao?

Fanontaniana tsara dinihina

Mety ho simba ve ny fifandraisako amin’ny zanako raha itadiavako mpitaiza izy? Mety hitranga izany. Mora mandray be ny sain’ny zaza amin’izy ilay mbola kely iny. Hisy vokany be amin’ny fiainany manontolo ny zavatra ianarany amin’iny fotoana iny, anisan’izany ny hoe hahay hifandray amin’olona ve izy sa tsia. Miezaha àry hiaraka matetika amin’ny zanakao rehefa mbola kely izy.—Deoteronomia 6:6, 7.

  • Eritrereto hoe: ‘Inona no hataoko mba hifandray am-po foana izaho sy ny zanako?’

Mbola hanaraka ny teniko ihany ve ny zanako raha alefako any amin’ny toerana fitaizan-jaza? Mety tsy hanao an’izany intsony izy. Izao mantsy no lazain’ny boky Hold On to Your Kids: “Rehefa miaraka matetika amin’ny zaza hafa ny zaza anankiray, dia lasa ireny no tahafiny sy henoiny teny.”

  • Eritrereto hoe: ‘Sao dia tsy izaho intsony no hotahafin’ny zanako sy hohenoiny teny raha alefako any amin’ny toerana fitaizan-jaza izy?’

Hahay kokoa ve ny zanako any am-pianarana raha alefako any amin’ny toerana fitaizan-jaza izy amin’izao mbola kely izao? Misy miteny hoe mahay kokoa. Milaza kosa ny sasany hoe zara raha misy vokany amin’ny fahaizan’ny zaza izany, na tsy misy mihitsy. Na ahoana na ahoana, dia izao no lazain’i Penelope Leach, psikology manam-pahaizana manokana momba ny ankizy: “Aza mieritreritra hoe ny zavatra ianaran’ny ankizy any am-pianarana no tena hahasoa azy indrindra eo amin’ny fiainana. Aza mieritreritra koa hoe tsara kokoa raha alefa mianatra aloha be araka izay azo atao ny ankizy. Tadidio fa be dia be ny zavatra efa nampianarinao ny zanakao hatramin’ny nahaterahany, ary tena mahasoa azy ireny.

  • Eritrereto hoe: ‘Tena hahasoa ny zanakao ve ny hoe halefa any amin’ny toerana fitaizan-jaza izy? Ary tena ilainy ve?’

Sao dia afaka mijanona tsy miasa ianao na ny vadinao, dia mba afaka mitaiza ny zanakareo? Samy miasa ny mpivady sasany, dia amin’izay, hono, mba manam-bola sy afaka mividy an’izay tiany. Tsy ho ratsy be ve anefa ny vokany raha lasa ambanin-javatra ny ankizy?

  • Eritrereto hoe: ‘Sao dia azo ahena ny vola lany, dia mba afaka tsy miasa ny iray aminay mivady fa mikarakara ny ankizy ato an-trano?’

Te handefa ny zanakao any amin’ny toerana fitaizan-jaza ve ianao? Diniho tsara aloha ny mahatsara sy maharatsy an’ilay izy vao manapa-kevitra. Ary raha efa avy nandinika ianao ka mahita hoe mety tsara ho an’ny zanakao ilay izy?

Inona no azonao atao?

Milaza ny Baiboly fa “mandinika ny diany” ny olona “malina.” (Ohabolana 14:15) Mieritrereta tsara àry alohan’ny hanapahanao hevitra hoe iza no asainao hitaiza ny zanakao.

Sao dia misy hevitra hafa?

  • Mitaiza ankizy any an-tranony ny olona sasany. Indraindray izy miara-miasa amin’ny mpitaiza hafa, fa indraindray izy irery no ao. Aleon’ny ray aman-dreny sasany aterina any ny zanany.

  • Ny ray aman-dreny hafa indray maka mpitaiza hiara-hipetraka amin-dry zareo, na koa miangavy havana na manakarama olona mba hikarakara ny zanany rehefa tsy eo izy.

Samy manana ny mahatsara sy maharatsy azy daholo ireo. Maninona raha manontany ray aman-dreny efa nitady mpitaiza ho an’ny zanany? Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Hendry ... izay mila hevitra amin’ny hafa.”—Ohabolana 13:10.

Ahoana raha toerana fitaizan-jaza no tena hitanao fa mety? Raha izany, dia jereo hoe . . .

Manao ahoana ilay toerana?

  • Ara-dalàna tsara ve ilay izy sy ny zavatra atao ao? Efa ela ve ilay izy no nisy? Ary manao ahoana ny lazan’ilay toerana?

  • Madio ve ilay toerana? Tsy misy zavatra mety hampidi-doza ve ao?

  • Inona avy ny zavatra ampanaovina ny ankizy ao?a

Manao ahoana ny mpitaiza ao?

  • Inona ny fianarana nataony? Nianatra momba ny fitaizana zaza ve, ohatra, izy? Nianatra nanao fitsaboana vonjimaika ve? Hainy ve ny mamelona ny zaza karakarainy raha sanatria misy manjo azy ireo?

  • Sao dia olona efa nigadra na mpanao ratsy no hikarakara ny zanakao?

  • Miovaova matetika ve ny mpiasa ao? Tsy maintsy hizatra olona vaovao foana mantsy ny zanakao raha izany.

  • Zaza firy no karakarain’ny mpitaiza tsirairay? Raha be dia be loatra ny ankizy karakarain’ny mpitaiza anankiray, dia mety hidika izany hoe tsy ho voakarakara tsara ny zanakao. Tadidio koa fa miankina amin’ny taonan’ny zanakao sy ny zavatra vitany ny fikarakarana ilainy.

  • Vonona hifampiresaka tsara aminao momba izay mampanahy anao na mampanahy azy amin’ny zanakao ve ny mpitaiza ao?

a Sao dia asain-dry zareo mijery tele fotsiny, ohatra, ny ankizy? Sa ry zareo mampanao zavatra mampivelatra ny sain’ilay zaza sy manampy azy hitombo tsara?

Famerenana: Halefako any Amin’ny Toerana Fitaizan-jaza ve ny Zanako?

  • Inona avy no azonao atao? Aleon’ny ray aman-dreny sasany maka mpitaiza ao an-trano toy izay handefa ny zanany any amin’ny toerana fitaizan-jaza. Ny hafa indray miangavy havana mba hikarakara ny zanany. Samy manana ny mahatsara sy maharatsy azy daholo ireo, ka mila mandinika tsara ny ray aman-dreny.

Raha tapa-kevitra ny handefa ny zanakao any amin’ny toerana fitaizan-jaza ianao, dia jereo hoe . . .

  • Manao ahoana ilay toerana. Madio ve? Tsy mampidi-doza ve? Manara-dalàna ve? Inona avy no ampanaovina ny ankizy ao?

  • Manao ahoana ny mpitaiza ao. Inona avy ny fianarana nataony? Mifampiresaka tsara amin’ny ray aman-dreny ve ry zareo? Sao dia be dia be loatra ny ankizy asaina karakarain’ny mpitaiza tsirairay?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara