FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 176
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Areti-mifindra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Areti-mifindra?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Efa nilaza mialoha ve ny Baiboly hoe hisy ny areti-mifindra?
  • Efa nanasazy olona tamin’ny aretina ve Andriamanitra?
  • Sazy avy amin’Andriamanitra ve ny areti-mifindra misy amin’izao?
  • Tsy hisy intsony ve ny areti-mifindra, indray andro any?
  • Ny andinin-teny miresaka momba ny aretina ao amin’ny Baiboly
  • Mila Tontolo Vaovao Isika!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • 6 Tapitrisa no Matin’ny COVID: Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’izany?
    Foto-kevitra Hafa
  • Hilamina Ihany ve ny Olana Ara-toe-karena?
    Foto-kevitra Hafa
  • Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Fijaliana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 176
Sarin’izao tontolo izao, ahitana areti-mifindra miparitaka eraky ny kaontinanta rehetra maneran-tany.

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Areti-mifindra?

Valiny ara-baiboly

Efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe hisy areti-mandringana (anisan’izany ny areti-mifindra) amin’ny andro farany. (Lioka 21:11) Tsy hoe sazy avy amin’Andriamanitra akory ireny areti-mifindra ireny. Efa tsy ho ela intsony aza Andriamanitra dia hampiasa ny Fanjakany mba hanafoanana ny aretina rehetra, anisan’izany ny areti-mifindra.

  • Efa nilaza mialoha ve ny Baiboly hoe hisy ny areti-mifindra?

  • Efa nanasazy olona tamin’ny aretina ve Andriamanitra?

  • Sazy avy amin’Andriamanitra ve ny areti-mifindra misy amin’izao?

  • Tsy hisy intsony ve ny areti-mifindra, indray andro any?

  • Ny andinin-teny miresaka momba ny aretina ao amin’ny Baiboly

Efa nilaza mialoha ve ny Baiboly hoe hisy ny areti-mifindra?

Tsy miresaka mivantana momba ny areti-mifindra anankiray na aretina hafa ny Baiboly, ohatra hoe ny COVID-19, SIDA, na ny gripa espaniola. Efa nilaza mialoha kosa anefa izy io fa hisy ny “areti-mandringana” sy ny “aretina mahafaty.” (Lioka 21:11; Apokalypsy 6:8) Anisan’ny famantarana ny “andro farany”, na koa ilay antsoina hoe “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” izy ireny.—2 Timoty 3:1; Matio 24:3.

Efa nanasazy olona tamin’ny aretina ve Andriamanitra?

Resahina ao amin’ny Baiboly hoe nisy fotoana Andriamanitra nanasazy olona tamin’ny aretina. Nataony lasa boka, ohatra, ny olona sasany. (Nomery 12:1-16; 2 Mpanjaka 5:20-27; 2 Tantara 26:16-21) Tamin’ireo zava-nitranga ireo anefa, dia tsy hoe ny olon-drehetra no nosazin’Andriamanitra tamin’ilay aretina, fa izay olona tsy nety nankatò azy ihany.

Sazy avy amin’Andriamanitra ve ny areti-mifindra misy amin’izao?

Tsia. Misy mieritreritra hoe te hanasazy ny olona amin’izao andro izao Andriamanitra, dia mandefa areti-mifindra na aretina hafa. Tsy marina anefa izany, rehefa jerena ny Baiboly. Fa nahoana?

Voalohany, samy efa narary daholo na ny mpanompon’Andriamanitra sasany taloha na ny amin’izao. I Timoty, lehilahy tsy nivadika tamin’Andriamanitra, ohatra, izao ‘tsy salama matetika.’ (1 Timoty 5:23) Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe tsy tian’Andriamanitra izy matoa tsy salama. Hoatr’izany koa amin’izao. Misy mpanompon’Andriamanitra sasany tsy mivadika, nefa marary na tratran’ny areti-mifindra. Sendra any amin’ny toerana misy areti-mifindra, ohatra, ry zareo, dia tratran’ilay izy.—Mpitoriteny 9:11.

Ankoatra izay, dia milaza koa ny Baiboly hoe tsy mbola tonga ny fotoana hanasazian’Andriamanitra ny ratsy fanahy. “Andro famonjena” kosa izao iainantsika izao. Mbola manasa ny olona rehetra hanatona azy mantsy Andriamanitra, amin’izay izy ireo ho voavonjy. (2 Korintianina 6:2) Manao an’izany, ohatra, izy, amin’ny alalan’ny fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany, na ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.”—Matio 24:14.

Tsy hisy intsony ve ny areti-mifindra, indray andro any?

Eny. Milaza ny Baiboly fa tsy hisy olona harary intsony amin’ny hoavy. Rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra, dia hositranin’Andriamanitra daholo ny aretina rehetra. (Isaia 33:24; 35:5, 6) Hofoanany koa ny zavatra mampijaly sy mampanaintaina ary ny fahafatesana. (Apokalypsy 21:4) Hatsangany koa ny maty, dia ho salama tsara sady ho lavorary izy ireo.—Salamo 37:29; Asan’ny Apostoly 24:15.

Ny andinin-teny miresaka momba ny aretina ao amin’ny Baiboly

Matio 4:23: “Nandeha nanerana an’i Galilia manontolo [i Jesosy], ka nampianatra tany amin’ny synagoga sy nitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana ary nanasitrana ny karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra, teo amin’ny vahoaka.”

Ny tiany holazaina: Santionany amin’ny zavatra hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela, ho an’ny olombelona rehetra, ny fahagagana nataon’i Jesosy.

Lioka 21:11: “Hisy areti-mandringana.”

Ny tiany holazaina: Anisan’ny famantarana ny andro farany ny areti-mandringana.

Apokalypsy 6:8: “Iny nisy soavaly hatsatra. Nantsoina hoe Fahafatesana ilay nitaingina azy, ary nanaraka azy akaiky ny Fasana. Dia nomena fahefana ... ireo mba hamono amin’ny ... aretina mahafaty.”

Ny tiany holazaina: Hita amin’ny faminaniana momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin’ny Apokalypsy fa tanteraka amin’izao androntsika izao ilay hoe hisy areti-mandringana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara