FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb09 p. 1-2
  • Lohateny/Pejin’ny Mpampanonta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lohateny/Pejin’ny Mpampanonta
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2009
  • Lohatenikely
  • ‘Torio amin’ny fomba feno ny vaovao tsara.’—ASA. 20:24.
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2009
yb09 p. 1-2

Lohateny/Pejin’ny Mpampanonta

2009 Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Mirakitra ny Tatitra Momba ny Taom-panompoana 2008

Bokin’i ․․․․․

‘Torio amin’ny fomba feno ny vaovao tsara.’—ASA. 20:24.

Telo ny dia misionera efa nataon’ny apostoly Paoly. Nandia fitsapana maro izy tamin’izany, nefa nahazo fitahiana maro koa. Teny an-dalana ho any Jerosalema izy tamin’izy nilaza an’io teny eo ambony io. Efa nampoiziny fa tsy handray tsara azy ny olona any, ary hisy “gadra sy fahoriana” hanjo azy. (Asa. 20:23) Tsy kivy anefa izy. Tany Mileto, dia hoy izy tamin’ireo anti-panahy avy any Efesosy: ‘Tsy heveriko ho zava-dehibe ny aiko, toy ny hoe sarobidy amiko, raha mba azoko atao ihany ny hamita ny fihazakazahako sy ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo, dia ny hitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.’—Asa. 20:24.

Sarobidy tamin’i Paoly ny ainy, nefa ny manao ny sitrapon’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra taminy. Toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. “Halan’ny firenena rehetra” izy ireo, araka ny nolazain’i Jesosy. Na izany aza, dia mbola mitory ny vaovao tsara amim-pahasahiana ihany izy ireo, sady manao izany saika any amin’ny firenena rehetra. (Mat. 24:9) Enga anie ny andinin-teny ho an’ny taona 2009 ka handrisika anao hitory foana! Asehonao amin’izany fa ankasitrahanao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Sary: Pejy 168: Franc Drozg, taratasy; Photo Archive-Museum of National Liberation Maribor, Slovenia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara