FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb16 p. 82-p. 85 feh. 5
  • Indray Mitopy Maso An’i Indonezia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray Mitopy Maso An’i Indonezia
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
yb16 p. 82-p. 85 feh. 5

INDONEZIA

Indray Mitopy Maso An’i Indonezia

Ilay tany Eo anelanelan’i Aostralia sy ny kontinantan’i Azia no misy azy io, ary lalovan’ny ekoatera. Io no vondronosy lehibe indrindra eran-tany, satria ahitana nosy 17 500 mahery. Misy tendrombohitra mikitoantoana sy ala mikitroka ny ankamaroan’izy ireo. I Indonezia no faritra be volkano indrindra, satria misy volkano 100 mahery any.

Vehivavy indonezianina mametaka haingo fanaon’ny tompon-tany eo amin’ny lohany

Mponina I Indonezia no firenena fahefatra be mponina indrindra eran-tany (aorian’i Chine sy Inde ary Etazonia). Misy foko 300 mahery any. Avy amin’ny foko javaney sy sunda ny antsasany mahery amin’ny Indonezianina.

Fivavahana Silamo ny 90 isan-jaton’ny mponina. Hindoa, na Bodista, na olona milaza azy ho Kristianina ny ambiny. Maro koa no manaraka fivavahana nentim-paharazana.

Fiteny Misy 700 mahery ny fiteny any. Ny teny indonezianina, avy amin’ny teny malezianina, no fiteny ofisialy. Mampiasa fitenim-paritra koa ny ankamaroan’ny olona rehefa ao an-trano.

Fitonoan-kena

Fivelomana Maro amin’ny mponina any no tantsaha na mpivarotra. Anisan’ny tany manondrana fingotra sy menaka palmie betsaka indrindra i Indonezia. Ananany betsaka koa ny hazo, harena an-kibon’ny tany, solika mbola tsy voadio, ary gazy.

Sakafo Vary no foto-tsakafo. Be mpitia ny nasi goréng (vary endasina sy atody miaraka amin’ny legioma), satay (karazana masikita), ary gado-gado (salady misy saosy voanjo).

Toetany Mafana sy mando. Misy fizaran-taona roa any, dia ny fahavaratra sy ny main-tany. Be oram-baratra koa any.

TANY (kilaometatra tora-droa)

737 815

MPONINA

256 000 000

MPITORY TAMIN’NY 2015

26 246

MPITORY 1 ISAKY NY MPONINA

9 754

MPANATRIKA FAHATSIAROVANA TAMIN’NY 2015

55 864

Sarintanin’i Indonezia
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara