FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 193
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’i Daniela?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’i Daniela?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Iza i Daniela?
  • Miatrika Fitsarana ny Bokin’i Daniela
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-27 — Daniela
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Daniela
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Ny Bokin’i Daniela sy Ianao
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 193
Daniela mpaminany, mivavaka amin’Andriamanitra ao an-davaky ny liona.

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’i Daniela?

Valiny ara-baiboly

Mpaminany jiosy tena niavaka i Daniela ary niaina tamin’ny 630 T.K. ka hatramin’ny 530 T.K. tany ho any izy. Nataon’Andriamanitra nahay nanazava ny dikan’ny nofy izy, nomeny fahitana momba an’izay hitranga amin’ny hoavy ary nasain’Andriamanitra nanoratra an’ilay boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany.​—Daniela 1:17; 2:19.

Iza i Daniela?

Lehibe tao Joda i Daniela. Fanjakana iray nisy ny tanànan’i Jerosalema sy ny tempoly jiosy i Joda. Resin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona i Jerosalema tamin’ny 617 T.K. ary nentiny mba hatao sesitany tany Babylona “ny olona ambony teo amin’ilay tany.” (2 Mpanjaka 24:15; Daniela 1:1) Nentina niaraka tamin’ireo olona ireo koa i Daniela ary mbola ankizilahy angamba izy tamin’izany.

Daniela sy ankizilahy hafa, entin’ny mpiambina ny mpanjaka ho any an-dapan’i Babylona.

Nentina tany amin’ny lapan’ny mpanjakan’ny Babylona i Daniela sy ny tovolahy hafa, anisan’izany i Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Nomena fampiofanana manokana ry zareo mba hahafahany hiasa ho an’ny mpanjaka. Noterena hanao zavatra mifanohitra amin’ny finoany izy ireo. Tsy nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny anefa i Daniela sy ny namany telo lahy. (Daniela 1:3-8) Rehefa tapitra ilay fiofanana nandritra ny telo taona dia nidera an-dry zareo i Nebokadnezara Mpanjaka. Hitany mantsy hoe nanana fahendrena sy fahaizana izy ireo, ary “avo folo heny [ny an-dry zareo], raha oharina amin’ny [an’ny] mpisorona rehetra mpanao sikidy sy ny mpila hevitra amin’ny maty, eran’ny fanjakany.” Notendren’ny mpanjaka hiasa tao an-dapa àry i Daniela sy ny namany.​—Daniela 1:18-20.

Nampanantsoina tany an-dapa i Daniela taona maro tatỳ aoriana, angamba tamin’izy 90 taona mahery. I Belsazara indray no mpanjaka nitondra an’i Babylona tamin’izay. Nasainy nanazava ny dikan’ilay sora-tanana nipoitra ho azy teo amin’ny rindrina i Daniela. Nampian’i Jehovah i Daniela dia fantany ny dikan’ilay sora-tanana. Nolazainy hoe ho resin’ny Fanjakana Medianina-Persianina i Babylona ary tanteraka tamin’io alina io izany.​—Daniela 5:1, 13-31.

Daniela manazava ny dikan’ny sora-tanana eo amin’ny rindrina.

Rehefa ny Medianina-Persianina indray no nifehy an’i Babylona dia voatendry ho manam-pahefana ambony i Daniela. Nieritreritra ny hanandratra azy kokoa aza i Dariosy Mpanjaka. (Daniela 6:1-3) Nisy manam-pahefana nialona an’i Daniela dia nanao tetika hamonoana azy. Nataon-dry zareo izay hahatonga an’i Daniela hatsipy ao an-davaky ny liona nefa namonjy azy i Jehovah. (Daniela 6:4-23) Tamin’ny fotoana faramparany niainan’i Daniela dia nisy anjely niseho taminy ary nanome toky azy indroa hoe “tena sarobidy” izy.​—Daniela 10:11, 19.

Jereo ilay video misy fizarana roa hoe Daniela: Nanam-pinoana Mandra-pahafatiny. Ho hitanao ao ilay tantaran’i Daniela voaresaka tetsy aloha.

Voamarina ara-tantara ny zavatra resahin’ny bokin’i Daniela

Izao no nolazain’i Daniela: Nanangana sarivongana ngezabe i Nebokadnezara dia nandidy ny vahoakany hivavaka tamin’ilay izy. Izay tsy nankatò dia nasainy natsipy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay.​—Daniela 3:1-6.

Izao no resahin’ny tantara: Milaza ny Encyclopædia Britannica fa nandamina tetikasa fanorenana lehibe tany Babylona i Nebokadnezara, “tsy hoe mba hanandratany ny tenany fotsiny fa mba hanomezam-boninahitra an’ireo andriamanitra koa. Nirehareha izy hoe izy, hono, no ‘nahatonga ny olona hanompo an’ireo andriamanitra lehibe.’”

Raha ny amin’ilay fanipazana olona anaty lafaoro indray, dia imbetsaka ny rakitra babylonianina fahiny no niresaka an’izany. Hita tao amin’izy ireny koa hoe nisy fotoana ny mpitondra nandidy ny hanaovana an’izany. Nisy sora-tanana fahiny iray nosoratana tamin’ny andron’i Nebokadnezara manazava hoe nisy manam-pahefana nosazina satria tsy nanaja an’ireo andriamanitr’i Babylona. Izao no voasoratra ao: “Vonoy ireo, dory, atonoy anaty lafaoro, ... ataovy mahamay be ny afo, ataovy midona-tsetroka mihitsy dia amin’izay maty ao ry zareo.”a

Izao no nosoratan’i Daniela: Nirehareha tamin’ny zavatra naoriny i Nebokadnezara Mpanjaka.​—Daniela 4:29, 30.

Biriky hitan’ny mpikaroka tany Babylona misy ny anaran’i Nebokadnezara

Izao no resahin’ny tantara: “Hita avy amin’ny zavatra nosoratan’i Nebokadnezara momba ny tenany ... fa nieritreritra izy hoe mpanjaka lehibe izy sady nanao ny marina no mahery.”b Izao, ohatra, ny fireharehan’i Nebokadnezara araka ny hita teo amin’ny rindrina anankiray: “Nataoko tamin’ny biriky sy godorao ilay manda, ary toy ny tendrombohitra ny haavony, ka tsy hisy ho afaka hanozongozona azy. ... Nohamafisiko ny mandan’i Esagila sy Babylona, ary nataoko izay hampaharitra mandrakizay ny lazan’ny fanjakako.”c Maro tamin’ny biriky hitan’ny mpikaroka tany Babylona no nisy ny anaran’i Nebokadnezara.

Izao no nosoratan’i Daniela: Nampanantena an’i Daniela i Belsazara Mpanjaka hoe “ianao no ho mpitondra fahatelo eto amin’ny [fanjakan’i Babylona].”​—Daniela 5:1, 13-16.

Varingarina tamin’ny 550 T.K. misy soratra fahiny, miresaka momba an’i Nabonida Mpanjaka sy Belsazara zanany

Izao no resahin’ny tantara: Lehilahy iray antsoina hoe Nabonida no nanjaka nandritra an’ilay fotoana voaresaka ao amin’ny Daniela toko faha-5. Tsy tany Babylona anefa izy tamin’ny ankamaroan’ny fotoana nanjakany, fa tany Arabia. Iza no nitondra tany Babylona tamin’izy tsy teo? Izao no nohazavain’ny mpahay tantara atao hoe Raymond Philip Dougherty tao amin’ny bokiny hoe Nabonidus and Belshazzar: “Misy soratra fahiny milaza fa nankinin’i Nabonida tamin’ny zanany lahimatoa ny fanjakana, izany hoe tamin’i Belsazara. ... Nanao ny asa tokony ho nataon’ny mpanjaka i Belsazara tamin’ny fotoana tsy naha teo an’ny mpanjaka rainy.” Koa satria efa i Nabonida sy Belsazara no nitana ny toerana voalohany sy faharoa teo amin’ny fanjakana, dia ny toerana fahatelo no nolazain’i Belsazara hoe homeny an’i Daniela.

a Journal of Biblical Literature, Boky Faha-128, Laharana Faha-2, pejy 279, 284.

b Babylon​—City of Wonders, nosoratan’i Irving Finkel sy Michael Seymour, pejy 17.

c Archæology and the Bible, nosoratan’i George Barton, pejy 479.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara