FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 180
  • Inona no Hanampy Ahy Hanana Fanantenana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hanampy Ahy Hanana Fanantenana?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Ahoana no anampian’ny Baiboly antsika hifantoka amin’ny zavatra tsara?
  • Inona no ampanantenain’ny Baiboly ny olona rehetra?
  • Aza Avela ho Lefy Mihitsy ny Fanantenanao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Mahavelom-panantenana ny Taona 2023: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Aoka Ianao Hanantena An’i Jehovah ka ho Be Herim-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ahoana no Hananana Fanantenana Marim-pototra?
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 180
Vehivavy iray be fanantenana mitazana ny faravodilanitra.

Inona no Hanampy Ahy Hanana Fanantenana?

Valiny ara-baiboly

Milaza ny Baiboly hoe te hanome antsika ‘hoavy sy fanantenana’a Andriamanitra. (Jeremia 29:11) Anisan’ny antony nanomezan’Andriamanitra antsika ny Baiboly ny hoe mba ‘hananantsika fanantenana sy fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.’ (Romanina 15:4) Ho hitantsika ato fa manampy antsika hifantoka amin’ny zavatra tsara ny torohevitry ny Baiboly, na eo aza ny olana eo amin’ny fiainana andavanandro. Mampanantena hoavy tsara be ny Baiboly.

Ho hitantsika hoe:

  • Ahoana no anampian’ny Baiboly antsika hifantoka amin’ny zavatra tsara?

  • Inona no ampanantenain’ny Baiboly ny olona rehetra?

  • Andinin-teny ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny fanantenana

Ahoana no anampian’ny Baiboly antsika hifantoka amin’ny zavatra tsara?

Afaka manampy antsika hifantoka amin’ny zavatra tsara ny Baiboly, satria misy torohevitra azo ampiharina mba hanatsarana ny fiainantsika ao. Anisan’izany ireto:

  • Mitadiava tari-dalana ao amin’ny Baiboly. Hoy ny Salamo 119:105: “Jiro ho an’ny tongotro ny teninao, sady fahazavana ho an’ny lalako.” Misy zavatra anankiroa azon’ny jiro mazava be atao. Afaka manampy antsika hahita an’izay zavatra eo alohantsika izy io, sady afaka manampy antsika hahita lavitra kokoa. Hoatr’izany koa ny tari-dalana ao amin’ny Baiboly. Afaka manampy antsika hiatrika an’ireo olana mahazo antsika amin’izao izy ireny, amin’izay isika hifantoka amin’ny zavatra tsara foana eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Manampy antsika hahazo hery sy ‘mahafaly ny fontsika’ koa ny fampianarana ao. (Salamo 19:7, 8) Manampy antsika hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona koa ny Baiboly. Lasa manana fanantenana isika rehefa mahafantatra ny fikasan’Andriamanitra, ary manampy antsika ho faly sy ho afa-po foana izany.

  • Avelao hanampy anao ny hafa. Rehefa hoatran’ny hoe tapi-dalan-kaleha isika, dia mety ho lasa te hihatakataka amin’ny namantsika sy ny fianakaviantsika. Milaza anefa ny Baiboly hoe tsy fahendrena ny manao an’izany, satria mety hahatonga antsika hanaonao foana na handray fanapahan-kevitra maimaika. (Ohabolana 18:1) Afaka manampy antsika ho tony sy hilamin-tsaina mantsy ireny olona akaikin’ny fontsika ireny. Afaka manome soso-kevitra koa ry zareo hoe ahoana no azo amahana ny olana mahazo antsika. (Ohabolana 11:14) Na dia tsy afaka manao an’ireo aza anefa ry zareo, dia mba afaka manohana sy mampahery antsika, amin’izay isika lasa manana hery hiaretana, mandra-pilamin’ilay olana.—Ohabolana 12:25.

  • Mivavaha amin’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly hoe: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.”b (Salamo 55:22) Antsoina hoe “ilay Andriamanitra manome fanantenana” mihitsy i Jehovah. (Romanina 15:13) Azonao resahina aminy daholo “izay rehetra mampanahy” anao, sady afaka matoky ianao fa mikarakara anao izy. (1 Petera 5:7) Mampanantena mantsy ny Baiboly hoe: “Hanamafy orina anareo [izy], ary hampahatanjaka anareo.”—1 Petera 5:10.

  • Aza avela hihena ny fanantenanao na eo aza ny fitsapana. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Izay mihaino [an’Andriamanitra] kosa tsy hanana ahiahy, sady tsy mba hiady saina noho ny fahatahorana loza.” (Ohabolana 1:33) Rehefa ravan’ny rivo-doza, ohatra, ny tranon’ny vehivavy iray atao hoe Margaret, any Aostralia, dia very daholo ny ankamaroan’ny fananany. Tsy hoe kivy be anefa izy, fa nandray lesona tamin’ilay zava-nitranga hoe mety tsy haharitra ny fananana. Taorian’izay, dia vao mainka izy tapa-kevitra hoe hifantoka amin’izay tena zava-dehibe kokoa: Ny fianakaviany sy ny namany, ny fifandraisany amin’Andriamanitra, ary ny fampanantenan’ny Baiboly.—Salamo 37:34; Jakoba 4:8.

Inona no ampanantenain’ny Baiboly ny olona rehetra?

Mampanantena hoavy tsara be ho an’ny olombelona sy ny tany ny Baiboly, ary tsy ho ela intsony dia ho tanteraka izany. Hita amin’ny olana atrehin’ny olona amin’izao fa tena miaina amin’ny “andro farany” tokoa isika. (2 Timoty 3:1-5) Kely sisa Andriamanitra dia handamina ny olana rehetra eto an-tany, sady hanafoana ny fijaliana sy ny tsy rariny. Hampiasa fanjakana anankiray hitondra ny tany manontolo Andriamanitra mba hanatanterahana an’izany, ary antsoina hoe Fanjakan’Andriamanitra izy io. (Daniela 2:44; Apokalypsy 11:15) Io fanjakana any an-danitra io no tao an-tsain’i Jesosy rehefa niteny izy tao amin’ilay vavaka modely hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.”—Matio 6:9, 10.

Hazavaina tsara ao amin’ny Baiboly ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona. Ireto avy ny sasany amin’ny olana hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra:

  • Tsy hisy intsony ny mosary. “Hahavokatra tokoa ny tany.”—Salamo 67:6.

  • Tsy hisy intsony ny aretina. “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’”—Isaia 33:24.

  • Tsy hisy intsony ny fahafatesana. “[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny [mason’ny olombelona], ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”— Apokalypsy 21:3, 4.

a Manantena zavatra anankiray isika raha maniry an’ilay izy sady matoky hoe tena ho azontsika ilay izy. Ny hoe manantena dia midika koa hoe miandry an’ilay zavatra antenaina.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—Salamo 83:18.

Andinin-teny ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny fanantenana

Joba 5:16: “Manana fanantenana ny olona ambany.”

Ny dikany: Afaka matoky ireo mahatsiaro hoe tsy misy miraharaha fa hikarakara azy ireo Andriamanitra raha mangataka fanampiana aminy izy ireo.

Salamo 27:14: “Aoka ianao hanantena an’i Jehovah, manàna herim-po ary hatanjaho ny fonao, eny, aoka ianao hanantena an’i Jehovah.”

Ny dikany: Hahazo hery sy hanana herim-po isika, raha matoky an’i Jehovah Andriamanitra. Tsy hahafoy an’izay matoky azy mihitsy izy.

Salamo 62:5: “Hiandry an’Andriamanitra amim-panginana ... aho, satria izy no antenaiko.”

Ny dikany: Afaka matoky ireo miaritra fitsapana hoe hesorin’Andriamanitra amin’ny fotoana mety ny olana mahazo azy ireo, raha miantehitra aminy izy ireo.

Ohabolana 20:22: “Aza manao hoe: ‘Hamaly ny ratsy nataony aho!’ Aoka ianao hanantena an’i Jehovah, dia hamonjy anao izy.”

Ny dikany: Raha nisy olona nanao zavatra nampalahelo na nampahatezitra antsika, dia miezaka mafy ny tsy hamaly faty isika raha manantena an’i Jehovah. Manana hery hamonjena antsika sy hanafoanana ny zavatra mety hiaretantsika mantsy izy, no sady te hanao an’izany koa.

Hebreo 6:19: “Izany fanantenana ananantsika [Kristianina] izany no vatofantsiky ny aintsika, sady azo antoka no mafy orina.”

Ny dikany: Mihazona ny sambo tsy hihetsika ny vatofantsika, rehefa misy tafio-drivotra. Hoatr’izany koa ny fanantenana. Rehefa manantena mafy isika fa hahazo valisoa avy amin’Andriamanitra, dia ho tony sady hilamin-tsaina sy tsy ho kivy ary tsy hihozongozona ny finoantsika. Hanana hery koa isika ka ho afaka hiaritra na inona na inona mitranga.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara