Ireo Tany Anisan’i Iogoslavia teo Aloha
MAHAVARIANA ilay tany nantsoina taloha hoe Iogoslavia, satria ahitana kolontsaina sy fiteny ary fivavahana maro isan-karazany. I Eoropa Afovoany sy Eoropa Atsinanana no ao avarany, Gresy sy Torkia no ao atsimony, ary Italia no ao andrefany. Ady sy korontana anefa no tonga ao an-tsain’ny olona raha vao mandre hoe Iogoslavia. Teto no nisy namono ny Printsy François-Ferdinand, tamin’ny 1914. Nisy foko sasany noroahina an-keriny koa vao haingana. Tsy dia nilamina mihitsy àry teto! Nitolona mba hahazo fahaleovan-tena koa ireo repoblika anisan’i Iogoslavia teo aloha. Nizarazara àry i Iogoslavia, ka ireto avy ireo firenena eto ankehitriny: Bosnia-Herzegovina, Kroasia, Macédoine, Monténégro, Serbia, ary Slovenia.
Mahavariana fa na teo aza ny adilahy politika sy ny adim-poko ary ny ady nifanaovan’ny fivavahana teto, dia mifankatia sy miray saina ary mifampatoky ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manavakavaka izy ireo, ary tsy mandray anjara amin’ny ady. Miray saina koa izy ireo, nefa avy amin’ny kolontsaina samy hafa. Fa nahoana? Satria izy ireo tsy mivadika amin’ilay fanjakana ambony noho ny an’ny olombelona, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.
FIANDOHAN’NY ASA FITORIANA
Ahoana no nanombohan’ny asa fitoriana teto? Nitady asa tany Aotrisy ny tovolahy mpanety iray atao hoe Franz Brand avy any Voïvodine, any avaratr’i Iogoslavia. Tany izy no nandre ny fahamarinana. Niverina nody izy tamin’ny 1925, ary niaraka tamin’ireo olona vitsivitsy namaky sy nandinika an’ireo boky hoe Fianarana ny Soratra Masina, izay nalefan’ny havan’izy ireo avy tany Etazonia.
Nahatsapa izy ireo fa tokony hitory, ka nandikan’izy ireo tamin’ny teny serba ny bokikely roa. Nampalahelo anefa fa mbola tsy voazara akory ireo bokikely, dia nitsidika azy ireo ny rahalahy iray lasa mpivadi-pinoana. Noreseny lahatra ny rehetra ka nisaraka tamin’ny Mpianatra Baiboly. I Franz irery no tsy voataonany.
Nifindra tany Maribor, atsy Slovenia, i Franz, ary niasa tao amin’ny trano fihetezana iray. Nitory tamin’i Richard Tautz, mpampiasa azy, izy, ka nanaiky ny fahamarinana izy io. Nitorian’i Franz sy Richard àry izay tonga tao, ka nantsoin’ny olona hoe mpanety mino ny Baiboly izy ireo. Nihaino tsara azy ireo ny olona tonga nihety na niharatra. Ny olona koa moa tsy sahy niteny na nihetsiketsika satria natahotra sao haratra! Nihaino tsara koa i Ðuro Džamonja, mpanao politika, sy Rudolf Kalle, mpanamboatra milina fanoratana. Nandroso haingana i Ðuro sy Rudolf, ary tsy ela dia natao batisa. Tsy nanao politika intsony i Ðuro, ary anisan’ny nanangana ny Fikambanana Fanilon-tsambo Ampiasain’ny Mpianatra Baiboly eto Iogoslavia. Afaka nitory sy nivory tamin-kalalahana ireo rahalahy noho io fikambanana io.
“FAMPISEHOANA AN-TSARY NY FAMORONANA”
Naniraka rahalahy roa ny sampan’i Soisa tamin’ny 1931, mba handefa ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” nanerana an’i Iogoslavia. Feno hipoka izay toerana nandefasana azy io, ary nihaino tsara ny olona. Nahatonga olona maro ho liana tamin’ny fahamarinana izy io. Nandritra izany fotoana izany, dia nanao fivoriana tamin’ny teny slovenianina sy alemà ny tao Maribor. Nisy fivoriana koa tao Zagreb sy ny faritra manodidina azy, ka boky tamin’ny teny kroaty no nianaran’izy ireo.
Nanapa-kevitra ny handika Tilikambo amin’ny teny slovenianina sy kroaty koa ny rahalahy teto. Tsy asa mora izany. Natao aloha ny fandikan-teny. Avy eo dia nadikan’ny anabavy iray tamin’ny milina fanoratana ilay gazety, ary gazety 20 monja isaky ny laharana no vitany. Nahavita gazety 200 isaky ny laharana anefa izy ireo tatỳ aoriana, rehefa nahazo milina fanaovana kopia.
Nandeha lamasinina ireo rahalahy sy anabavy rehefa nitory sy nizara gazety tany amin’ny faritra maro. Nanofa kamiao tsy nisy tafo koa ny mpitory tatsy Slovenia indraindray. Tsy Vavolombelona ilay mpamily, ary niandry tontolo andro mandra-pahavitan’ny fitoriana. Tsy nampiofanina firy ny mpitory tamin’izany, ary nivantambantam-piteny indraindray. Notahin’i Jehovah anefa ny ezaka nataon’izy ireo, ka nahita olona “nanana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay” izy ireo.—Asa. 13:48.
Hoy i Franc Sagmeister: “Tamin’ny 1931 aho no nandre ny fahamarinana, tamin’i Nenitoa Terezija Gradič sy Dadatoa Franc vadiny. Anisan’ny mpitory voalohany teto Slovenia i Dadatoa. Tsy tia fivavahana izy taloha, kanefa lasa nazoto namaky Baiboly. Nahavariana ahy izany ka niara-nianatra taminy aho. Nanohitra ny fianakaviako, kanefa te hitory momba izay nianarako aho. Vao fantatry ny mompera tao an-tanàna izany, dia nampanantsoiny aho. Nilaza izy fa tsy mahazo manana Baiboly aho satria tsy ho takatro akory ny hevitr’izy io. Tsy nomeko azy anefa ny Baiboliko. Nifankahita teny an-dalana izahay sy ilay mompera, taorian’ny nahafatesan’i Dada. Tezitra be izy fa tsy nanome vola hanaovana Lamesa ho an’i Dada aho. Hoy àry aho: ‘Vonona hanome vola hanaovana Lamesa zato na arivo aho, raha mahasoa an’i Dada izany.’
“ ‘Tena mahasoa azy izany!’, hoy ilay mompera.
“ ‘Raha any an-danitra izy’, hoy aho, ‘dia tsy mila Lamesa, ary raha any amin’ny afobe izy, dia mbola tsy mila koa.’
“ ‘Ary raha any amin’ny afofandiovana izy?’, hoy ilay mompera.
“Namaly aho hoe: ‘Andriamatoa pretra ô! Fantatrao fa manankarena aho. Vonona ho any amin’ny naotera izao dia izao aho ary hanome anao ny fananako rehetra, raha voaporofonao avy ao amin’ny Baiboly fa mbola velona any ho any ny fanahin’ny maty, misy ny afobe sy ny afofandiovana, ary Andriamanitra tokana olona telo Andriamanitra.’
“Nivandravandrany aho, ary nandrehitra sigara izy dia lasa.”
IREO MPISAVA LALANA VOALOHANY TETO
Nisy lehilahy sy vehivavy be zotom-po nampamirapiratra ny fahamarinana teto, taorian’ny 1930. I Grete Staudinger, Katarina Konečnik, ary Karolina Stropnik, no nanao ny asan’ny mpisava lalana tao Maribor, atsy Slovenia, rehefa vakansy. Nanaiky ny fahamarinana koa i Alfred Tuček, mpitarika orkesitra tao Mostar, atsy Herzegovina, ka lasa mpisava lalana. Toy izany koa ilay tovolahy 23 taona atao hoe Dušan Mikić, tao Zagreb, atsy Kroasia. Rehefa nahazo an’ilay bokikely hoe Aiza moa Ireo Maty? izy, dia nandroso haingana ka natao batisa, ary nirotsaka ho mpisava lalana. Nisy rahalahy sy anabavy alemà be zotom-po koa tonga nanatevin-daharana azy ireo, tsy ela taorian’izay.
Nanomboka namaka teto ny fivavahana marina, fa voarara kosa ny tany Alemaina. Nandefasan’ny sampan’i Soisa mpisava lalana za-draharaha 20 teo ho eo àry teto. Anisan’izany i Martin Poetzinger, Alfred Schmidt, Vinko sy Josephine Platajs, ary Willi sy Elisabeth Wilke. Tsy nahay teny slovenianina sy serba-kroaty izy ireo ka nampiasa karatra fitoriana. Sahy nitory anefa izy ireo, ka nandroso ny asa.
ZAVA-TSAROTRA NATREHIN’NY MPISAVA LALANA
Tsy nahay ny fiteny teto an-toerana ireny mpisava lalana ireny ary tsy nanam-bola firy. Tsy nahasakana azy anefa izany satria be zotom-po sy tia olona izy ireo. Tena sarotra koa ny nitory tany amin’ny toerana sasany. Nandeha an-tongotra 40 kilaometatra, ohatra, izy ireo matetika, mba hitoriana tany amin’ny tanàna mitokana, na dia ratsy aza ny andro ary ratsy ny lalana. Nilaza ny anabavy mpisava lalana iray fa nesoriny ny kirarony rehefa teny an-dalana, mba tsy ho simba vetivety. Tsaroan’i Martin Poetzinger koa fa nahafinaritra erỳ ny nitory tany ambanivohitra sady nibaby kitapo feno boky! Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy tatỳ aoriana.
Nahazo bisikileta avy tamin’ny rahalahy iray tany Soisa ireo mpisava lalana, tatỳ aoriana, ka nanamora ny asan’izy ireo izany. Nampiasaina nandritra ny taona maro ireny bisikileta ireny.
Na dia malaza ho tia mandray vahiny aza ny olona atỳ, dia nanohitra sy nanenjika mafy an’ireo mpisava lalana. Nifehy ny fiainan’ny mpiangona tao aminy mantsy ireo mpitondra fivavahana, indrindra fa ny tany amin’ireo tanàna kely. Nampirisihiny, ohatra, ny ankizy mpianatra mba hanaraka an’ireo mpisava lalana, sy hitora-bato azy ireny. Nampirisika ny manam-pahefana koa izy ireo, mba hanakantsakana ny asan’ireo mpisava lalana sy haka ny bokiny ary hisambotra azy.
Nitory tany amin’ny tanàna mitokana iray tatsy Kroasia i Willi Wilke mivady sy ny mpisava lalana iray atao hoe Grete Staudinger, indray mandeha. Nizara an’ilay bokikely hoe Ilay Mpitondra Marina izy ireo tamin’izay, ary nisy sarin’i Jesosy Kristy teo amin’ny fonony. Tampoka teo anefa, dia nandre tabataba be avy tany amin’ny zaridainam-bahoaka i Willi. Hoy izy: “Nihoron-koditra aho nahita fa nitangoronan’ny olona 20 teo ho eo ny vadiko. Tezitra be izy ireo sady nisy antsim-bilona teny an-tanany. Nisy olona maromaro koa nandoro ny bokikelintsika.”
Tsy fantatr’ireo mpisava lalana hoe nahoana no tezitra mafy ireo tantsaha ireo. Tsy nahay tsara ny fitenin’izy ireo koa moa ny Anabavy Wilke. Nahay tsara ny fiteny alemà sy ny fiteny eto anefa ny Anabavy Staudinger, ka nanontany azy ireo hoe: “Fa nahoana ianareo no manao an’izao, tompoko?”
Niara-niteny izy ireo hoe: “Tsy mila an’i Pierre Mpanjaka izahay!”
“Izahay koa tsy mila azy”, hoy i Grete.
Gaga izy ireo, ka nanondro an’ilay sary teo amin’ilay bokikely sady nanontany hoe: “Nahoana àry ianareo no manao fampielezan-kevitra momba azy?”
Izay vao nazava tamin’i Grete ny antony nahatezitra azy ireo. Hay noheverin’izy ireo ho sarin’i Pierre Mpanjaka ny sarin’i Jesosy Kristy! Nisy namono mantsy i Aleksandra I, mpanjaka iogoslavy, herintaona talohan’izay, izany hoe tamin’ny 1934. I Pierre zanany no tokony handimby azy. Te hahazo fahaleovan-tena anefa ireo tantsaha ireo, fa tsy te hofehezin’ny mpanjaka iray avy any Serbia.
Taorian’izay, dia afaka nanazava tsara momba an’i Jesosy Kristy Mpanjaka ireo mpisava lalana. Nangataka bokikely indray àry ireo olona nandoro bokikely teo. Faly ireo mpisava lalana rehefa niala tao amin’ilay tanàna, satria tsapany fa niaro azy ireo i Jehovah.
Tsy maintsy nanaja ny fomba amam-panao teo an-toerana koa ireo mpisava lalana. Nitandrina izy ireo mba tsy hanafintohina an’ireo olona tao amin’ny tanàna be Silamo, tatsy Bosnia. Tsy azo atao, ohatra, ny nifampijery tamin’ny vehivavy silamo, rehefa niresaka taminy, mba tsy hampahatezitra ny vadiny.
Vitsy kely ny fiangonana sy ny antoko-mpitory teto, tamin’izany. Tsy nahita toerana hatoriana àry ireo mpisava lalana indraindray, rehefa avy nitory tontolo andro tao amin’ny tanàna iray. Tsy nanam-bola firy anefa izy ireo ka tsy afaka natory tany amin’ny tranombahiny. Hoy i Josephine Platajs: “Tsy nisy nety nampiantrano anay mivady tao amin’ny tanàna iray, satria natahotra ny mompera izy ireo. Efa maizina koa ny andro, tamin’izahay nivoaka ny tanàna. Nahita hazo be iray anefa izahay, ary nisy ravinkazo maina teo ambaniny. Teo izahay no natory! Ny kitapo fasianay lamba no nataonay ondana, ary nafatotry ny vadiko tamin’ny tongony ny bisikileta. Rehefa nifoha izahay ny ampitso, dia hitanay fa nisy lavadrano teo akaiky teo, ka afaka nisasa izahay. Tsy vitan’ny hoe niaro anay i Jehovah, fa nanome izay nilainay koa.”
Tsapan’ireny mpisava lalana ireny fa nikarakara azy i Jehovah, na dia tamin-javatra madinika aza. Ny hitory ny vaovao tsara mantsy no nimasoan’izy ireo, fa tsy ny hampiadan-tena.
MPITORY NIAMPITA AN’I MACÉDOINE
Nanararaotra nitory i Alfred sy Frida Tuček, mpisava lalana tatsy Slovenia, tamin’izy ireo nankany Boligaria. Nitory tamin’ny mpivarotra iray atao hoe Dimitar Jovanovič izy ireo tao Strumica, tany Macédoine, ary nampindrana boky azy. Niverina nody izy mivady rehefa afaka iray volana, ary nitsidika an’i Dimitar indray. Tsy novakiny anefa ilay boky, ka nangatahin’izy mivady mba homena olon-kafa. Lasa te hamaky an’ilay boky indray àry i Dimitar, ka niangavy mba homena fotoana hamakiana azy io. Rehefa voavakiny ilay izy, dia takany hoe io no fahamarinana. Izy no Vavolombelona voalohany tany Macédoine.
Nitory tamin’ny mpirahalahy atao hoe Aleksa sy Kosta Arsov indray i Dimitar. Tsy ela dia nanaiky ny fahamarinana izy ireo, ka lasa telo ny Vavolombelona tany Macédoine. Nitondra grafofaonina sy lahateny noraisim-peo ary gazety, izy telo lahy rehefa nitory. Tonga teny am-pelatanan’ny mpitondra fivavahana metodista iray ny gazety iray, tamin’ny farany. Nomen’izy io an’i Tušo Carčev, tovolahy mpiangona tao aminy, anefa ilay gazety. Tian’i Tušo ny zavatra novakiny tao, ka niangaviany ilay mpitondra fivavahana mba hanome azy gazety hafa. Hitan’i Tušo tao, fa tsy tokony hokaramaina ny mpitory ny vaovao tsara, ka noresahiny tamin’ilay mpitondra fivavahana izany. Tsy nitondran’izy io gazety intsony àry i Tušo. Hitan’i Tušo tao amin’ireo gazety anefa ny adiresin’ny sampan’i Maribor, ka nanoratra tany izy mba hangataka gazety hafa. Nasain’ny sampana nitsidika azy àry i Dimitar sy Aleksa ary Kosta. Tsy ela dia nandamina fivoriana izy ireo.
Nafindra tany Belgrade, renivohitr’i Serbia, ny biraon’ny sampana tao Maribor, tatsy Slovenia, tamin’ny 1935. I Franz Brand sy Rudolf Kalle no voatendry ho mpiandraikitra tao.
VOARARA NY ASANTSIKA
Tena be zotom-po tokoa ireo rahalahy tamin’izany, raha jerena ny bokikely iray navoakan’ny Eglizy Katolika tamin’ny 1933. Voatantara tao tamin’ny an-tsipiriany ny fitorian’ny Vavolombelona, ary nilaza ny Eglizy fa hifarana tsy ho ela ny asantsika. Diso hevitra anefa izy ireo!
Nahatezitra ny mpitondra fivavahana tany avaratr’i Iogoslavia koa ny fitorian’ireo mpisava lalana be zotom-po. Vao mainka tezitra izy ireo rehefa tsy nety nandrara ny asantsika ny fitsarana. Lasa minisitry ny atitany anefa ny pretra zezoita iray avy atsy Slovenia, tatỳ aoriana, ka anisan’ny didy voalohany navoakany ny fanafoanana ny Fikambanana Fanilon-tsambo. Noraran’ny fanjakana àry ny asantsika tamin’ny Aogositra 1936. Nakaton’ny manam-pahefana ny Efitrano Fanjakana, ary nalainy ny boky rehetra. Soa ihany fa efa fantatry ny fiangonana mialoha izany, ka vitsy ny boky lasan’izy ireo. Mba hahafahan’ny asantsika hitohy foana anefa, dia nosokafana ny trano fanontam-pirinty nantsoina hoe Kula stražara (Ny Tilikambo Fiambenana) tao Belgrade. Natao tany an-tranon’ireo rahalahy koa ny fivoriana.
Nihamafy ny fanoheran’ny fanjakana. Nataony lasibatra ireo mpanompo manontolo andro, indrindra fa ireo Vavolombelona vahiny niteny alemà. Tonga teto izy ireny rehefa voarara ny asa fitoriana tany amin’ny taniny, nefa izao lasa voarara koa ny asa teto. Nosamborina ireo mpisava lalana ary nogadraina, kanefa tsy nihena ny zotom-pony. Hoy ny anabavy iray: “Tsy navela hitsidika anay ireo namanay indraindray, tamin’izahay tany am-ponja. Tsy nahafoy anay mihitsy anefa i Jehovah. Tonga hitsidika anay, indray mandeha, ny anadahy iray nefa tsy navelan’ny lehiben’ny mpiambina. Niteny mafy be àry izy rehefa niresaka tamin’ilay mpiambina, ka renay rehetra. Tena nampahery anay ny nandre ny feony.”
Nila herim-po ireo rahalahy rehefa nandika sy nizara an’ilay bokikely hoe Nanala Sarona An’ireo Mpiara-miasa Amin’ny Fahavalo i Rutherford Mpitsara. Nahariharin’izy io mantsy fa nanohana ny fitondrana nazia ny Eglizy Katolika. Nadika tamin’ny teny serba sy kroaty ary slovenianina izy io, ary 20 000 isaky ny fiteny no natao pirinty. Vao nivoaka izy io dia noraran’ny fanjakana. Noroahiny ireo mpisava lalana vahiny. Nangataka koa ny mpampanoa lalàna hoe hosazina higadra 10 ka hatramin’ny 15 taona ireo mpampanonta an’ilay bokikely. Na izany aza anefa, dia voazaran’ireo mpitory vitsivitsy haingana ireo bokikely 60 000.
“Nangetaheta ny fahamarinana ny olona tamin’izany, ka tia namaky boky ara-baiboly”, hoy i Lina Babić, izay nianatra Baiboly rehefa hifarana ny Ady Lehibe II ary nifandray akaiky tamin’ireo Vavolombelona tsy nivadika. Hoy koa izy: “Tokony ho malina foana izahay ka nadikako tamin’ny kahie ny voalaza tao amin’ny bokintsika. Amin’izay raha misy misava aho, dia tsy ho hain’ny olona hoe avy tao anaty boky ilay izy.”
I TOLSTOÏ SA JEHOVAH?
Nisy fisaratsarahana teo anivon’ny fiangonana lehibe iray, taloha kelin’ny Ady Lehibe II. Nisy tamin’ireo rahalahy mantsy nanaraka ny hevitr’ilay mpanoratra sady filozofa rosianina atao hoe Léon Tolstoï. Mpivavaka tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Rosianina izy io taloha. Niova anefa izy tatỳ aoriana ka lasa nihevitra fa sandoka daholo ny fiangonana kristianina rehetra. Nandresy lahatra ny ankamaroan’ny mpitory tao amin’ny Fiangonana Zagreb ny mpiandraikitra iray tao, mba hanaraka ny hevitr’i Tolstoï. Tsy natoky ny fivavahana intsony àry ny rahalahy sasany, ka tsy afa-po tamin’ny fandaminan’i Jehovah. Nisy fanapahan-kevitra nolanina teo anivon’ilay fiangonana hoe hiala amin’ny fandaminana, ka mpitory 60 mahery no nanaiky.
Raha vao nandre izany i Rudolf Kalle, dia nankany Zagreb mba hihaona amin’ilay fiangonana manontolo. Noresahiny ny amin’ireo fahamarinana fototra nampianarin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. (Mat. 24:45-47) Nanontany izy avy eo hoe: “Iza no nampianatra anareo an’izany? I Tolstoï sa ny fandaminan’i Jehovah?” Notononiny ny Josoa 24:15 ka nasainy nanangan-tanana izay mbola te hiaraka amin’ny fandaminana. Roa monja no nanangana.
“Tena nalahelo be aho”, hoy i Rudolf.
Toy ny hoe very maina daholo ny ezaka tsara rehetra nataon’ilay fiangonana.
Nasain’i Rudolf niakatra teny amin’ny lampihazo ireo mpitory roa nanangan-tanana, ka hoy izy: “Izahay telo sisa no solontenan’ny vahoakan’i Jehovah eto amin’ity tanàna ity. Mangataka anareo rehetra aho mba handeha. Avelao izahay telo ho eto. Te hanompo an’i Jehovah Andriamanitray izahay, fa ianareo kosa mandehana manompo an’i Tolstoï-nareo. Tsy te hiaraka aminareo intsony izahay.”
Nangina ny rehetra nandritra ny segondra vitsivitsy. Avy eo dia nanangan-tanana ny anankiray ka niteny hoe: “Izaho koa te hanompo an’i Jehovah.” Nanao toy izany koa ny hafa. Farany, dia ilay mpivadi-pinoana sy ny olona vitsivitsy sisa no lasa nivoaka. Nanatanjaka ny finoan’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika iny fitsapana iny. Afaka niatrika fitsapana mafy kokoa izy ireo tsy ela taorian’izay.
FITSAPANA NANDRITRA NY ADY
Nanafika an’i Iogoslavia ny tafika alemà tamin’ny 6 Aprily 1941, ka simban’ny zera baomba ny biraon’ny sampana tao Belgrade. Resin’ny Alemà i Iogoslavia ka nozarazarainy. Tsy afaka nifandray tamin’ny Betela tao Serbia àry ireo rahalahy tatsy Slovenia sy Kroasia ary Macédoine. Ireo rahalahy tany amin’ny farany atsimon’i Macédoine aza tsy afaka nifandray tamin’ny Betela, raha tsy efa vita mihitsy ny ady.
Tampoka teo dia niatrika zava-tsarotra hafa koa ireo rahalahy, noho ilay ady lehibe naneran-tany. Notsapaina ny finoan’izy ireo sy ny fitiavany an’i Jehovah sy ny fandaminana.
Nakatona ilay biraon’ny sampana tao Belgrade, ka avy tao Zagreb, atsy Kroasia, indray no nizarana ny sakafo ara-panahy. Tsy maintsy malina be ireo rahalahy nizara izany, satria tsy hoe lamandy na fanagadrana intsony no sazin’izay tratra, fa halefa any amin’ny toby fitanana na homelohina ho faty mihitsy.
Rehefa nozarazarain’i Alemaina Nazia i Iogoslavia, dia nanorenany toby fitanana. Tao amin’ireo toby fitanana tatsy Kroasia no natokana sy novonoina ny olona avy tamin’ny foko sasany, sy ireo mpivavaka nanohitra ny fitondrana, ary ireo olona tsy Katolika fa nanaraka fivavahana madinika. Nasian’ny Nazia toby fiasana an-terivozona sy toby fitanana koa tatsy Serbia. Nisy rahalahy 150 mahery avy atsy Hongria, ohatra, nigadra tao amin’ilay toby tao Bor, tatsy Serbia, satria tsy nety nanao miaramila. Nataon’ny Nazia lasibatra koa ny Vavolombelona teto. Fitoriana tsy ara-potoana àry no tena nataon’izy ireo. Baiboly sy boky iray monja no nasaina nentiny, ary efa natoro azy ireo izay tokony holazaina raha voasambotra izy. Olona vitsivitsy izy ireo no niara-nivory, ary tsy fantany ny toerana nanaovan’ny hafa fivoriana.
Sarotra ny nampiditra boky avy tany ivelany, ka voatery nanao pirinty an-tsokosoko tany amin’ny toerana samihafa ireo rahalahy. Niasa mafy nandritra ny alina izy ireo, rehefa nanao pirinty sy nanambatra gazety sy bokikely. Niasa mafy koa izy ireo mba hahazoana vola hanaovana pirinty. Nahafantatra mpivarotra maromaro izy ireo, ka nahazo izay fitaovana nilainy foana. Tsy mba sahala amin’ireo foko sy fivavahana nifankahala ireo rahalahy, fa niray saina ka nanambatambatra ny volany mba hamokarana sakafo ara-panahy. Ahoana anefa no nitaterany an’ireo boky nankany amin’ny antoko-mpitory?
Mpiasan’ny lalamby ny rahalahy serba iray atao hoe i Stevan Stanković. Vonona hanampy an’ireo rahalahy izy, na inona na inona fiavian’izy ireo. Avy tany Kroasia izy no nitondra boky an-tsokosoko nankany Serbia, na dia nofehezin’ny miaramila aza i Serbia. Tratran’ny polisy nitondra boky tao anaty valizy anefa izy indray andro. Nanontanian’izy ireo izy hoe avy taiza ireo boky ireo. Tsy nety niteny izy, ka nentina tany am-ponja mba hatao famotorana. Avy eo dia nalefa tao amin’ny toby fitanana iray teo akaiky teo izy, tao Jasenovac. Nentina tamin-kabibiana ny gadra tao, ka maty tao io rahalahintsika io.
Mpikarakara fantson-drano ny Rahalahy Mihovil Balković tatsy Kroasia. Malina sady mora mahita hevitra izy. Ankoatra ny asany, dia mbola nanatitra boky tany amin’ireo rahalahy izy sady nampahery azy ireo. Hoy ny zafikeliny: “Ren’i Dadabe, indray mandeha, fa hosavana ao amin’ny tanàna manaraka ilay lamasinina nandehanany. Niala teo amin’ny tanàna iray aloha kokoa àry izy. Nahita lalana teo amin’ny tanimboaloboka iray izy mba hidirana tao amin’io tanàna io, na dia saika ilay tanàna manontolo aza no voafefy tariby miranirany. Nitondra boky tao anaty kitapo babena izy, ary efa nasiany rakija (toaka namboarina) roa tavoahangy sy sakafo avy novidiny, teo amin’ny farany ambony. Nandeha moramora teo amin’ilay tanimboaloboka izy, ary nandalo teo akaikin’ny efitra fiafenana ambanin’ny tany. Tampoka teo dia nisy miaramila nibetroka hoe: ‘E! Fa iza ianao?’ Nanatona i Dadabe, ka nanontanian’ny miaramila iray hoe: ‘Inona iny entinao iny?’
“ ‘Lafarinina kely sy tsaramaso ary ovy’, hoy ny navaliny.
“Nanontanian’izy ireo koa izy hoe inona no tao amin’ireo tavoahangy. ‘Fofòny dia andramo e!’, hoy izy.
“Rehefa avy nanandrana ilay miaramila, dia hoy i Dadabe: ‘Anao iny tavoahangy iny, anaka, fa ity kosa ahy.’
“Afa-po tamin’ny valin-teniny sy tamin’ilay rakija ireo miaramila, ka niteny hoe: ‘Mahazo mandeha ianao, Radada a!’ ”
“Voatitra soa aman-tsara àry ireo boky”, hoy ilay zafikeliny.
Be herim-po tokoa i Mihovil, satria matetika izy no nandalo toerana nofehezin’ny miaramila mpifahavalo. Mbetika izy nifanena tamin’ny miaramila kominista, mbetika tamin’ny mpitolona fasista kroaty na tamin’ny miaramila mpitolona serba. Tsy natahotra anefa izy fa nanararaotra nitory sy nanazava ny fampanantenan’ny Baiboly. Nilana herim-po be izany satria tandindomin-doza foana ny Vavolombelon’i Jehovah. Imbetsaka izy no nosamborina sy nalaina am-bavany ary nogadraina.
Nanao bemidina tao an-tranon’i Mihovil ny miaramila kominista, tamin’ny alin’ny 9 Novambra 1944. Noraofin’izy ireo daholo ny boky tao, ary nentin’izy ireo niaraka taminy izy. Mampalahelo fa tsy tafaverina intsony i Mihovil. Re tatỳ aoriana fa notapahin-doha izy.
Mbola ankizilahikely i Josip Sabo, tamin’izy nitatitra boky tao amin’ny faritr’i Slavonia, tatsy Kroasia. Nitondra bisikileta izy, ary nataony tao anaty vata namboariny ireo boky ka nosaronany poara. Nisy toeram-pisavana mantsy saika isaky ny tanàna.
Isaky ny toeram-pisavana, dia nanontanian’ny miaramila izy hoe: “Inona no ao anatin’io vata io?”
“Poara ho an’ny dadatoanay”, hoy i Josip. Dia naka poara iray na roa ireo miaramila. Rehefa ho tonga tany amin’izay nalehany i Josip, dia kely sisa ny poara tavela. Nivily nanaraka lalana efa maty àry izy, mba tsy ho lany ireo poara ary mba tsy ho tratra ireo boky sarobidy.
TSY NIVADIKA HATRAMIN’NY FARANY
Nitory tamin’i Ivan Sever, sy Franjo Dreven, ary Filip Huzek-Gumbazir ny mpanao trano atao hoe Lestan Fabijan, avy any Zagreb. Natao batisa tao anatin’ny enim-bolana izy telo lahy, ary nitory sy nandamina fivoriana. Nisy miaramila tonga tao an-tranon’i Ivan Sever ny takarivan’ny 15 Janoary 1943, mba hisambotra azy sy Franjo Dreven ary ny rahalahy iray atao hoe Filip Ilić. Nisava eran’ny trano izy ireo ka naka ny boky rehetra. Nentiny koa ireo rahalahy.
Ren’i Lestan izany, ka lasa izy sy Filip Huzek-Gumbazir nampahery ny renin’i Franjo sy ny anabaviny. Ren’ireo miaramila kominista anefa izany ka nosamborin’izy ireo koa i Lestan sy Filip. Nohazavain’izy dimy mirahalahy avy tao amin’ny Baiboly, fa miaramilan’i Kristy izy ireo ary i Jehovah ihany no tompoiny. Tsy nanaiky handray fitaovam-piadiana sy hiady izy ireo, ka nomelohina ho faty. Nogadraina anefa aloha izy dimy lahy.
Nofohazina izy ireo indray alina, ary nentina tany an’ala rehefa avy nesorina ny akanjony. Nilaza ireo miaramila fa mbola azony atao ny miova hevitra. Nasain’izy ireo nieritreritra ny fianakaviany avy àry izy dimy lahy. Hoy izy ireo tamin’i Filip Huzek-Gumbazir: ‘Tsy mba eritreretinao ve ny vadinao bevohoka sy ny zanakao efatra mianadahy?’ Namaly anefa i Filip fa natoky tanteraka izy hoe hikarakara ny vady aman-janany i Jehovah. I Franjo Dreven kosa tsy nanana vady aman-janaka, ka nanontanian’ny miaramila hoe: ‘Iza no hikarakara ny reninao sy ny anabavinao?’
Rehefa tonga teo amin’ilay toerana hamonoana azy izy ireo, dia nasain’ny miaramila nijajirika teo amin’ny hatsiaka namirifiry. I Filip Huzek-Gumbazir no notifirina voalohany. Niandry kely ireo miaramila sao te hiova hevitra ny hafa. Tapa-kevitra ny tsy hivadika anefa izy ireo. Notifirina àry i Franjo, avy eo Ivan, avy eo Lestan. I Filip Ilić sisa no tavela. Nampalahelo fa nanaiky lembenana izy ka nanao miaramila. Nody anefa izy telo volana taorian’izay satria narary. Tamin’izay izy no nitantara ny zava-nitranga rehetra. Nanaiky lembenana izy noho izy te hamonjy ny ainy, kanefa maty ihany noho ny aretina.
Maro ny rahalahy sy anabavintsika nenjehina, tatsy Slovenia. Tsy nanaiky hanao miaramila, ohatra, ny rahalahy iray mpanefy vy atao hoe Franc Drozg, izay 38 taona. Novonoin’ny Nazia tao Maribor àry izy, tamin’ny 8 Jona 1942. Nisy nitantara fa talohan’ny hitifirana azy, dia nahantona teo amin’ny tendany ny soratra hoe “Tsy anisan’ity tontolo ity aho.” (Jaona 17:14) Tena natanjaka ny finoany, raha jerena izao taratasy nosoratany taloha kelin’ny hamonoana azy izao: ‘Ho an’i Rupert, namako tsy foiko! Voaheloka ho faty aho androany, nefa aza malahelo. Tiako be daholo ianareo! Veloma ary mampamangy amin’ny fianakaviana any. Any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mihaona.’
Niezaka mafy hampitsahatra ny asa fitoriana ny manam-pahefana, kanefa namonjy ny vahoakany foana i Jehovah. Nanao bemidina matetika, ohatra, ny polisy, ary nasainy nilahatra ny mponina tao amin’ny faritra iray mba hijerena ny kara-panondrony. Nentiny tany am-ponja izay olona nahiahiny. Ny polisy hafa kosa tamin’izay nisava trano. Matetika anefa no tsapan’ireo rahalahy fa niaro azy i Jehovah. Nodinganin’ny polisy fotsiny mantsy ny tranon’izy ireo, satria noheveriny fa efa voasava. Nisy fotoana anefa feno boky tao an-tranon’ireo rahalahy, sady nisy milina fanaovana kopia. Efa indroa izany no nitranga, fara fahakeliny! Imbetsaka ireo mpitory no nahatsapa fa marina ny tenin’ny Baiboly hoe: “Be fitiavana tokoa i Jehovah sady mamindra fo [na mangoraka].”—Jak. 5:11.
VOAHELOKA HO FATY
Nifarana ihany ny Ady Lehibe II tamin’ny 1945. Io no anisan’ny ady nahafatesan’olona be indrindra teo amin’ny tantara. Resy i Hitler sy ny mpomba azy, ka nanantena ireo rahalahy fa ho afaka hitory malalaka amin’izay. Ny Kominista indray mantsy no nitondra, ary nampanantena izy ireo fa ho afaka hanaraka izay fivavahana tiany ny olona. Nampanantena koa izy ireo fa ho afaka haneho malalaka ny heviny ny vahoaka sy ny mpanao gazety.
Nisy rahalahy 15 sy anabavy 3 anefa nosamborina tamin’ny Septambra 1946. Anisan’izany i Rudolf Kalle sy Dušan Mikić ary Edmund Stropnik. Naharitra dimy volana ny famotorana azy ireo. Nampangaina ho manohintohina ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny Fanjakana ireo Vavolombelona, ka mampidi-doza an’i Iogoslavia, hono. I Etazonia, hono, no manohana ny asan’izy ireo, ka mody mitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo mba handravana ny sosialisma sy hamerenana ny kapitalisma. Nampangain’ny mompera iray ho mpitsikilon’ny Amerikanina koa ireo rahalahy.
Sahy niaro tena teo anatrehan’ny fitsarana anefa ireo Vavolombelona, ka afaka nitory momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany. Hoy ny rahalahy tanora iray atao hoe Vjekoslav Kos: “Ry mpitsara hajaina, io fivavahana io no nanabeazan’ny reniko ahy. Izy no nampianatra Baiboly ahy, ary mivavaka amin’Andriamanitra aho. Nogadraina i Neny tamin’ny fotoana nifehezan’ny Alemà ny tanintsika. Nanaraka ny fivavahany koa ny zokiko vavy roa sy ny zokiko lahy, ka nogadraina tany Dachau. Notifirina daholo izy ireo, satria nolazaina fa Kominista noho izy ireo nivavaka tamin’Andriamanitra. Ampangaina ho Fasista indray anefa aho izao, noho io fivavahana io ihany.” Nafahan’ny fitsarana àry izy.
Nahazo sazy henjana anefa ny rahalahy hafa. Nomelohina ho faty ny telo tamin’izy ireo, ary nosazina higadra 1 ka hatramin’ny 15 taona ny sisa. Tsy nankasitraka an’izany didim-pitsarana tsy ara-drariny izany anefa ireo Vavolombelona eran-tany. Nandefa taratasy an’arivony tany amin’ny fitondrana iogoslavy ireo Vavolombelona tany Etazonia, Kanada, Nosy Britanika, ary Eoropa. Nandefa telegrama an-jatony koa izy ireo. Nisy olona ambony mihitsy aza nanoratra ka nangataka ny hanalefahana ny sazin’ireo rahalahy. Tsy nomelohina ho faty indray àry izy ireo, fa lasa nigadra 20 taona.
Tsy nifarana hatreo anefa ny fanoherana. Roa taona taorian’izay, dia nosamborin’ny manam-pahefana slovenianina i Janez Robas sy Marija vadiny, ary Jože Marolt sy Frančiška Verbec, noho izy ireo nitory. Toy izao ny fiampangana azy ireo: ‘Mitady mpikambana vaovao ny “sekta jehovista”, ka izay olona voataonany dia ampirisihiny hanohitra ny rafitra mifehy ny fiaraha-monina [sy] handa tsy hanao miaramila.’ Nampangaina koa izy ireo hoe mampirisika ny olona tsy hiaro ny tanindrazany. Nomelohina higadra telo ka hatramin’ny enin-taona, miampy asa an-terivozona, izy ireo.
Niova ny rafitra politika tamin’ny 1952, ka nafahana ny Vavolombelona nigadra rehetra. Nitohy foana koa ny asa fitoriana. Marina tokoa ny fampanantenan’i Jehovah hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao, ary homelohinao eo amin’ny fitsarana ny lela rehetra manohitra anao.”—Isaia 54:17.
Mbola niezaka nampiala an’ireo rahalahy tamin’ny finoany foana anefa ny fitondrana. Nantsoin’ny mpanao gazety hoe “marary saina” sy “lasa adala amin’ny fivavahana” izy ireny. Nendrikendrehin’ny fampitam-baovao foana ny Vavolombelona, ka nanjary nitebiteby ny rahalahy sasany. Natahotra koa izy ireo sao ho voara-maso. Noheverin’ny sasany teo anivon’ny fiangonana ho mpitsikilo koa ireo Vavolombelona tsy nivadika nafahana tany am-ponja. Nampiasa rahalahy matotra sy tsy nivadika foana anefa i Jehovah mba hanatanjahana ny fiangonana.
Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana i Josip Tito taorian’ny Ady Lehibe II, dia lasa nahazo vahana be ny miaramila. Nolazaina fa mpanohitra izay rehetra tsy nanaiky hanao miaramila, na inona na inona antony.
NOTSAPAINA NY TSY FIVADIHANA
Nisy fivoriana tsy maintsy natrehin’ny olon-drehetra tao an-tanànan’i Ladislav Foro, tatsy Kroasia, tamin’izy sivy taona, ary nisy mompera nitory teny tamin’izay. Nitsirika tao ambadiky ny ridao i Ladislav rehefa vita ilay toriteny, ka hitany nanala akanjo ilay mompera. Hay nanao fanamian’ny Ustašaa izy io tao ambanin’ilay akanjo, ary nanao fehikibo feno bala sady nisy grenady teo am-balahany! Noraisin’ilay mompera ny sabany avy eo, ary lasa izy nitaingina an’ilay soavaly efa niandry azy sady nihorakoraka hoe: “Ry rahalahy, andao isika hanova ny olona ho Kristianina! Raha misy tsy manaiky, dia efa hainareo ny hanaovana azy!”
Fantatr’i Ladislav fa tsy izany no tokony hataon’ny olon’Andriamanitra. Nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelona niaraka tamin’ny dadafarany àry izy, taoriana kelin’izay. Sosotra ny ray aman-dreniny, nefa tsy nahasakana azy izany. Nandeha nivory foana izy, ary nandroso tsara.
Nantsoina hanao miaramila i Ladislav tamin’ny 1952, ka nanazava tamin’ny manam-pahefana fa tsy afaka hanao izany. Nalaina am-bavany imbetsaka anefa izy, mba hanerena azy hanao ny fianianan’ny miaramila zazavao. Nasaina nijoro teo anoloan’ny zazavao 12 000 niomana hanao ilay fianianana izy, indray mandeha. Nasiana basy teo an-tsorony, nefa nakifiny avy hatrany ilay izy. Nilaza ireo miaramila fa hotifirina i Ladislav raha mbola mamerina an’ilay fihetsiny teo, ary nampiasa fanamafisam-peo mihitsy izy ireo mba ho ren’ny rehetra izany. Mbola tsy nanaiky ihany anefa i Ladislav. Nentin’izy ireo nivoaka àry izy, ary natosiny tao anaty lavaka be. Nahazo baiko ny miaramila iray ka nitifitra indroa tao anatin’ilay lavaka. Niverina nankany amin’ilay toby ireo miaramila avy eo. Tsy voan’ny bala anefa i Ladislav!
Nampiakarina avy tao anatin’ilay lavaka i Ladislav ny alin’iny, ary nentina tany amin’ny fonjan’i Sarajevo. Naseho azy ny taratasy iray milaza fa nafahana ny mpiray finoana taminy satria niova hevitra, fa izy kosa ho tavela ao am-ponja miaraka amin’ny olon-dratsy. Niezaka nandresy lahatra azy ela be toy izany foana ny manamboninahitra. Nieritreritra anefa i Ladislav hoe: ‘Fa angaha moa noho ny olona no anompoako an’i Jehovah? Mba hampifaliana olona angaha moa no hijanonako ato am-ponja? Fa angaha moa ny fiainako miankina amin’izay ataon’ny hafa na izay eritreretiny na izay lazainy?’
Nanampy azy tsy hivadika ny fisaintsainana toy izany, mandra-pahatongan’ny fotoana nanafahana azy, efa-taona sy tapany taorian’izay. Lasa mpiandraikitra ny faritra izy tatỳ aoriana, ary nanohana azy foana i Anica vadiny, izay Vavolombelona toa azy koa.
FAHAFAHANA VOAFETRA
Novan’ny Filoha Tito ny rafi-pitondrana, rehefa tsy nifandray tamin’ny Firaisana Sovietika intsony i Iogoslavia tamin’ny 1948. Tsy voafehifehy loatra intsony àry ny vahoaka. Afaka nanaraka an’izay fivavahana tiany ny olona, na dia mbola ny Sosialista aza no nitondra.
Nasain’ny manam-pahefana hihaona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah ary nasainy hanao an-tsoratra ny sata mifehy ny fikambanana, mba hanekena ny asan’izy ireo. Nataon’ireo rahalahy izany, ka nekena ho ara-dalàna indray ny asantsika tamin’ny 9 Septambra 1953.
Na dia natao sesitany aza ireo rahalahintsika tany amin’ny firenena kominista hafa, dia afaka nivory ny Vavolombelona teto, saingy tany amin’izay toerana neken’ny fanjakana ihany. Nahazo boky sy gazety indray ireo rahalahintsika tany Macédoine, ary afaka nifandray tamin’ny sampana tao Zagreb. Na dia nekena ho fivavahana ara-dalàna aza anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, dia 38 taona tatỳ aoriana izy ireo vao nahazo alalana hitory isan-trano.
Noho ireo rahalahy tsy nety hanao miaramila koa, dia noheverin’ny manam-pahefana ho nanao fampielezan-kevitra izy ireo rehefa nitory. Sarotra be àry ny nitory satria nanara-maso azy ireo foana ny polisy miafina sy ny mpitsikilo. Nosamborina sy nampandoavina lamandy izay tratra. Nilaza toy izao ny tatitra iray: “Mbola samborina sy tsaraina foana ny vahoakan’i Jehovah, indrindra fa ny any Slovenia. Matanjaka be mantsy ny fivavahana katolika any. Manara-maso akaiky ny ankamaroan’ireo mpiara-manompo koa ny polisy, satria te hanatratra azy ireo eo am-pianarana ny Tenin’Andriamanitra. Tapa-kevitra ny tsy hilavo lefona anefa izy ireo, satria Andriamanitra no ankatoaviny fa tsy olona.”
“MALINA TAHAKA NY BIBILAVA”
Ahoana no nataon’ireo rahalahy tany Slovenia, rehefa nitory tany ambanivohitra? Nanontanian’izy ireo aloha ny tompon-trano raha nivarotra atody. Raha mora ilay izy, dia novidiny mba tsy hampiahiahy an’ilay olona. Sady nividy izy ireo no namily ny resaka ho amin’ny Baiboly, raha hitany hoe tsy nisy natahorana. (Mat. 10:16) Rehefa ampy ny atody azony, dia kitay indray no nanontanian’izy ireo tamin’ny tompon-trano manaraka.
Niasa tsara ny faritaniny ireo rahalahy tany amin’ny faritra manodidina an’i Zagreb, any Kroasia, nefa niezaka koa mba tsy ho tratra. Izao ohatra no fomba iray nataon’izy ireo rehefa nitory: Raha ny trano voalohany no nitoriana, dia ny trano faha-11, faha-21, faha-31, ... no trano manaraka nitoriana. Nisy vokany ny ezak’izy ireo satria maro no lasa nahalala an’i Jehovah. Ny fitoriana tsy ara-potoana anefa no tena natao, satria sarotra be ny nitory isan-trano.
Nivory tany an-tranon’olona ireo rahalahy tany Serbia. Nitantara, ohatra, i Damir Porobić, fa nivory tao an-tranon’ny bebeny izy ireo, taorian’ny Ady Lehibe II. Hoy izy: “Olona dimy na folo teo ho eo izahay no niara-nivory. Nety tsara ny tranon’i Bebe satria nisy lalana roa samy hafa nidirana tao. Afaka niditra sy nivoaka àry ny mpivory, nefa tsy nanaitra ny sain’ny manodidina.”
Teraka tany Kroasia i Veronika Babić, ary tamin’ny 1955 tany ho any ny fianakaviany no nianatra Baiboly. Natao batisa izy tamin’ny 1957, ary nifindra nankany Sarajevo, any Bosnia, izy sy ny vadiny taorian’izay. Nifankahita tamin-dry Milica Radišić izy ireo tany. Avy any Slavonia, any Kroasia, i Milica ary natao batisa tamin’ny 1950. Ireo fianakaviana roa ireo no nanomboka nampiely ny fahamarinana tany Bosnia. Tsy maintsy nitandrina be anefa izy ireo rehefa nitory, toy ny tany amin’ny faritra hafa ihany. Hoy i Veronika: “Nisy nitoroka tany amin’ny polisy izahay, ary nalaina ny bokinay. Nosamborina izahay, nalaina am-bavany, norahonana hampidirina am-ponja, ary nasaina nandoa lamandy. Tsy nahakivy anay anefa izany sady tsy nampatahotra anay. Vao mainka aza izany nanatanjaka ny finoanay an’i Jehovah.”
Hoy i Milica: “Nisy lehilahy iray liana tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakana, indray mandeha. Noraisinay tsara izy, ary natory tany an-tranon’ireo rahalahy mihitsy aza indraindray. Nazoto namaly koa izy tany am-pivoriana. Hitan’ny zanako vavy niara-nivory tamin’ny polisy miafina anefa izy, indray andro, tamin’ny zanako tany am-piasana. Hay nirahin’ny polisy hitsikilo anay ilay lehilahy! Tsy tonga nivory intsony izy rehefa fantatra ny tena marina.”
EFITRANO FANJAKANA VOALOHANDOHANY
Tsy nahazo nivory ny Vavolombelon’i Jehovah, talohan’ny nanekena ny fivavahany ho ara-dalàna. Nety ho voasambotra izy ireo raha tratra nanao izany, na dia tany an-tranon’olona aza. Afaka nivory an-kalalahana kosa izy ireo tatỳ aoriana, nefa sarotra ny nahita toerana ivoriana. Tsy tian’ny olona mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy nisy nanaiky hampanofa trano azy ireo. Nanapa-kevitra ny hividy trano hivoriana àry izy ireo.
Tsy ela ireo rahalahy dia nahita trano fiasana iray tao Zagreb, ka novidiny izy io. Novana ho Efitrano Fanjakana tsara tarehy mahazaka olona 160 izy io, ary nasiana birao kely hanaovana pirinty. Nanaovana fivoriambe koa ilay efitrano. Tao no natao ny fivoriambe voalohany nataon’ireo Vavolombelona eran’i Iogoslavia, tamin’ny 1957. Nividy trano hafa iray tao Zagreb, teo amin’ny Lalana Kamaufova, ireo rahalahy, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Tao no nisy ny Betela mandra-pahatongan’ny 1998.
Nividy trano tao Belgrade, any Serbia, koa ireo rahalahy tamin’ny 1957. Natao Efitrano Fanjakana sy Betela izy io. Nisy tranon-tsoavaly novidina koa tao Ljubljana, any Slovenia, taorian’izay, ary novana ho Efitrano Fanjakana izy io. Novana ho efitrano koa ny garazy iray tao Sarajevo, tamin’ny 1963. Io no nampiasain’ny fiangonana voalohany tany Bosnia-Herzegovina. Nila fanamboarana be ny sasany tamin’ireo trano ireo, nefa nahafoy tena sy nalala-tanana ireo rahalahy, ka notahin’i Jehovah ny ezak’izy ireo.
FANDAHARANA VAOVAO NAMPAHERY
Nisy mpiandraikitra mpitety faritany notendrena hanampy sy hampahery ny fiangonana, tamin’ny 1960. Nisy rahalahy koa nasaina hanao ny asan’ny mpiandraikitra ny faritra isaky ny faran’ny herinandro. Vonona hampiasa ny andro tsy fiasany izy ireny, mba hampaherezana an’ireo rahalahy sy hanampiana azy ireo hiray saina.
Hoy i Henrik Kovačić, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Kroasia izao: “Mpiandraikitra ny faritra isaky ny faran’ny herinandro aho, nandritra ny herintaona teo ho eo, ary lasa nanao izany manontolo andro tatỳ aoriana. Niaraka tamiko foana ny vadiko, tamin’izany. Tena nahantra ireo rahalahy, ka trano tsy nisy rano matetika no nipetrahanay ary tsy nisy rano koa ny kabine. Tena nankasitraka ny fitsidihanay anefa izy ireo, ary tena be fitiavana sady tia nandray vahiny. Nomeny hatorianay ny fandrianany, ary nahandro sakafo ho anay izy ireo, na dia zara raha nanan-kohanina aza. Nifindrafindra trano ilasiana izahay isak’alina rehefa nitsidika ny fiangonana sasany, mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ireo rahalahy.”
Hoy koa i Šandor Palfi, anisan’ny Komitin’ny Tany any Serbia izao: “Nahafinaritra be ny nanao ny asan’ny mpiandraikitra ny faritra isaky ny faran’ny herinandro, na dia tsy mora aza. Tsy andrin’ireo rahalahy ny hahatongavanay. Nahantra izy ireo, nefa niezaka nanome izay tsara indrindra nananany. Fotoana miavaka tamin’izy ireo izany hoe fitsidihan’ny mpiandraikitra izany.”
Sady nanao ny asan’ny faritra i Miloš Knežević tamin’izany, no niandraikitra ny sampana teto. Nanampy be dia be tamin’ny famahana an’ireo olana ara-pitsarana natrehin’ny rahalahintsika izy, nandritra ny fotoana nitondran’ny Kominista.
NANDROSO TSARA NY ASA TANY MACÉDOINE
Nianatra tao amin’ny oniversite tany Zagreb ny tovolahy iray avy any Kočani, any Macédoine, tamin’ny 1968. Tany izy no nahalala ny fahamarinana. Rehefa nody izy, dia nitory tamin’ny havana aman-tsakaizany.
Hoy i Stojan Bogatinov, izay Vavolombelona voalohany tao Kočani: “Zanak’olo-mpiray tam-po izahay sy io tovolahy io. Mpandroso sakafo aho tamin’izany, ary matetika no niresaka momba ny fivavahana izahay sy ny mpiara-miasa tamiko. Rehefa avy niresaka toy izany izahay, indray mandeha, dia nisy Ortodoksa tonga nisakafo tao. Nanontaniako izy raha mba misy Baiboly azony omena ahy any amin’ny fiangonan-dry zareo, satria tena te hahalala an’Andriamanitra aho. Nilaza izy fa hitondrany iray aho. Tsy ela aho dia nahazo ny ‘Testamenta Vaovao.’ Faly be aho, ka tsy andriko izay hodiana mba hamakiana azy io.
“Teny an-dalana hody anefa aho, dia nifanena tamin’ilay zanak’olo-mpiray tam-po amiko avy tany Zagreb. Nanasa ahy ho any an-tranony izy, nefa nilaza aho fa tsy afaka ny ho any satria mbola maika hamaky ny Baiboliko. Nilaza anefa izy hoe: ‘Andao fa misy zavatra mahaliana anao any an-trano. Manana boky hanampy anao hahazo ny hevitry ny Baiboly aho.’ Nankany an-tranony àry izahay, ary faly aho fa nanana ny Baiboly manontolo sy bokikely vitsivitsy izy, ary gazety Tilikambo amin’ny teny kroaty. Nomeny ahy ireo bokikely sy gazety ireo, ka novakiko avy hatrany. Tonga dia hitako hoe hafa kely ilay zavatra novakiko. Tsy nahalala Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aho, nefa lasa te hahalala azy ireo.
“Niaraka tamin’ilay havanay aho, rehefa niverina tany Zagreb izy. Rehefa tonga tany aho, dia nanasa ahy ho any an-tranony i Ivica Pavlaković, Vavolombelona iray tia mandray vahiny. Nototofako fanontaniana izy nandritra ireo telo andro nijanonako tany. Nampiaiky volana ahy ny nahita fa nampiasa Baiboly foana izy hamaliana ny fanontaniako. Nandeha nivory koa aho, ary nampahery ahy ny nahita fa tena mifankatia ireo Vavolombelona.
“Nentin’i Ivica nitsidika ny Betelan’i Zagreb aho, ka faly be fa nahazo boky sy gazety maro be. Tsy hay hadinoina ireo andro vitsivitsy nijanonako tao Zagreb! Nentiko nody teto Kočani ireo harena ara-panahy voangoko. Tsy nisy Vavolombelona anefa teto, ka nifanoratra tsy tapaka tamin’i Ivica aho. Feno fanontaniana ny taratasiko, ary novaliany daholo ireny. Noresahiko tamin’ny hafa ny zavatra nianarako rehefa nitombo ny fahalalako. Nanomboka liana ny vady aman-janako, ary tsy ela dia niara-nanompo an’i Jehovah izahay mianakavy. Nianatra zavatra betsaka avy ao amin’ny Baiboly koa izahay. Faly be izahay, ka nafana fo erỳ nitory tamin’ny havana aman-tsakaiza! Maro no nihaino, nefa nisy koa nanenjika.”
FIVORIAMBE TANY ALEMAINA
Tsy toy ireo rahalahy tany amin’ny firenena kominista hafa ny Vavolombelona teto, satria afaka nifandray tamin’ny firenena hafa ihany izy ireo. Vitsy anefa izy ireo, ka naniry mafy hihaona tamin’ireo Vavolombelona tany an-tany hafa. Faly be àry izy ireo rehefa neken’ny fitondrana ny fangatahany hanatrika an’ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany”, tamin’ny 1969!
Natao tao amin’ny kianja lehibe iray ao Nuremberg, any Alemaina, ilay fivoriambe. Tao i Hitler no nandrahona handripaka ny Vavolombelon’i Jehovah sy nampanao matso ny tafiny, taona vitsivitsy talohan’izay. Natao tamin’ny fiteny maro ilay fivoriambe. Faly ireo solontena iogoslavy nandre fa hisy fandaharana hatao amin’ny fiteniny teo amin’ilay faritra be hazo, tao anatin’ilay kianja. Lampihazo lehibe no nanasaraka an’ireo solontena nanaraka ny fandaharana tamin’ny teny serba-kroaty, sy ireo nanaraka tamin’ny teny slovenianina. Tena nampitombo ny fahalalan’ireo rahalahy sy nanatanjaka ny finoany iny fivoriambe valo andro iny!
Nanofa bisy sy lamasinina ireo solontena eran’i Iogoslavia, rehefa nankany Alemaina. Hoy ny rahalahy iray avy any Kroasia: “Tsindrian-daona erỳ izahay hihaona amin’ireo rahalahy sy anabavinay, ka tsy nahamenatra anay ny nanisy soratra nampahafantatra an’ilay fivoriambe, teo amin’ny varavarankelin’ny lamasinina nandehananay.”
Dibo-kafaliana ireo rahalahy rehefa nahita sy nandre an’i Nathan Knorr sy Frederick Franz, avy any amin’ny foibe. Hoy ny solontena iray: “Nientam-po be izahay rehefa nanatona ny faritra nisy anay ry zareo mba hiarahaba anay.” Nahazo fitahiana be dia be ireo solontena iogoslavy, na dia tsy maintsy nahafoy zavatra maro aza. Hoy ny Anabavy Milosija Simić, avy any Serbia: “Karamako roa volana vao ampy natao saran-dalana, ary sarotra be ny nahazo folo andro tsy iasana. Tsy azoko antoka hoe mbola horaisin’ny mpampiasa ahy aho rehefa niverina, kanefa tapa-kevitra ny handeha ihany aho. Nahafinaritra be ilay fivoriambe! Mbola latsa-dranomaso foana aho rehefa mahatsiaro azy iny, na dia efa ho 40 taona atỳ aoriana aza.” Nisy Vavolombelona avy any amin’ny faritra rehetra nanerana an’i Iogoslavia tao amin’iny fivoriambe iny. Tsapan’izy ireo fa miray saina tokoa ny Vavolombelona eran-tany, ka nahazo hery hiatrehana ny fitsapana ho avy izy ireo.
NANAMPY IREO MPISAVA LALANA TETO AN-TOERANA
Nandray anjara betsaka tamin’ny fielezan’ny vaovao tsara teto ireo mpisava lalana alemà, taoriana kelin’ny 1930. Nitombo ny mpitory, ka nihamaro ireo Iogoslavy nirotsaka ho mpisava lalana. Vonona handefa mpisava lalana tany amin’ny faritra lavitra amin’i Iogoslavia àry i Slovenia. Be herim-po ireny mpisava lalana ireny, ka nianatra fiteny sy kolontsaina vaovao.
Hoy i Jolanda Kocjančič: “Nankany Priština, tanàna lehibe indrindra any Kosovo, izahay sy Minka Karlovšek. Samy tsy nahay fiteny albaney sy serba izahay roa vavy, nefa nanapa-kevitra ny hitory ihany. Sady nitory àry izahay no nianatra an’ilay fiteny. Nahita ankizilahy tseky iray izahay tao amin’ny trano voalohany nitorianay. Zanaka lahimatoan’ny vehivavy mananotena iray izy io. Niresaka taminy tamin’ny teny slovenianina sy teny serba vitsivitsy izahay hoe: ‘Te hiresaka aminareo momba ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly izahay.’
“ ‘Mandrosoa àry e!’, hoy izy. ‘Efa miandry anareo mamanay.’
“Dodona erỳ i Ružica reniny handray anay! Nohazavainy fa nivavaka tamin’i Jehovah izy tapa-bolana talohan’izay, mba handefa olona hampianatra azy Baiboly. Nilaza izy fa nampirisika azy imbetsaka hivavaka momba izany ny rahavaviny, izay Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Repoblika Tseky. Nino i Ružica fa valim-bavaka ny fahatongavanay. Nampianarinay Baiboly izy, fa izy kosa nampianatra anay teny serba. Niara-nianatra taminy koa ireo mpianatra nanofa trano tao aminy. Nisy tamin’izy ireo nanome anay diksionera albaney, izay tena nanampy anay.”
Nahazo Baiboly avy tamin’ny mpisava lalana iray avy any Zagreb, i Zoran Lalović, any Monténégro, tamin’izy mbola kely. Nisy mpisava lalana manokana iray tonga avy any Serbia, dimy taona taorian’izay, izany hoe tamin’ny 1980, ka nampianatra Baiboly azy. Hoy i Zoran: “Sarotra be tamiko ny nanapaka ny fifandraisako tamin’ireo namako tany amin’ny trano fandihizana. Vitako ihany anefa izany, ka nandroso haingana aho, ary natao batisa tany Belgrade rehefa afaka volana vitsivitsy. Avy hatrany dia nampanaovina lahateny ho an’ny besinimaro aho, satria vitsy kely ny rahalahy. Nanomboka nanao ny fivoriana rehetra koa izahay, tao Podgorica.”
BATISA TENY AN-TANIMBARY
Hoy i Stojan Bogatinov, any Macédoine: “Nataoko batisa izay vonona hatao batisa. Tsy nanana koveta be fandroana hanaovana batisa anefa izahay, sady marivo kely ny renirano atỳ. Soa ihany fa misy tanimbary be dia be eto, ary misy lakandrano eny anelanelany eny. Nisy tamin’izy ireny lalina sy madio ka azo anaovana batisa. Tsaroako tsara ny batisa voalohany nataonay teny amin’ny lakandrano, teny an-tanimbary. Rehefa nankeny izahay, dia nisy olona niantsoantso hoe: ‘Ô ry Stojan a! Nahazo mpijinja vary angaha ianao?’
“Namaly aho hoe: ‘Ie! Be dia be ny asa!’ Tsy fantany hoe mpijinja tokoa izahay, saingy fijinjana ara-panahy eto Macédoine no ataonay.”
Tsy afaka nifandray loatra tamin’ny sampana ireo rahalahy tany Macédoine, ka betsaka ny zavatra tsy hain’izy ireo momba ny fiasan’ny fandaminana. Nanomboka nivory i Stojan Stojmilov tamin’izy tany Alemaina, ary faly izy rehefa tafaverina tany Macédoine satria nisy Vavolombelona tao Kočani. Hoy izy: “Notantaraiko tamin’izy ireo ny fomba fitarihana fivoriana any Alemaina, ka avy hatrany dia nasain’izy ireo nitarika ny Fianarana Tilikambo sy nanao lahateny ho an’ny besinimaro aho. Nohazavaiko tamin’izy ireo fa mbola tsy vita batisa aho. Tsy namelan’izy ireo anefa aho, satria efa nahita ny fomba fanaovana fivoriana, hono. Nanaiky ihany àry aho. Nandroso tsara izahay mivady tatỳ aoriana, ka natao batisa teny an-tanimbary koa.”
Hoy koa i Veselin Iliev, izay anti-panahy any Kočani izao: “Tsy dia nahalala loatra ny fomba fiasan’ny fandaminana izahay tamin’izany, nefa tena tianay ny fahamarinana.” Nahitsin’i Jehovah izany, tatỳ aoriana. Nanatanjaka an’ireo fiangonana sy nanampy azy ireo hahatakatra ny fahamarinana ny fisian’ny boky sy gazety maro kokoa tamin’ny teny masedonianina.
MALINA NA DIA AFAKA NANKANY AN-TANY HAFA AZA
Tsy nofehezin’i Rosia intsony i Iogoslavia, ka tsy voafehifehy loatra toy ny tany amin’ireo firenena kominista hafa ny vahoaka. I Iogoslavia no firenena kominista voalohany tsy nitaky vizà. Taloha kelin’ny 1970, dia tsy hentitra be loatra intsony ny fisavana an’ireo olona nivoaka sy niditra teo amin’ny sisin-taniny. Mora kokoa tamin’ireo rahalahintsika tany avaratr’i Iogoslavia àry ny nanatitra boky sy gazety tany amin’ireo firenena akaikin’ny Firaisana Sovietika. Mbola voarara mantsy ny asa fitoriana tany amin’ireny tany ireny.
Avy tany Alemaina ireo boky sy gazety no nentina kamiao nankatỳ. Tsaroan’i Ðuro Landić fa tao an-tranon’izy ireo no natoby ny boky, mandra-paharavan’ny Firaisana Sovietika. Hoy i Ðuro, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Kroasia izao: “Nisy toerana azo nanafenana entana tao amin’ny fanambanin’ny fiaranay sy tao ambadik’ilay tabilao eo anoloan’ny familiana. Mety ho nalain’ny polisy ny fiaranay raha tratra izahay, na mety ho nogadraina mihitsy izahay. Tsy very maina anefa ny ezaka nataonay, satria faly erỳ ny rahalahintsika rehefa nahazo boky sy gazety!”
Hoy ny Anabavy Milosija Simić, izay nanatitra boky avy any Serbia nankany Romania: “Tsy fantatro hoe iza no hanaterana an’ireo boky, satria adiresy fotsiny no nomena ahy. Niala bisy aho, indray mandeha, ary nankany amin’ilay trano tokony halehako, nefa tsy nisy olona tao. Nivezivezy teo amin’ny manodidina teo aho, ary lalan-kafa indray no narahiko mba hiverenana ao amin’ilay trano. Mbola tsy nisy olona ihany anefa tao. Niverina teo impolo angamba aho sady nitandrina mba tsy hisy hahamarika, nefa tsy nahita olona mihitsy. Soa ihany satria hay diso ilay adiresy!
“Tsy haiko anefa hoe hataoko ahoana ireo boky. Efa tena asa be mantsy ny nandika azy ireo, ka tsy afaka ny hanary azy ireo fotsiny aho. Nanapa-kevitra àry aho fa hoentiko miverina any Serbia ireo boky. Efa nanana tapakila hodiana aho, kanefa mbola nila tapakila hafa mba handehanako bisy mankany amin’ilay toerana fakana bisy hodiana. Tsy nanam-bola intsony anefa aho. Voafetra mantsy ny vola azoko nentina tao Romania, ka izay anadahy mandray an’ireo boky no tokony hanome ahy vola hividianana an’ilay tapakila. Nanatona an’ilay toerana fividianana tapakila ihany anefa aho sady nivavaka mba ho vehivavy no hitako ao, satria ireo akanjo namonosako boky no noeritreretiko hatakalo tapakila. Vao tonga teo aho, dia iny fa nisy vehivavy nandimby ilay lehilahy mpivarotra tapakila. Noresahiko àry ilay vehivavy ka nanaiky. Nahazo tapakila ihany aho!”
Taoriana kelin’ny 1980, dia nadikan’ireo rahalahy tamin’ny teny albaney sy masedonianina ireo boky sy gazety. Nadika tanana izany, ary avy eo nalefa tany amin’ilay sampana kely tao Belgrade. Nadikan’i Milosija tamin’ny milina fanoratana izy ireny, ary nahavita pejy valo isaky ny nanao izy. Tsy mora ilay asa, satria sarotra ny namaky an’ilay sora-tanana sady tsy dia hainy ilay fiteny.
RAHALAHY TANORA TSY NIVADIKA
Na dia afaka nanaraka izay fivavahana tiany aza ny olona, dia nihevitra ny fitondrana fa mampisara-bazana an’i Iogoslavia ny Vavolombelona, satria tsy nety nanao miaramila. Nenjehina àry ireo rahalahy. Nandritra ny Ady Lehibe II, dia maro no tsy nivadika na dia namoy ny ainy aza. Tsy nanana finoana matanjaka toy izany anefa ny rahalahy sasany, nandritra ireo 30 taona nanaraka. Nivory sy nitory izy ireo, kanefa nahita fialan-tsiny hanaovana miaramila rehefa voantso.
Nety ho voasazy higadra hatramin’ny folo taona izay rahalahy tanora tsy nanaiky hanao miaramila. Nety ho nigadra imbetsaka mihitsy aza izy ireo alohan’ny faha-30 taonany. Vaovao tamin’ny fahamarinana ny sasany, nefa tsy nanaiky lembenana. Manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana izao ny maro amin’izy ireo.
FIVORIAMBE IRAISAM-PIRENENA NAMPIHETSI-PO
Mbola tsy nisy fivoriambe iraisam-pirenena mihitsy teto taloha. Faly be àry ireo rahalahy rehefa nilaza ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1991 fa hatao ao Zagreb, any Kroasia, ny iray amin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Ireo Tia Fahafahana.”
Nananontanona anefa ny ady tamin’izay, satria nitaky ny fahaleovan-tenany i Kroasia. Fahendrena àry ve ny hanaovana an’ilay fivoriambe? Sarobidy mantsy ny ain’ireo solontena hanatrika azy io. Tapa-kevitra ny hanomana an’ilay fivoriambe ihany anefa ireo rahalahy, rehefa avy nandinika tsara sy nivavaka mafy.
Mba hanampiana tamin’ny fandaminana an’ilay fivoriambe izay hatao ao amin’ny Kianjan’i Dinamo, dia tonga herinandro vitsivitsy mialoha tany Kroasia i Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Koa satria nofoanana izay lanonana sy fivoriana lehibe rehetra tao Zagreb, dia nahaliana ny olona ny zava-nitranga tao amin’ilay kianja. Efa nanakaiky ny fotoana hanaovana ilay fivoriambe, nefa mbola tsy nilamina ihany ny toe-draharaha politika. Nanontany tena foana àry ireo rahalahy isan’andro hoe: ‘Tokony hotohizina ve ny fanomanana sa tokony hofoanana ilay fivoriambe?’ Tsy nitsahatra nangataka ny tari-dalan’i Jehovah izy ireo. Nahavariana fa nihatony ny toe-draharaha, ka natao ihany ilay fivoriambe ny 16 ka hatramin’ny 18 Aogositra 1991.
Mifanohitra be ny zava-nitranga tamin’izany. Niomana hiady ireo firenena manodidina, fa ny Vavolombelon’i Jehovah kosa nandray an’ireo vahiny an’arivony tonga hanatrika an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Ireo Tia ny Fahafahana avy Amin’Andriamanitra.”b Ny olona nandositra niala tao amin’ilay tany, nefa Vavolombelona vahiny maro no tonga tao. Avy any amin’ny tany 15 izy ireo, ary niara-nivory tamin-kalalahana sy tao anatin’ny fitiavana. Maro no nandeha fiaramanidina avy any Etazonia sy Kanada ary Eoropa. Noho ny toe-draharaha teto anefa, dia nakatona ny seranam-piaramanidina tao Zagreb, ka tsy maintsy tany Ljubljana, any Slovenia, no nipetraka ny fiaramanidina. Avy tany ireo solontena no nandeha bisy nankany Zagreb. Fitoriana tsara dia tsara ho an’ny mponina ny herim-pon’izy ireo, sady tena nampahery an’ireo Vavolombelona teto. I Italia no nanana solontena be indrindra, satria nisy 3 000 teo ho eo izy ireo. Be fitiavana sy naresaka erỳ izy ireo, ka nafana ny fiarahana nandritra ilay fivoriambe!—1 Tes. 5:19.
Tena nanatanjaka finoana koa ny lahatenin’ireo rahalahy dimy avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana, dia i Carey Barber, Lloyd Barry, Milton Henschel, Theodore Jaracz, ary Lyman Swingle. Tsy nilamina ny tany, nefa mbola sahy niditra teto ireo rahalahy za-draharaha ireo mba hampaherezana ny mpiray finoana taminy. Mbola faly foana ny rahalahy maro mahatsiaro ny lahatenin’izy ireo!
Natahotra ny hisian’ny adim-poko ny manam-pahefana, rehefa nahita ireo solontena avy amin’ny faritra samihafa nanerana an’i Iogoslavia. Hitany hoe nifankatia sy nivory tamim-pilaminana anefa ireo rahalahy, ka maivamaivana erỳ izy ireo! Nihena isan’andro ny isan’ny polisy tonga niambina.
Hita tamin’iny fivoriambe nanan-tantara iny fa tena mpirahalahy tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Nanampy an’ireo rahalahy hiray saina ny fisaintsainana azy iny, rehefa nisy fitsapana tatỳ aoriana. Ny bisy nitondra an’ireo solontena serba sy masedonianina no anisan’ny farany navela handalo an’ilay toeram-pisavana mampisaraka an’i Kroasia sy Serbia. Nikatona ny sisin-tany avy eo. Maro no nilaza fa tamin’izay no nanomboka ny ady.
Nandritra ireo volana sy taona nanaraka, dia nitaky ny fahaleovan-tenany avokoa ireo repoblika anisan’i Iogoslavia teo aloha. Samy nanangana ny governemantany izy ireo. Namoizana ain’olona an’aliny izany sady niteraka fijaliana be dia be. Nanao ahoana ireo rahalahintsika nandritra izany fotoana nisafotofoto izany? Ahoana no nitahian’i Jehovah ny asa fitoriana tany amin’ireny firenena lasa nahaleo tena ireny? Andeha hojerentsika.
Tantaran’i Bosnia-Herzegovina Ankehitriny
“Nirefodrefotra teto Sarajevo ny tafondro tamin’ny 16 Mey 1992, ary voatifitra indroa ilay trano nialofanay. Nisy 13 mianadahy izahay no nisisika tao. Kroaty sy Serba ary Bosniaka izahay nefa tafaray noho ny fivavahana marina. Ireo Kroaty sy Serba ary Bosniaka tany ivelan’ilay trano kosa anefa nifamono. Tsy dia nisy tafondro nipoaka intsony rehefa nadiva haraina ny andro, ka niala tao amin’ilay trano izahay mba hitady toerana azo antoka kokoa. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah izahay toy ny nataonay ny alin’iny, ary nihaino anay izy.”—Halim Curi.
Natao fahirano tamin’izay i Sarajevo renivohitra, izay nisy mponina 400 000 mahery. Izany no anisan’ny fahirano naharitra ela sy nampahory indrindra tamin’ny andro ankehitriny. Nanao ahoana ireo rahalahy sy anabavintsika, nandritra ilay adim-poko sy ady nifanaovan’ny fivavahana? Alohan’ny hamaliana izany, dia hojerentsika aloha ny momba an’i Bosnia-Herzegovina.
Eo afovoan’i Kroasia sy Serbia ary Monténégro no misy an’i Bosnia-Herzegovina. Mihazona ny fomba nentim-paharazana ny mponina eto, sady tsy misara-mianakavy. Tia mandray vahiny koa izy ireo. Tian’izy ireo ny miara-misotro kafe tiorka amin’ny mpifanila trano aminy, na ny mipetrapetraka any amin’ny toeram-pisotroana kafe (kafići). Bosniaka sy Serba ary Kroaty ny mponina eto, nefa sarotra ny manavaka azy. Tsy mpivavaka be izy ireo, kanefa ny fivavahany ihany no mampizarazara azy. Silamo mantsy ny ankamaroan’ny Bosniaka, Ortodoksa kosa ny Serba, ary Katolika ny Kroaty.
Nampalahelo fa nihanahazo vahana ny fankahalana olona hafa fivavahana sy hafa foko, taoriana kelin’ny 1990. Vokatr’izany dia nisy miaramila tonga tany amin’ny tanàna kely sy lehibe ka nandroaka ny foko hafa, mba ho ny olona iray foko sy iray fivavahana aminy ihany no hipetraka ao. Fitsapana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Manaraka ny fivavahan’ny ray aman-dreniny koa ny olona atỳ, toy ny any amin’ireo tany rehetra anisan’i Iogoslavia teo aloha ihany. Ny anaram-pianakaviana no ahafantarana hoe inona ny fivavahan’ny olona iray. Rehefa lasa mpanompon’i Jehovah àry ny olona tso-po iray, dia heverin’ny olona ho mivadika amin’ny fianakaviany. Hitan’ireo rahalahy anefa fa voaro izy ireo rehefa tsy mivadika amin’i Jehovah.
FANAOVANA FAHIRANO AN’I SARAJEVO
Hitantsika teo aloha fa nihetsi-po be ireo rahalahy rehefa nahita fa mifankatia sy miray saina ny Vavolombelona, tamin’ilay fivoriambe “Ireo Tia ny Fahafahana avy Amin’Andriamanitra” (1991), tao Zagreb, atsy Kroasia. Nanome azy ireo hery hiatrehana fitsapana ilay fivoriambe. Lasa nisavorovoro mantsy ny toe-draharaha politika teto Sarajevo. Niara-niaina tamim-pilaminana ny Bosniaka sy ny Serba ary ny Kroaty, nefa tampoka teo dia voahodidina miaramila ilay tanàna. Tsy tafavoaka tao intsony àry ny mponina, anisan’izany ireo rahalahintsika. Tsy nisy nanampo anefa hoe haharitra ela ilay ady.
Hoy i Halim Curi, izay anti-panahy eto Sarajevo: “Mosarena ny vahoaka satria kelikely ihany ny lafarinina nozaraina isam-bolana, sady tsy nahazo afa-tsy siramamy zato grama sy menaka antsasa-litatra ny olona. Novolen’ny olona legioma daholo àry ny toerana malalaka. Nokapaina koa ny hazo mba hatao kitay. Rehefa tsy nisy hazo intsony, dia ny gorodona indray no natao kitay handrahoana sakafo sy hanafanana trano. Nandrehetana afo hatramin’ny kiraro tonta aza.”
Tsy tafavoaka teto Sarajevo koa i Ljiljana Ninković sy Nenad vadiny, sady tafasaraka tamin’ny zanany roa vavy. Hoy i Ljiljana: “Toy ny fianakaviana rehetra ihany izahay, satria nanan-janaka ary nanana trano sy fiara. Tampoka teo anefa dia niova ny fiainanay.”
Matetika anefa ry Ljiljana no nahatsapa fa niaro azy i Jehovah. Hoy izy: “Vao tafavoaka ny trano izahay, dia nianjeran’ny baomba ny tranonay. Indroa izany no nitranga. Niatrika zava-tsarotra izahay, kanefa niezaka ny hifaly tamin-javatra tsotra. Tianay, ohatra, ny nitsongo ravina beroberobazaha teny amin’ny zaridainam-panjakana, mba hataonay salady. Amin’izay mba tsy ho vary maina be fotsiny no nohaninay. Nianatra ho afa-po sy nankasitraka an’izay nanananay izahay.”
NAHAZO SAKAFO ARA-NOFO SY ARA-PANAHY
Anisan’ny olana lehibe ny rano. Nahalana vao nandeha ny rano tao an-trano, ka tsy maintsy nandeha an-tongotra dimy kilaometatra ny olona mba hantsaka rano. Nandalo faritra nisy miaramila miafina anefa izy ireo ka nety ho voatifitra. Nilahatra ela be koa izy ireo tany amin’ilay fantsakana, ary tsy maintsy nandeha an-tongotra indray niverina nody.
Hoy i Halim: “Nisy filazana indraindray hoe handeha vetivety ny rano ao an-trano. Nanararaotra nandro sy nanasa lamba ary nanangona rano faran’izay betsaka àry ny olona. Tena fitsapana ho anay anefa izany rehefa nifanindry tamin’ny fivorian’ny fiangonana. Tsy maintsy nanapa-kevitra izahay na handeha hivory, na hijanona tao an-trano mba hanangon-drano.”
Tena nilaina ny sakafo sy rano, kanefa tsapan’ireo rahalahy fa tena zava-dehibe koa ny sakafo ara-panahy sy ny fiarahana amin’ireo rahalahy. Nahazo sakafo ara-panahy izy ireo tany am-pivoriana, sady nandre hoe iza no nigadra na naratra na maty. Hoy ny anti-panahy iray atao hoe Milutin Pajić: “Toy ny fianakaviana iray izahay. Tsy te hody mihitsy izahay rehefa nirava ny fivoriana, fa mbola nifampiresaka ela be teo momba ny fahamarinana.”
Tsy mora ny fiainana, ary matetika no tandindomin-doza ny ain’ireo rahalahy. Ny fanompoana anefa no nataony loha laharana. Rotidrotiky ny ady i Bosnia, kanefa vao mainka nifankatia ireo rahalahy, sady niezaka hifandray kokoa amin’ilay Rainy any an-danitra. Hitan’ireo ankizy fa tsy nivadika tamin’i Jehovah ny ray aman-dreniny, ka niezaka ny tsy hivadika koa izy ireo.
Tsy nisy tafavoaka ny mponina tao Bihać, tanàna akaikin’ny sisin-tanin’i Kroasia, nandritra ny efa-taona teo ho eo, ary tsy tafiditra koa ireo nitondra fanampiana. Hoy i Osman Šaćirbegović, izay hany Vavolombelona tao: “Tamin’ny vao nanomboka ny ady no tena mafy indrindra taminay, satria zavatra mbola tsy niainanay mihitsy ilay izy. Nahagaga anefa fa nihena ny tebitebinay rehefa nanomboka ny fifampitifirana. Hitanay mantsy fa hay tsy nipoaka ny grenady sasany ka tsy nahafaty olona.”
Tsy fantatra hoe haharitra hafiriana ilay ady, ka nanao zavatra ny Betela tao Zagreb sy ny Betela tany Vienne, any Aotrisy. Nasainy natoby tany amin’ny Efitrano Fanjakana sy tany amin’ny tranon’ny Vavolombelona maromaro ny fanampiana. Anisan’izany teto Sarajevo, sy tany Zenica, Tuzla, Mostar, Travnik, ary Bihać. Raha mbola nitohy mantsy ny ady ary voahodidina fahavalo ny tanàna, dia ho sahirana be ireo rahalahy. Nitranga tokoa izany. Tsy afaka nifandray tamin’ny any ivelany, ny tanàna maro teto Bosnia. Nifanampy sy niray saina foana anefa ny Vavolombelona, fa tsy mba nifankahala toa an’ireo foko sy fivavahana teto.
BE ZOTOM-PO NEFA KOA MALINA
Sahirana ny olona vao nahita izay nilainy isan’andro. Mbola nanampy trotraka koa ny tahotra sao ho voatifitr’ireo tafondro nirefotra tsy an-kijanona, na ho voatifitr’ireo miaramila niafina izay tsy nifidy hasiana. Nampidi-doza koa indraindray ny nivezivezy tao an-tanàna. Natahotra foana àry ny olona. Tsy nitsahatra nitory ny vaovao tsara anefa ireo rahalahy satria tena nila fampaherezana ny olona. Be herim-po izy ireo kanefa malina foana.
Hoy ny anti-panahy iray: “Nihamafy ny fanafihana an’i Sarajevo indray asabotsy izay, ka nisy balan-tafondro an’arivony nipoaka tontolo andro. Na izany aza, dia nitelefaonina an’ireo anti-panahy ny mpitory tamin’io maraina io, ka nanontany hoe: ‘Aiza no hatao ny fivoriana alohan’ny fanompoana?’ ”
Hoy koa ny anabavy iray: “Hitako fa tena nila ny fahamarinana ny olona. Tena nanampy ahy hiaritra sy hahita fifaliana ny fisaintsainana izany, na dia niatrika zava-tsarotra aza izahay.”
Tsapan’ny olona maro fa nila nianatra Baiboly izy ireo mba hananana fanantenana. Hoy ny rahalahy iray: “Ny olona indray no nitady anay, ka tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana mba hangataka hampianarina Baiboly.”
Nisy vokany tsara ny fitorian’ireo rahalahy nandritra ny ady, satria hitan’ny olona fa niray saina izy ireo. Hoy ny Anabavy Nada Bešker, izay mpisava lalana manokana nandritra ny taona maro: “Fitoriana tsara ho an’ny olona ny nahita anadahy bosniaka sy serba niara-nitory, sy ny nahita rahavavy kroaty sy rahavavy silamo taloha niara-nampianatra Serba. Hitan’izy ireo àry fa tena hafa mihitsy ny Vavolombelona.”
Olona maro no nanaiky ny fahamarinana nandritra ny ady, ary mbola manompo an’i Jehovah hatramin’izao. Nitombo avo roa heny, ohatra, ny mpivory tao amin’ilay fiangonana tao Banja Luka, na dia nifindra fiangonana aza ny mpitory zato tao.
FIANAKAVIANA IRAY TSY NIVADIKA
Malina be foana ireo rahalahy, kanefa nisy ihany “azon-tsampona” satria sendra teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza. (Mpito. 9:11) Natao batisa tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tao Zagreb tamin’ny 1991, ny rahalahy serba atao hoe Božo Ðorem. Rehefa nody teto Sarajevo izy, dia nigadra imbetsaka sy nampijalijalina satria tsy nety nanao miaramila. Nigadra herintaona sy roa volana izy tamin’ny 1994, ka mafy be taminy ny hoe tafasaraka tamin’i Hena vadiny sy Magdalena zanak’izy ireo dimy taona.
Nitranga ny loza, taoriana kelin’ny nanafahana an’i Božo tany am-ponja. Andeha hampianatra Baiboly teo akaikin’ny tranony izy telo mianaka indray tolakandro. Tampoka teo anefa dia nisy tafondro nipoaka. Maty teo no ho eo i Hena sy Magdalena, fa i Božo kosa maty tany amin’ny hopitaly tsy ela taorian’izay.
TSY NETY NANAO MIARAMILA
Voasedra mafy ireo rahalahy tsy nety nanao miaramila. Be rahalahy tanora teo anivon’ny Fiangonana Banja Luka, ka tian’ny miaramila hampiasaina. Nokapohina àry izy ireo rehefa tsy nanaiky.
Hoy i Osman Šaćirbegović: “Matetika izahay no nalaina am-bavany. Nolazain’ny polisy fa kanosa izahay satria tsy mety miaro ny fianakavianay, hono.”
Nampisaintsaina azy ireo toy izao àry i Osman: “Inona no ilanareo basy? Tsy hiarovanareo ny tenanareo ve?”
“Izany mihitsy”, hoy ireo polisy.
“Raha azonareo atakalo tafondro ny basinareo mba hahazoanareo fiarovana tsara kokoa, hatakalonareo ve?”
“Ie!”
“Ary raha azonareo atakalo tanky ilay tafondro?”
“Hatakalonay ka!”
“Matoa ianareo manao an’izany, dia satria te ho voaro kokoa”, hoy i Osman. “I Jehovah, ilay Andriamanitra mahery indrindra sady Mpamorona izao rehetra izao anefa, no mpiaro ahy. Misy afaka miaro ahy kokoa noho izy ve?” Azon’ireo polisy ny tiany holazaina ka tsy nohelingelenin’izy ireo intsony izy.
TONGA NY FANAMPIANA
Fantatry ny Vavolombelona teo amin’ireo firenena manodidina fa nijaly ny rahalahiny teto Bosnia, kanefa tsy afa-nanoatra izy ireo. Tamin’ny Oktobra 1993 vao nilaza ny manam-pahefana teto, fa azo atao ny mampiditra fanampiana eto saingy mety hampidi-doza izany. Nanararaotra izany àry ireo rahalahy tany Vienne, any Aotrisy, ka nitondra kamiao dimy feno sakafo sy kitay 16 taonina, tamin’ny 26 Oktobra. Tsy maintsy nandalo faritra maro mbola nisy ady anefa izy ireo.c
Hoy ny mpamily iray momba ny zava-nitranga teny an-dalana: “Tara fiaingana aho indray maraina, ka lasa tao aorian’ny kamiao maromaro izay nitondra fanampiana koa. Rehefa akaiky ho tonga teo amin’ny toeram-pisavana iray aho, dia hitako fa nijanona daholo ny kamiao rehetra satria nosavana taratasy. Tampoka teo dia nandre poa-basy aho. Voatifitry ny miaramila miafina ny mpamily iray tsy Vavolombelona.”
Ny mpamily sy ny kamiaony ihany no navela hiditra teto Sarajevo. Niandry tany ivelan’ny tanàna àry ny rahalahy hafa. Te hampahery an’ireo mpitory teto Sarajevo anefa izy ireo ka nitady telefaonina. Nantsoiny an-telefaonina àry ireo mpitory teto, ary nanao lahateny tena mampahery izy ireo nandritra ilay antso. Imbetsaka koa no nisy mpiandraikitra mpitety faritany sy Betelita ary rahalahy anisan’ny Komitin’ny Tany, nanao vivery ny ainy mba hitondra fanampiana ara-nofo sy ara-panahy.
Tsy nisy tafiditra tao Bihać mihitsy ny fanampiana nalefa ho an’ireo rahalahy, nandritra ny efa-taona teo ho eo. Afaka nahazo sakafo ara-panahy ihany anefa izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana? Afaka nampiasa telefaonina sy fax izy ireo, ka nahazo Tilikambo sy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tsy tapaka. Nadika tamin’ny milina fanoratana ireny avy eo, ary nomena iray avy ny fianakaviana tsirairay. Rehefa nanomboka ny ady, dia telo monja ny mpitory vita batisa tao Bihać. Nisy mpitory tsy vita batisa 12 koa tao, izay efa nanokan-tena ho an’i Jehovah kanefa voatery niandry roa taona vao natao batisa.
Mafy tamin’ireo rahalahy izany hoe tsy afaka nifanerasera tamin’ny mpiara-manompo avy any ivelany izany. Hoy i Osman: “Mbola tsy nahita fivoriambe na fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra mihitsy ireo olona nampianariko Baiboly. Matetika izahay no nifampiresaka hoe mbola hifankahita amin’ireo rahalahy avy any ivelany izahay, indray andro any.”
Alao sary an-tsaina àry ny hafalian’ireo rahalahy tao Bihać tamin’ny 11 Aogositra 1995, rehefa tonga tao ny fiara roa nisy soratra hoe “Fanampiana avy Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Ireo no fiara voalohany nitondra fanampiana, nandritra ilay fahirano. Tsara fahatongavana izy ireo, satria efa kely sisa dia ho rera-batana sy rera-tsaina tanteraka ireo rahalahy tao Bihać.
Hitan’ny mpiara-monina fa nifanampy ny Vavolombelona. Nisy tamin’izy ireo, ohatra, nanamboatra ny varavarankely simba tamin’ny tranon’ireo rahalahy. Hoy i Osman: “Gaga ny mpiara-monina taminay nahita izany, satria fantany fa tsy nanam-bola izahay. Fitoriana tsara izany, ary mbola resahin’ny olona foana hatramin’izao.” Misy fiangonana iray izao ao Bihać, ary misy mpitory 34 sy mpisava lalana 5 be zotom-po.
FIVORIAMBE TSY HAY HADINOINA!
Imbetsaka no nisy rahalahy nanao vivery ny ainy mba hanatitra sakafo sy boky aman-gazety teto Bosnia. Tena niavaka anefa ilay dia tamin’ny 7 Jona 1994. Kamiao telo no niainga vao maraina tao Zagreb tamin’io andro io. Nisy rahalahy anisan’ny Komitin’ny Tany sy mpiasa hafa koa nandeha tamin’ireo kamiao. Nitondra fanampiana izy ireo, ary hanao fivoriambe manokana nohafohezina. Efa telo taona talohan’izay no nisy fivoriambe farany teto.
Natao tao Tuzla ny fivoriambe iray. Nisy 20 teo ho eo monja ny mpitory vita batisa tao, rehefa nanomboka ny ady. Nahavariana anefa fa 200 mahery no nanatrika an’ilay fivoriambe, ary 30 no natao batisa! Misy fiangonana telo izao ao Tuzla, ary 300 mahery ny mpitory.
Natao tao Zenica koa ilay fivoriambe. Nahita toerana tsara hanaovana azy io ireo rahalahy, saingy tsy nahita dobo hanaovana batisa. Nikaroka foana izy ireo, ka barìka no hitany tamin’ny farany. Maimbo be anefa ilay izy satria fitehirizan-trondro! Tsy nahakivy an’ireo hatao batisa anefa ilay fofon-trondro, satria nanaiky ho lasa “mpanarato olona” izy ireo, araka ny fanasan’i Jesosy. (Mat. 4:19) I Herbert Frenzel no nanao ny lahatenin’ny batisa. Hoy i Herbert, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Kroasia izao: “Efa niandry ela loatra ireo hatao batisa ka tsy nisy nahasakana azy intsony! Nahatsiaro hoe nandresy izy ireo rehefa vita ny batisany.” Misy fiangonana iray izao ao Zenica, ary misy mpitory 68 be zotom-po.
Toerana tsy lavitra ny sampanan-dalana iray kosa no hany azo nanaovana an’ilay fivoriambe teto Sarajevo. Nety ho voatifitry ny miaramila miafina ny olona nandalo teo amin’io sampanana io, kanefa tonga soa aman-tsara teo amin’ilay toerana ihany ny mpanatrika. Saika tsy nahita toerana hanaovana batisa koa anefa ireo rahalahy. Rehefa nahita indray izy ireo, dia tsy maintsy notsitsina ny rano mba ho ampy ho an’izay rehetra hatao batisa. Nalahatra araka ny habeny àry ireo hatao batisa, ka natomboka tamin’ny kely indrindra!
Tena nahafinaritra iny andro iny! Dibo-kafaliana ireo rahalahy satria afaka niara-nivory, na teo aza ny ady. Misy fiangonana telo mandroso tsara izao eto Sarajevo.
TAORIAN’NY ADY
Tsy sahirana be loatra intsony ireo rahalahy rehefa nisokatra ny sisin-tany, satria tafiditra teto ny sakafo sy ny entana avy any ivelany. Mbola nitohy anefa ny fandroahana ny foko sasany. Anisan’ireo noroahina i Ivica Arabadžić, izay nipetraka tao Banja Luka, eto Bosnia. Hoy i Ivica, izay anti-panahy atsy Kroasia izao: “Tonga tao an-tranonay, tany Bosnia, ny lehilahy iray nitondra basy, ary nilaza fa manomboka izao dia azy ilay tranonay. Serba mantsy, hono, izy, ka noterena hiala tao amin’ny tranony teto Kroasia. Anjaranay indray, hono, izao ny miala ny tranonay. Soa ihany fa nisalovana ny polisy iray nampianariko Baiboly, ka na tsy afaka nijanona tao amin’ny tranonay aza izahay, dia afaka nanakalo an’ilay trano tamin’ny tranon’ilay Serba, teto Sibenik, eto Kroasia. Mafy taminay ny nandao ny tranonay sy ilay fiangonana nanampy anay hahalala ny fahamarinana, nefa tsy nanan-tsafidy izahay. Vitsy kely ny entana nentinay rehefa nankatỳ Sibenik izahay mba hifindra tao amin’ilay tranonay ‘vaovao.’ Rehefa tonga anefa izahay, dia efa nisy nipetraka ilay trano. Ho aiza àry izahay? Nandray anay avy hatrany ireo rahalahy, ary navelan’ny anti-panahy iray hipetraka tao aminy izahay nandritra ny herintaona, mandra-pahitanay trano.”
Mbola tsy milamina ny toe-draharaha politika eto Bosnia-Herzegovina hatramin’izao, ary efa ho ny 40 isan-jaton’ny mponina no mitonona ho Silamo. Mandroso tsara anefa ny asan’ilay Fanjakana. Nanorina Efitrano Fanjakana vaovao ireo rahalahy, taorian’ny ady. Miavaka anefa ilay efitrano ao Banja Luka. Efa an-taonany maro ireo rahalahy no nangataka alalana hanorina azy io. Tsy nahazo mihitsy anefa izy ireo na dia efa nekena ho ara-dalàna aza ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Bosnia, taorian’ny ady. Matanjaka be mantsy ny Eglizy Ortodoksa ao Banja Luka. Tsy nitsahatra nivavaka sy niady mafy tany amin’ny fitsarana anefa ireo rahalahy, ka nahazo ny taratasy nilaina ihany tamin’ny farany. Azo ampiasaina iny fandresena ara-pitsarana iny, rehefa hanorina Efitrano Fanjakana indray ireo rahalahy any amin’iny faritra iny.
Malalaka ny asa fitoriana izao, ka azo natao ny nandefa mpisava lalana manokana 32 tany amin’ny faritra nilana mpitory bebe kokoa. Avy any an-tany hafa ny ankamaroany. Tena fitahiana tokoa ny fahatongavan’izy ireo, satria be zotom-po izy ireo sady manaraka akaiky ny fomba fiasan’ny fandaminana.
Mbola nandrenesana poa-basy teto Sarajevo, taona vitsivitsy lasa izay. Azo anaovana fivoriamben’ny vondrom-paritra amim-pilaminana anefa eto izao, ary atrehin’ny solontena avy amin’ny firenena rehetra anisan’i Iogoslavia teo aloha izany. Rotidrotiky ny ady ity tany kanto be tendrombohitra ity, taloha. Ny vahoakan’i Jehovah kosa anefa vao mainka nifandray kokoa, noho izy ireo naneho “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy.” (1 Pet. 1:22) Misy fiangonana 16 izao eto Bosnia-Herzegovina, ary mpitory 1 163 miara-midera an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra.
Tantaran’i Kroasia Ankehitriny
Nikatona tampoka ny sisin-tany mampisaraka an’i Kroasia sy Serbia, taorian’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tao Zagreb tamin’ny 1991. Nopotehin’ny miaramila na nasiany sakana ny tetezana sy ny lalana lehibe sasany, ka tsy afaka nody ny solontena maro avy any amin’ny faritra atsinanan’i Kroasia. Nampiantrano azy ireo àry ny Vavolombelona be fitiavana tany amin’ny faritra hafa teto Kroasia, na dia mahantra aza.
Rehefa nisy zera baomba teto Zagreb, dia naneno ny fanairana na andro na alina. Nihazakazaka nitady fialofana ny olona, ary ny sasany nijanona tao amin’izay toerana nialofany, nandritra ny herinandro na volana maromaro mihitsy aza. Anisan’ny nofidin’ny manam-pahefana ho toeram-pialofana ny lakalin’ny Betela. Nanararaotra nitory tamin’ireo olona sendra nialokaloka tao ireo rahalahy. Naneno, ohatra, ny fanairana, indray andro, ka nihazakazaka namonjy an’ilay lakaly ny olona nitaingina bisin-dalamby. Nitaintaina niandry teo ny rehetra, ka nanontanian’ny anti-panahy betelita iray izy ireo, raha tiany ny hijery ny fampisehoana an-tsary an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena natao teto Zagreb, volana vitsivitsy talohan’izay. Nanaiky ny rehetra, ary nankasitraka an’ilay fampisehoana izy ireo.
Sarotra ny nandeha nivory noho ilay ady, ary nampalahelo fa potiky ny bala sy ny grenady ny Efitrano Fanjakana sasany. Vao mainka nankamamy ny sakafo ara-panahy anefa ireo rahalahy, ka ‘tsy nahafoy ny fiaraha-mivory.’ (Heb. 10:25) Nandefasan’ny fahavalo grenady tsy an-kiato, ohatra, ny tanànan’i Sibenik, nandritra ny enim-bolana, ka tsy afa-nivory tao amin’ny Efitrano Fanjakana ireo rahalahy. Hoy ny anti-panahy iray: “Tany ivelan’ny tanàna ny tranonay, ka tao izahay no nanao Fianarana Boky sy Fianarana Tilikambo. Tsy nitsahatra nitory koa izahay, na teto an-tanàna izany na teny amin’ireo tanàna manodidina. Fantatry ny olona rehetra fa Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary fantany tsara fa hafa mihitsy ny Vavolombelona.”
TENA NIFANKATIA IREO RAHALAHY
Lasa tsy nanan-trano ny rahalahy maro ka nialokaloka tany amin’ny Vavolombelona hafa. Vonon-kanampy koa ny fiangonana. Tonga nialokaloka tao amin’ny Efitrano Fanjakana tao Osijek, eto Kroasia, ohatra, ny fianakaviana iray nitsoaka avy tany Tuzla, atsy Bosnia, ary noraisina tsara izy ireo. Faly ireo rahalahy fa hay Vavolombelona ilay renim-pianakaviana!
Navelan’ny manam-pahefana hipetraka tao amin’ny trano iray ilay fianakaviana, saingy trano efa simba sy efa antitra ilay izy. Nanampy an’ilay fianakaviana àry ireo rahalahy, ka nisy nitondra fatana, nisy nanome varavarankely, ary nisy nanome varavarana sy fandriana. Ny sasany kosa nitondra fitaovana fanorenana, ary ny hafa nanome sakafo sy kitay. Vita ny efitra iray ny ampitso ka azo nipetrahana. Mbola nila nomanina ho amin’ny ririnina anefa ilay trano. Nataon’ny fiangonana lisitra àry izay zavatra mbola nilaina, ka nanome izay azony nomeny ireo mpitory. Nahantra izy ireo, nefa nanome an’izay rehetra nilaina, hatramin’ny sotro ka hatramin’ny tafo.
Mbola nitohy ny ady, ka vetivety dia lany ny sakafo. Niezaka mafy àry ny sampana teto mba hanomezana izay nilain’ireo rahalahy, na ara-nofo izany na ara-panahy. Niara-niasa tamin’ny Filan-kevi-pitantanana ny sampana ka nandamina fanangonana sakafo, akanjo, kiraro, ary fanafody. Ny rahalahy teto an-toerana ihany no nanome an’izany tamin’ny voalohany, nefa tsy nahavita firy izy ireo satria sahirana. Tatỳ aoriana, dia rahalahy tany Alemaina, Aotrisy, Italia, ary Soisa no nanome akanjo sy fanafody ary boky sy gazety, ka nalefany kamiao izany. Nirotsaka an-tsitrapo ho mpamily ireo rahalahy be fiahiana, na dia nampidi-doza aza ny dia. Tonga andro aman’alina ny kamiao, ary natoby teto Zagreb ny fanampiana rehetra, vao nalefa tany amin’ny fiangonana.
Nahazo fanampiana ireo rahalahy teto Kroasia, ka te hanampy an’ireo rahalahiny tatsy Bosnia koa. Nandefa sakafo sy kitay 16 taonina tamin’ny kamiao àry izy ireo. Nampidi-doza izany, satria nilaza ny olona fa nisy andia-miaramila nanafika an-tsokosoko, ka raha sendra azy dia alainy ny entana ary vonoiny ny mpamily.
Nitantara toy izao ny rahalahy iray: “Namakivaky ala sy nandalo toeram-pisavana maromaro izahay, rehefa ho any Travnik, atsy Bosnia, ary nandalo toeram-piadiana koa indraindray. Tonga soa aman-tsara ihany anefa izahay. Ren’ny miaramila iray ny fahatongavanay, ka nihazakazaka nankany amin’ilay trano nivorian’ireo rahalahy izy, ary niantsoantso hoe: ‘Tonga ao ny namanareo, sady mitondra kamiao ry zareo.’ Hafaliana ny an’ireo rahalahy! Nitatitra sakafo nankao amin’ilay trano izahay, ary niresaka kely tamin’ireo rahalahy. Tsy nijanona ela tao anefa izahay satria mbola hankany amin’ny tanàna hafa.”
Nanoratra tatỳ amin’ny Betela ny rahalahy maro, mba hilaza ny fankasitrahany. Nanoratra toy izao ny fiangonana iray: “Misaotra be dia be noho ny asa mafy ataonareo, mba hahazoanay sakafo ara-panahy tsy tapaka. Misaotra koa noho ireo fanampiana nalefanareo, izay tena ilainay tokoa. Misaotra anareo eram-po eran-tsaina izahay noho ny fitiavanareo sy ny ezaka mafy ataonareo.”
Izao no voalaza tao amin’ny taratasy iray hafa: “Anisan’ny mpitsoa-ponenana ny rahalahy vitsivitsy, ary misy koa tsy manana fidiram-bola. Nanganohano ny ranomason’izy ireo rehefa nahita an’ireo fanampiana be dia be azony. Tena nampihetsi-po sy nampahery azy ireo ny nahita fa be fitiavana sy malala-tanana ary tsy tia tena ireo rahalahiny.”
Nisy ezaka manokana natao mba hahazoan’ireo rahalahy sakafo ara-panahy tsy tapaka. Tena nanampy azy ireo koa anefa ny fanahin’i Jehovah, ka nahatonga azy hiaritra an’ireny fotoan-tsarotra ireny sy hanana finoana matanjaka.—Jak. 1:2-4.
NANAMPY OLONA NY FITORIANA
Nitondra fanampiana betsaka ireo fikambanana mpanao asa soa, kanefa ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah no tena nitondra soa maharitra. Tsy nipetrapetraka niandry izay hifaranan’ny ady izy ireo, fa niezaka nitory ny vaovao tsara foana.
Potika be ny tanànan’i Vukovar, any akaikin’ny sisin-tanin’i Serbia, ka voatery nandositra ny ankamaroan’ny mponina, anisan’izany ny Vavolombelona. Nijanona tao ihany anefa ny anabavy iray atao hoe Marija. Tsy afaka nifandray taminy ireo rahalahy, nandritra ny efa-taona. Nazoto nitory tamin’ireo olona vitsivitsy tafajanona tao anefa izy, ka tena nahita vokatra! Gaga ireo rahalahy fa nisy 20 ny olona avy any Vukovar tonga nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra, tamin’ny 1996!
Mampiova olona koa ny vaovao tsara. Anisan’ny andia-miaramila manokana tao amin’ny tafik’i Kroasia ny tovolahy iray rehefa nanomboka ny ady, ary vetivety dia nisondrotra grady. Niandry lamasinina izy indray andro, tamin’ny 1994, ary nomen’ny mpitory an’ilay taratasy mivalona hoe Iza Marina no Manapaka Ity Tontolo Ity? Novakiny ilay izy, ary hitany tao fa hay i Satana no tompon’andraikitra amin’ny habibiana atao amin’ny olona, fa tsy i Jehovah Andriamanitra. Tena nanohina ny fony izany. Nisy namono mantsy ny zandriny vavy 19 taona sy ny havany roa nandritra ny ady, ka nanao miaramila izy mba hanaovany valifaty. Efa niomana ho any amin’ilay tanàna nisy an’ireo namono mihitsy izy, kanefa nampieritreritra azy ny voalazan’ilay taratasy mivalona. Nianatra Baiboly àry izy, ary natao batisa tamin’ny 1997, rehefa avy niezaka nandritra ny taona maro mba hiova. Nankany amin’ilay tanàna nisy an’ireo namono ny havany ihany izy, tamin’ny farany. Tsy hamaly faty anefa no anton-diany, fa hitory ny vaovao tsara amin’ireo olona mila mianatra momba ny famindram-pon’Andriamanitra.
Na dia nangotraka aza ny ady, dia be zotom-po foana ireo mpitory teto Kroasia, ka nisy fitomboana nampahery. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny ady tamin’ny 1991 ka hatramin’ny faran’ny ady tamin’ny 1995, dia nitombo 132 isan-jato ny isan’ny mpisava lalana, nitombo 63 isan-jato ny isan’ny fampianarana Baiboly, ary nitombo 35 isan-jato ny isan’ny mpitory. Notahin’i Jehovah tokoa ny ezaka nataon’ireo rahalahy, izay sahy nitory ny Teniny.
VAVOLOMBELONA NAHAFOY TENA
I Daniel sy Helen Nizan, avy any Kanada, no misioneran’i Gileada tonga voalohany teto Kroasia, taloha kelin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tao Zagreb tamin’ny 1991. Nisy mpivady maromaro avy any amin’ny firenena eoropeanina hafa koa nasaina hanompo teto, satria nahay teny iogoslavy izy ireo.
Anisan’izany i Heinz sy Elke Polach, mpivady avy any Aotrisy. Mpisava lalana manokana tany Danemark izy ireo, ary olona miteny iogoslavy no nitorian’izy ireo tany. Vao nanomboka kely ny ady tamin’izy ireo tonga teto tamin’ny 1991. Nasaina nanao ny asan’ny faritra izy ireo, ka ny Morontsirak’i Dalmatia sy ny faritra sasany tatsy Bosnia no notsidihiny tamin’ny voalohany. Nisy ady daholo anefa ireo faritra ireo. Hoy i Heinz: “Sarotra be ny nitsidika an’i Bosnia nandritra ny ady, ka tsy afaka nitondra ny fiaranay izahay. Tsy maintsy nandeha bisy àry izahay, nefa tsy azo nantenaina firy izy ireny. Tsy afaka nitondra afa-tsy valizy vitsivitsy sy milina fanoratana izahay.
“Tsy maintsy nitady hevitra izahay teny an-dalana. Niainga tao Tuzla ho any Zenica izahay, indray mandeha, nefa nosakanan’ny miaramila ny bisy nandehananay. Nilaza izy ireo fa tsy maintsy midina ny mpandeha rehetra, satria hahita loza izahay raha manohy an’ilay dia. Fantatray anefa fa niandry anay ireo rahalahy tany Zenica, ka nitady fiara hafa izahay. Farany, dia nanaiky hitondra anay ny iray tamin’ireo kamiao maromaro mpitondra gazy, izay nanana taratasy ara-dalàna. Nitory tamin’ilay mpamily izahay teny an-dalana, ary nihaino tsara izy.
“Voatery nijanona anefa izahay teny an-dalana, satria nisy miaramila nifanafika. Nivily lalana izahay, nefa ratsy ilay lalana narahinay sady feno lanezy. Tsy maintsy nijanona matetika koa izahay mba hanampy an’ireo kamiao tafahitsoka tao anaty lanezy. Nisy nitifitra koa izahay rehefa nandalo toerana iray, ka voatery nandositra. Tonga tao Vareš izahay ny alin’iny, ary tsy maintsy natory tao. Mbola nisy 50 kilaometatra avy teo anefa i Zenica.
“Natory nivalampatra teo amin’ny seza teo aloha ilay mpamily, fa izahay mivady kosa niara-nitakoko tao aoriana mba hampahafana anay. Toa tsy nety haraina mihitsy ny andro tamin’izay! Rehefa tonga tany Zenica anefa izahay ny ampitso, dia hadinonay daholo ny fahorianay! Faly be mantsy ireo rahalahy nahita anay. Tsy nisy jiro sy rano ny tranony, nefa nanao izay azony natao izy ireo mba handraisana anay. Mahantra izy ireo nefa manankarena ara-panahy, sady tena tia fahamarinana.”
Efa ho 50 ireo mpisava lalana manokana voatendry hanketo Kroasia, taorian’ny ady. Avy any Alemaina, Aotrisy, Italia izy ireo, ary koa avy any an-tany hafa. Nandefa misionera hafa koa ny fandaminana tatỳ aoriana. Tena nanampy ireny mpanompo manontolo andro be zotom-po ireny, na teny amin’ny fanompoana izany na teo anivon’ny fiangonana.
“TSY NAMPOIZIKO HOE MBOLA HAHITA NY FIVOAHAN’ITY BAIBOLY ITY AHO!”
Rahalahy tany ivelan’ny Betela no nandika ny Tilikambo amin’ny teny kroaty talohan’ny 1990, ary avy tamin’ny teny alemà no nandikana azy. Nivoaka isam-bolana izy io tamin’izany. Tamin’ny 1991 vao nisy ekipana mpandika teny teto amin’ny Betela. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana koa tatỳ aoriana ny handikana Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Baiboly kroaty efa tranainy be mantsy no nampiasain’ireo rahalahy, satria efa 150 taona talohan’izay izy io no natonta, ka betsaka teny tsy dia fantatry ny olona intsony. Natomboka àry ny fandikana an’ilay Baiboly. Niara-niasa akaiky tamin’ireo mpandika teny kroaty ny ekipa serba sy masedonianina, ka nandray soa tamin’izany ny rehetra. Nanampy an’ireo mpandika Baiboly tamin’ny teny serba sy masedonianina ilay fandikan-teny vaovao.
Tsy hay hadinoina mihitsy ny zoma 23 Jolay 1999 ho an’ireo Vavolombelona nanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra” teto Kroasia, sy tatsy Bosnia-Herzegovina, Monténégro, Serbia ary Macédoine. Tamin’io andro io mantsy no navoaka tamin’ireo fivoriambe ireo Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny kroaty sy serba. Nambara koa fa nandroso tsara ny fandikana an’io Baiboly io amin’ny teny masedonianina. Nirefodrefotra nandritra ny minitra vitsivitsy ny tehaka, ka tsy maintsy niato kely ny mpandahateny. Dibo-kafaliana ny mpanatrika, ary maro no latsa-dranomaso. Hoy ny anti-panahy zokiolona iray: “Tsy nampoiziko hoe mbola hahita ny fivoahan’ity Baiboly ity aho!” Tamin’ny 2006 no nivoaka ny Baiboly manontolo amin’ireo fiteny telo ireo.
Talohan’ny 1996, dia Komitin’ny Tany no niandraikitra ny asa teto Kroasia sy tatsy Bosnia-Herzegovina, ka teo ambany fitarihan’ny sampan’i Aotrisy izy io. Tamin’ny 1996 no nanomboka nisy Komitin’ny Sampana teto. Rahalahy efatra no ao anatin’io komity io, ary mitahy ny asan’izy ireo i Jehovah.
TRANON’NY SAMPANA SY EFITRANO FANJAKANA VAOVAO
Rehefa nitombo ny isan’ny mpitory, dia nitombo koa ny isan’ny Betelita. Niisa 10 izy ireo taloha ary lasa 50 teo ho eo. Natao hipetrahan’ny mpivady efatra na dimy monja anefa ilay Betela, ka tsy maintsy nanofa trano teny akaiky teny ny sampana.
Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana nividy tany àry ny Komitin’ny Sampana, mba hanorenana trano vaovao eto Zagreb. Tsy ela dia natomboka ny fanorenana an’ilay trano tsara tarehy, ka mpiasa an-tsitrapo teto an-toerana sy mpanompo iraisam-pirenena no nanao azy io. Notokanana tamin’ny asabotsy 23 Oktobra 1999 ilay tranon’ny sampana sy ny Efitrano Fanjakana iray, ary toy izany koa ny Efitrano Fanjakana roa eo an-tampon-tanànan’i Zagreb. Avy amin’ny firenena 15 ireo solontena tonga tamin’ilay fitokanana. Ny Rahalahy Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Nisy fandaharana natao koa ny ampitson’iny, tao amin’ny trano malalaka iray fanaovana spaoro, ka 4 886 ny mpanatrika. Andro iray toa zato iny andro iny ho an’ny vahoakan’i Jehovah eto Kroasia, anisan’izany ireo nanompo hatramin’ny 50 taona mahery tao anatin’ny fotoan-tsarotra!
Natomboka koa ny tetikasa fanorenana Efitrano Fanjakana vaovao. Tany ambany lakaly na tany an-tranon’olona mantsy no nivorian’ny fiangonana maro, talohan’ny 1990. Efitra kely iray tao an-tranon’olona, ohatra, no nivorian’ny fiangonana tao Split, nandritra ny 20 taona. Tsy nanana afa-tsy seza 50 izy ireo, nefa avo roa heny noho izany ny mpanatrika indraindray, ka maro no voatery nitsangana teny ivelany. Natao tao koa ireo fivoriambe, nefa nisy mpanatrika 150, na mihoatra an’izany aza. Misy fiangonana efatra izao ao Split, ary misy Efitrano Fanjakana roa tsara tarehy. Efitra fanaovana fivoriana ao amin’ny hotely iray izao no ampiasain’ireo rahalahy anaovana fivoriambe. Ny Biraon’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana no mandamina ny fanorenana efitrano vaovao, ary miara-miasa amin’ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika any Alemaina, izy io.
Nahavita be ireo tanora sy zokiolona nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Nisy 25 ny Efitrano Fanjakana vaovao naorina hatramin’izao, ary 7 no nohavaozina. Nampandroso ny asa fitoriana izany, ary mitondra fiderana ho an’i Jehovah.
MANDROSO HAINGANA NY ASA FITORIANA
Nahazo fahaleovan-tena i Kroasia tamin’ny 1991. Mandra-pivoakan’ny lalàna vaovao momba ny fivavahana anefa, dia ny lalàna taloha no mbola nampiharina. Saika Katolika avokoa ireo mponina tao amin’ilay Fanjakana vaovao, ka nanana fahefana be tao amin’ny governemanta ny pretra. Na izany aza, dia efa nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah taloha, sady tena tsara laza. Koa namoaka didy àry ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny 13 Oktobra 2003, fa nekena ho ara-dalàna ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Kroasia. Tena nahafaly ny mpanompon’i Jehovah teto izany!
Taoriana kelin’ny 1990, dia sekoly iray monja isan-taona no natao ho an’ireo mpisava lalana nanerana an’ireo firenena anisan’i Iogoslavia teo aloha. Misy sekoly maromaro isan-taona anefa izao eto Kroasia fotsiny. Faly izahay fa nisy mpitory 5 451 sy fiangonana 69 teto, tamin’ny Septambra 2008. Tena mampahery koa fa nisy 9 728 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana! Mbola antenaina hisy fitomboana àry eto.
Mbola mifankahala ihany ny olona samy hafa fivavahana eto Kroasia, ary mihasarotra ny fiainana. Tapa-kevitra anefa ny mpanompon’i Jehovah rehetra eto, fa tsy hitsahatra hitory ny vaovao tsara, na dia tezitra toy inona aza i Satana. (Apok. 12:12) Miady mafy amin’ny fiainana ny ankamaroan’ny olona isan’andro, ka ny asany no lasa zava-dehibe indrindra aminy. Misy amin’ireny olona ireny anefa misento noho ny faharatsiana eo amin’izao tontolo izao, ary mangetaheta ny fahamarinana. (Ezek. 9:3, 4; Mat. 5:6) Rehefa mahita olona toy izany izahay, dia ampianay izy ireo hivavaka amin’ilay hany tena Andriamanitra sy hilaza koa hoe: “Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba. Hampianatra antsika ny lalany izy, ary handeha amin’ny atorony isika.”—Isaia 2:3.
Tantaran’i Macédoine Ankehitriny
“Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay”, hoy ilay lehilahy niseho tamin’ny apostoly Paoly tao amin’ny fahitana, tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 16:8-10) Nanaiky an’ilay fanasana i Paoly sy ny namany, satria nino fa Andriamanitra no naniraka azy ireo hitory ny vaovao tsara, tany amin’io faritany mbola tsy nitoriana io. Tsy ela dia nandroso be ny Fivavahana Kristianina tany. Mandroso koa ankehitriny ny fivavahana marina eto Macédoine, faritra kely avaratr’i Makedonia fahiny. Ahoana no nahatonga izany?
I Macédoine no repoblika farany atsimo amin’i Iogoslavia, taorian’ny Ady Lehibe II, ary nahazo fahaleovan-tena tamin’ny 1991. Roa taona taorian’izay, dia nekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto. Azo natao àry ny nanisy biraon’ny sampana teto, ary ny Komitin’ny Sampan’i Aotrisy no niandraikitra azy io. Novidina tamin’io taona io ny trano iray teo amin’ny Lalana Alžirska, eto Skopje, mba hasiana an’ilay Betela vaovao. Nifindra nankao ireo mpandika teny masedonianina, izay niasa tany Zagreb, any Kroasia.
Ankoatra izany, dia tonga teto i Michael sy Dina Schieben, avy any Alemaina, mba hanao ny asan’ny faritra. Nasaina hankatỳ koa i Daniel sy Helen Nizan, avy any Kanada, izay nanompo tany Serbia. Natsangana koa ny Komitin’ny Tany, ary nanomboka niasa ny Betela.
NOFERANA NY BOKY SY GAZETY
Sarotra ny nanafatra boky sy gazety, na dia efa nekena ho ara-dalàna aza ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Gazety iray isaky ny mpitory no azo nohafarana tamin’ny 1994 ka hatramin’ny 1998. Tsy maintsy nadikan’ireo rahalahy àry ny lahatsoratra fianarana tao amin’ny Tilikambo, mba hisy homena an’ireo olona nampianariny Baiboly. Soa ihany fa naharay gazety avy tany an-tany hafa tamin’ny alalan’ny paositra, ireo rahalahy. Nahazo alalana hitondra gazety vitsivitsy koa izay vahiny hitsidika an’i Macédoine. Niova izany taona maromaro tatỳ aoriana, satria afaka nanafatra boky sy gazety araka izay tiany ny Vavolombelona. Niady tany amin’ny fitsarana foana mantsy izy ireo, ka nahazo rariny tamin’ny Fitsarana Tampony tamin’ny farany.
Nahatratra 1 024 ny isan’ny mpitory tamin’ny Aogositra 2000. Sambany no nihoatra ny 1 000 ny mpitory teto! Koa satria nitombo ny mpitory ary nihabetsaka ny boky nadika tamin’ny teny masedonianina, dia nitombo koa ny fianakavian’ny Betela, ka tsy antonona intsony ny Betela. Novidina àry ny trano kely telo teo akaiky teo, ny taona nanaraka. Noravana izy ireo, ary nosoloana trano roa vaovao. Miasa sy mipetraka amin’ny trano telo arifomba izao, ireo Betelita 34 eto Macédoine. Faly izy ireo nampiantrano an’i Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, nandritra ilay fitokanana tamin’ny 17 Mey 2003.
FANORENANA EFITRANO FANJAKANA
Tena ankasitrahan’ireo Vavolombelona eran’i Macédoine ilay fanampiana ny tany mahantra hanorina Efitrano Fanjakana. Nanampy ny fiangonana hanorina Efitrano Fanjakana ny ekipa mpanao fanorenana nisy rahalahy dimy. Sivy ny efitrano vaovao voaorina teo anelanelan’ny 2001 sy 2007. Samy hafa fiaviana ireo mpanao fanorenana nefa niara-niasa tsara, ka nanjary fitoriana vita ho azy ho an’ny manodidina izany. Nitsidika Efitrano Fanjakana vaovao iray, ohatra, ny mpivarotra iray. Hitany fa tena vita tsara ilay trano, ka hoy izy: “Tsy nataotao foana ity trano ity fa natao tamim-pitiavana!”
Tonga hanorina efitrano tao Stip koa ilay ekipa mpanao fanorenana. Nisy mpiara-monina iray anefa tsy natoky loatra hoe ho vita ilay efitrano, satria nihevitra fa mbola tanora loatra ireo mpanao fanorenana ka tsy ampy traikefa. Nampiaiky azy anefa ny hatsaran’ilay trano rehefa vita, ka nentiny tany amin’ireo rahalahy tanora ireo ny planin’ny tranony. Niangavy azy ireo izy mba hanorina azy io, ary nampanantena fa hanome karama be. Gaga anefa izy rehefa nilazan’ireo rahalahy fa tsy noho ny fitadiavam-bola no nanorenany an’ilay Efitrano Fanjakana, fa noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona.
FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO
Tetsy an-danin’izany, dia nifofotra nandika Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny masedonianina, ny rahalahy sy anabavy vitsivitsy be fandavan-tena. Notahin’i Jehovah ny asa mafy nataon’izy ireo, ka voadika tao anatin’ny dimy taona monja ilay Baiboly manontolo. Faly erỳ ny mpanatrika rehefa nanambara ny fivoahan’izy io i Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Akaiky ny Fanafahana!” (2006), izay natao teto Skopje. Nirefodrefotra nandritra ny minitra vitsivitsy ny tehaka, ary maro no latsa-dranomaso. Nozaraina nandritra ny fiatoana izy io, ka avy hatrany dia namaky an’io Baiboly amin’ny fitenin-drazany io ny olona sasany.
Manaja lalina ny Baiboly ny olona maro eto Macédoine. Nanomboka nianatra Baiboly, ohatra, i Orhan, enin-taona lasa izay. Tsy nahay taratasy anefa izy, ka nampianatra azy namaky teny sy nanoratra ilay rahalahy nampianatra azy. Efa telo taona izy izao no vita batisa, ary efa inenina izy no nahavaky ny Baiboly manontolo taorian’izay.
I Orhan irery no Vavolombelona tao Resen tamin’ny voalohany. Maro anefa no nidera azy noho izy lasa nahay namaky teny sy nanoratra. Nisy ray aman-dreny aza nangataka an’ireo rahalahy mba hampianatra ny zanany, satria tiany ho tonga sahala amin’i Orhan koa ny zanak’izy ireo. Nihamaro ny olona liana tamin’ny fahamarinana, ka nanjary nisy Fianarana Boky tao Resen. Lasa mpitory ny olona liana iray, ary lasa mpisava lalana maharitra sy mpanampy amin’ny fanompoana i Orhan.
NISY MPITORY TONGA NANAMPY
Miteny albaney ny ampahefatry ny mponina eto. Nisy mpivady mpisava lalana manokana avy any Albania àry tonga teto tamin’ny Jolay 2004. Nila fanampiana anefa izy mivady satria izy ireo irery no nitory tamin’ireo olona miteny albaney, izay niisa 500 000 mahery. Nisy mpivady mpisava lalana manokana avy any Albania koa àry voatendry hanampy azy ireo, herintaona tatỳ aoriana. Nampahery an’ireo olona liana fito tao Kičevo, tanàna be Albaney, izy efatra mianadahy ireo. Faly be izy ireo ny taona nanaraka, satria 61 no nanatrika ny lahatenin’ny Fahatsiarovana, izay natao tamin’ny teny albaney sy masedonianina. Misy mpitory mazoto 17 any izao, ary 30 na maherin’izany ny mpivory.
Neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hanaovana ezaka manokana teto Macédoine nanomboka ny Aprily ka hatramin’ny Jolay 2007. Ny tanjona tamin’izany dia ny hitoriana tany amin’ny faritany mbola tsy nitoriana mihitsy, sy ny hanambarana ny vaovao tsara amin’ireo olona miteny albaney.
Vavolombelona 337 avy amin’ny firenena fito no nanolo-tena hanampy tamin’io ezaka manokana io. Nanao ahoana ny vokatra azo? Faritra 200 mahery no voatetin’izy ireo. Olona 400 000 teo ho eo no nitoriana, ary mbola tsy nandre ny vaovao tsara mihitsy ny ankamaroany. Boky sy bokikely 25 000 mahery ary gazety maherin’ny 40 000, no voazara nandritra ilay ezaka manokana. Nahatratra 25 000 teo ho eo ny ora lanin’ireo mpitory ireo, ary fampianarana Baiboly 200 mahery no natomboka.
Hoy ny rahalahy iray: “Nanganohano ny ranomason’ny olona sasany rehefa nahare hoe avy aiza izahay, ary inona no anton-dianay. Nisy koa latsa-dranomaso mihitsy rehefa namaky andininy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra.”
Maro ny mpitory nankasitraka an’iny ezaka manokana iny. Nanoratra toy izao ny anabavy iray: “Nilaza taminay ny mpampianatra iray hoe: ‘Hotahin’Andriamanitra anie ianareo! Tsara be izao ataonareo izao, ary tena mamelombelona ny zavatra resahinareo!’ ”
Hoy koa ny mpitory iray: “Toy ny hoe nanao asa misionera izahay, ka tena sarotra ny nandao an’ilay faritany. Nangetaheta ny fahamarinana ny olona, ka nalahelo be izahay nandao an’ireo olona nampianarinay.”
Nilaza koa ny mpivady iray hoe: “Nanenina izahay tsy naka andro fialan-tsasatra lava kokoa. Hay be dia be ny olona liana!”
Mamintina ny fihetseham-pon’ny maro ity tenin’ny mpitory iray ity: “Mbola tsy tsaroako afa-po toy izany mihitsy izahay mianakavy!”
Nisy tanàna kely iray mbola tsy nitoriana mihitsy tany an-tendrombohitra, akaikin’i Tetovo. Nandeha nitory tany ny mpitory vitsivitsy, ka ny roa nitory tamin’ireo trano teo ankavian-dalana, ary ny roa hafa teo ankavanana. Vao trano telo monja angamba no vitan’izy ireo, dia efa fantatry ny olona rehetra nipetraka tamin’ireo trano amoron-dalana, fa mitsidika isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela dia nahare izany ny iray tanàna, ka nitangorona nanodidina an’ireo anabavy ny vehivavy liana maromaro. Efa nisy lehilahy 16 koa tsy lavitra teo, tsindrian-daona niandry an’ireo rahalahy. Nisy olona namoaka seza efatra mba hipetrahan’ireo mpitory, ary nisy iray hafa nanao kafe ho azy ireo. Nanome boky an’izay olona tafavory teo ireo mpitory, ary nampiasa Baiboly mba hiresahana momba ny fahamarinana.
Maro no nametraka fanontaniana, ary nihaino tsara ny rehetra. Rehefa vita ny fitoriana, dia maro no nanao veloma an’ireo mpitory. Natahotahotra ihany anefa ireo mpitory, nony nanatona azy ireo ny vehivavy zokiolona iray sady nanambana azy ireo tamin’ny tehina. Nitabataba ilay ramatoa hoe: “Hoveleziko amin’ity ianareo!” Fa inona no nataon’ireo mpitory? Hoy ilay zokiolona: “Izaho irery no tsy nomenareo boky. Boky mavomavo lehibe hoatran’itsy no tiako”, sady notondroiny ilay boky hoe Ny Bokiko, izay teny an-tanan’ilay mpiray tanàna aminy. Avy hatrany dia nomen’ireo mpitory boky izy, ary iny no farany tamin’io boky io tany amin’izy ireo.
FITORIANA AMIN’NY RÔMA
Fitenim-paritra rômania maromaro mifangaro no fitenin-drazan’ireo Rôma eto Macédoine. Maro amin’izy ireo anefa no mahay fiteny masedonianina. Eto Skopje renivohitra no tanàna be Rôma indrindra atỳ Eoropa, satria misy 30 000 eo ho eo izy ireo eto. Telo ny fiangonana miteny rômania eto, ary 200 ny mpitory. Mivory ao amin’ireo Efitrano Fanjakana roa ao Šuto Orizari izy ireo, ary tena mamokatra ny faritaniny satria misy mpitory 1 isaky ny mponina 150 eo ho eo. Io no anisan’ny salanisa tsara indrindra eto Macédoine! Manamarina izany ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2008, izay nahatratra 708.
Olon-tsotra ny Rôma ary mangetaheta ny fahamarinana izy ireo. Inona àry no natao mba hanampiana azy ireo hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra? Nadika tamin’ny teny rômania ny lahateny manokana tamin’ny 2007, ary anti-panahy rôma no nanao azy io. Tena velom-pankasitrahana ireo mpanatrika 506 tamin’izay! Faly be koa ny mpitory rôma sy masedonianina ary albaney, rehefa navoaka tamin’ny teny rômania ny bokikely Takina, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2007. Bokikely amin’ny teny masedonianina mantsy no nampiasain’izy ireo hatramin’izay, rehefa nampianatra tamin’ny teny rômania. Mahita vokatra tsara izy ireo izao mampiasa an’ilay bokikely amin’ny teny rômania, mba hanohinana ny fon’ireo Rôma tso-po.
Miezaka mafy hanahaka ny apostoly Paoly ireo mpitory 1 277 eo anivon’ny fiangonana 21 eto Macédoine ankehitriny. Rariny tokoa raha nisy mpitory ‘niampita nanketo’ Macédoine, satria maro be ny olona mitady ny fahamarinana eto.
Tantaran’i Serbia Ankehitriny
Eto afovoan’ilay faritra atao hoe Balkans no misy an’i Serbia, ary ahitana kolontsaina samihafa sy olona samy hafa fiaviana eto. Nosokafana teto Belgrade ny biraon’ny sampana tamin’ny 1935. Niandraikitra an’i Iogoslavia manontolo izy io tamin’izany, ka nandroso tsara ny asa fitoriana. Rehefa nahazo fahaleovan-tena ireo firenena anisan’i Iogoslavia teo aloha, dia mbola afaka nanampy an’ireo Vavolombelona any amin’ireo firenena ireo ny rahalahy teto Serbia. Tamin’ny fomba ahoana?
Efa tao Zagreb, atsy Kroasia, indray ny sampana rehefa nikatona ny sisin-tany. Nifankahala ireo olona samy hafa foko sy fivavahana, kanefa niara-niasa tamim-pilaminana ireo rahalahy samy hafa fiaviana tao amin’ny Betela. Voatery niala tao anefa ireo rahalahy serba tatỳ aoriana, satria nihanahazo vahana ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fitsarana an-tendrony. Natao teto Belgrade, eto Serbia, indray àry ny fandikana boky sy gazety amin’ny teny serba tamin’ny 1992, toy ny tamin’ny 50 taona talohan’izay. Fahendrena ny niverenana teto Serbia, ary ara-potoana tsara ny nanaovana izany.
Niady be mantsy ny tany Bosnia, ka nila fanampiana mafy ireo rahalahy tany. Nanangona fanampiana ho azy ireo ny sampan’i Aotrisy, ary ny rahalahy serba no tsara toerana indrindra hanatitra izany tany Bosnia, satria nofehezin’ny Serba izy io.
Nisy fiantraikany teto Serbia ilay ady, na dia tsy nisy ady aza teto. Nanjary sarotra ny nahazo boky sy gazety avy tany Alemaina, satria voarara ny nampiditra entana avy any ivelany. Rehefa tsy naharay gazety vaovao ireo fiangonana, dia ny gazety taloha no nianarana. Tonga ara-potoana foana anefa ny gazety, tatỳ aoriana.
“NANAMPY SY NANKAHERY”
Hoy i Daniel Nizan, misioneran’i Gileada: “Nikorontana be ny toe-draharaha politika teto Serbia, tamin’izahay vao tonga tamin’ny 1991. Tena nampiaiky anay anefa ny zotom-pon’ireo rahalahy. Gaga be izahay nahita fa olona 50 teo ho eo no nitsangana hatao batisa, tamin’ilay fivoriambe manokana natrehinay mivady voalohany. Tena nampahery anay izany!”
Nanampy be tamin’ny fandaminana ny asa teto amin’ny Betela ry Nizan, rehefa nosokafana indray izy io. Natao ho an’olona folo ilay Betela, izay teo amin’ny Lalana Milorada Mitrovića, ary Efitrano Fanjakana no tao ambany rihana. Nihabetsaka anefa ny mpandika teny tatỳ aoriana, ka nilaina ny trano lehibe kokoa. Nisy tany novidina àry, ary natao ny fanorenana. Nifindra tao amin’ilay trano vaovao ny fianakavian’ny Betela tamin’ny faramparan’ny 1995.
Nihasarotra ny fiainana ka nihamaro ny olona nanaiky ny fahamarinana. Nanjary nilaina ny mpiandraikitra be fitiavana maro kokoa, satria nitombo ny isan’ny mpitory. Nanampy be tamin’izany ireo mpisava lalana manokana avy any Italia, izay be zotom-po sy mahafoy tena. Na dia tsy mora tamin’izy ireo aza ny nianatra fiteny vaovao sy nizatra tamin’ny kolontsaina hafa nandritra ilay fotoan-tsarotra, dia “nanampy sy nankahery” ny rahalahy teto izy ireo.—Kol. 4:11.
Nanampy tamin’ny lafiny maro ireo mpisava lalana avy any an-tany hafa, indrindra fa “tamin’ny fandaminana ny asa teo anivon’ny fiangonana”, hoy i Rainer Scholz, mpandrindra ny Komitin’ny Tany eto Serbia. Mankasitraka ny fanampian’ireo mpisava lalana manokana 70, ireo fiangonana 55 eto.
VOKATRY NY FIAKARAN’NY VIDIM-PIAINANA
Noho ilay ady teo amin’ny firenena manodidina, dia niakatra be koa ny vidim-piainana teto. Hoy ny boky iray: ‘Niakatra 500 tapitrisa tapitrisa isan-jato ny vidim-piainana nandritra ny efa-bolana latsaka kely, nanomboka ny Oktobra 1993 ka hatramin’ny 24 Janoary 1994.’ Nahatsiaro ny zava-nitranga tamin’izany i Mira Blagojević, Betelita nanomboka tamin’ny 1982. Tsaroany fa tsy maintsy nitondra vola iray kitapo izy vao nahazo legioma vitsivitsy.
Nitantara koa ny anabavy iray atao hoe Gordana Siriški fa tsy nahazo afa-tsy horonan-taratasy iray fitondra any an-kabine, ny vola fisotroan-dronono noraisin-dreniny isam-bolana. Hoy izy: “Tena sarotra be ny fiainana satria lasa tsy nisy vidiny intsony ny zava-drehetra nananana. Soa ihany fa nandefa fanampiana ho anay ireo Vavolombelona any an-tany hafa. Tsy natoky ny banky sy ny fitondrana intsony ny olona, ka maro no nitodika tamin’Andriamanitra, ary lasa nifandray akaiky kokoa ny mpiara-manompo.”
FANDIKANA NY BAIBOLY
Niara-niasa tao Zagreb ny mpandika teny rehetra eran’i Iogoslavia, nandritra ny taona maro. Nifindra nankany amin’ny taniny avy izy ireo rehefa vita ny ady, kanefa mbola nifandray tamin’ireo mpandika teny tao Zagreb foana. Tena nilaina izany, indrindra rehefa nandika Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny ekipa serba. Nikendry ny hamoaka azy io tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 1999 izy ireo.
Teo am-pamitana ny fandikana ny Baiboly izy ireo no niomana hiady ilay firenena. Efa nananontanona ny fanafihana ana habakabaka, ka nahina ho tapatapaka ny fifandraisana an-telefaonina tamin’i Alemaina, izay hanao pirinty an’ilay Baiboly. Niasa nandritra ny alina àry ireo mpandika teny ny talata 23 Martsa. Vitan’izy ireo ihany ilay Baiboly, ka nalefa vao maraina be ho any Alemaina. Nanomboka ny zera baomba rehefa afaka ora vitsivitsy. Namonjy toerana voaro ireo mpandika teny, kanefa faly satria efa lasa ilay Baiboly! Vao mainka faly izy ireo rehefa navoaka tamin’ilay fivoriambe teto Belgrade ilay Baiboly, efa-bolana taorian’izay! Mbola nandika boky sy gazety foana izy ireo, na dia nisy zera baomba aza ary tapatapaka ny jiro. Tsy maintsy naato ny asan’izy ireo, matetika, ary nihazakazaka namonjy toerana voaro izy ireo. Nitebiteby foana izy ireo tamin’izany, nefa faly satria afaka nikarakara ny sakafo ara-panahy nilaina teto Serbia.
Tamin’ny Jolay 1999 no navoaka ilay Baiboly Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny serba, izay vokatry ny asa mafy sy ny fitahian’i Jehovah. Faly be sy velom-pankasitrahana ireo mpanatrika fivoriambe! Navoaka nandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2006 ny Baiboly manontolo, izay natao tamin’ny endri-tsoratra sirilika sy romanina.
NIHAMAFY NY FANOHERANA
Matanjaka be ny Eglizy Ortodoksa eto Serbia, ka maro ny olona mihevitra fa Ortodoksa daholo ny Serba. Tsy tena Serba ianao amin’izy ireo, raha tsy Ortodoksa. Maro anefa no nanaiky ny hafatra notorintsika, taorian’ny 1990. Nitombo efa ho avo roa heny àry ny isan’ny mpitory rehefa nifarana ny ady tamin’ny 1999, ka nahatratra tampon’isa 4 026.
Nahatezitra ny Eglizy Ortodoksa izany, ka nampirisihiny ho tia tanindrazana kokoa ny olona, mba hampitsaharana ny asa fitoriana. Nampiasa herisetra koa ny mpanohitra sady nampiasa ny lalàna, mba hanakiviana ny Vavolombelona. Mbola nisy 21, ohatra, ny rahalahintsika voatana tany am-ponja noho izy ireo tsy nety nanao miaramila. Nafahana ny ankamaroany taoriana kelin’ny ady, ka velom-pisaorana an’i Jehovah izy ireo noho Izy nanatanjaka ny finoany nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny!
Tampoka teo anefa, dia noraran’ny Minisiteran’ny Atitany ny fanafarana boky sy gazety, tamin’ny 9 Aprily 2001. Fa nahoana? Misy vokany ratsy eo amin’ny tanora, hono, ny bokintsika. Mahagaga fa noraran’izy ireo koa ny fanafarana Baiboly!
Lasa nahery setra tamin’ny Vavolombelona ny olona sasany, noho ny fanaratsiana nataon’ny tele sy ny gazety. Hoy ny mpisava lalana manokana iray: “Nasian’izy ireo totohondry na nasiany tehamaina izahay rehefa nitory isan-trano. Nisy nitora-bato koa izahay indraindray.” Norobain’ny olona koa ny Efitrano Fanjakana sasany. Afaka mivory an-kalalahana anefa izao ny rahalahintsika eto Serbia, na dia mbola mila malina foana aza.
Mbola mazoto mitory foana anefa ireo rahalahy. Asehon’izy ireo fa tsy manavakavaka olona ny vahoakan’i Jehovah ary be fitiavana toa an’i Kristy. Nisy ezaka manokana natao tato ho ato mba hitoriana tany amin’ireo faritany mbola tsy nisy mpitory teto Serbia sy Monténégro, ary nahitam-bokatra izany. Nisy mpitory avy amin’ny firenena eoropeanina hafa mihitsy aza nampiasa ny vakansiny mba hanampiana tamin’ilay ezaka manokana. Mbola asa be anefa ny mitory amin’ireo olona telo tapitrisa eo ho eo mipetraka any amin’ireny faritra ireny.
Trano lehibe telo voahodidina zaridaina mahafinaritra ny Betela eto Belgrade. Miandraikitra ny asa eto Serbia sy any Monténégro ireo rahalahy telo anisan’ny Komitin’ny Tany eto. Rotidrotiky ny ady i Serbia taloha, kanefa notahin’i Jehovah ny vahoakany. Be zotom-po sy tapa-kevitra ny tsy hivadika izy ireo, ka izany indray no tonga ao an-tsaina izao rehefa mahare hoe Serbia.
Tantaran’i Kosovo Ankehitriny
Tsy nifanaraka mihitsy ny Serba sy ny Albaney teto Kosovo, teo anelanelan’ny 1980 sy 1990. Farany, dia nipoaka ny ady taoriana kelin’ny 1990, ka niteraka fahoriana sy fijaliana be. Na teo aza anefa izany, dia nampiseho “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy” tamin’ireo Vavolombelona samy hafa fiaviana, ireo rahalahy sy anabavy teto. (1 Pet. 1:22) Nankatoavin’izy ireo koa ilay didin’i Kristy hoe: ‘Tiavo ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.’ (Mat. 5:43-48) Tsy mora foana anefa izany!
Hoy i Saliu Abazi, izay Silamo taloha ary miteny albaney: “Matetika no tsy raisin’ny Silamo izay mpitory fantany hoe Silamo taloha. Nieritreritra koa ny fianakavianay fa tsy niraharaha azy intsony izahay, rehefa niova fivavahana. Sarotra tamin’ireo Silamo niova ho Vavolombelona koa ny nitory tamin’ny Serba, satria niady ny Albaney sy ny Serba.”
Tsy ela anefa dia nisy olona 30 samy hafa fiaviana nivory tao an-tranon’i Saliu. Hoy izy: “Natao tamin’ny teny serba ny fivoriana tamin’izany, ary avy any Belgrade ny boky sy gazety nampiasainay. Tonga tampoka tao an-trano ny polisy, indray mandeha. Vao avy nanatitra boky tao an-trano anefa ireo rahalahy avy any Belgrade tamin’izay, ka tafaraka teo daholo izahay. Rehefa nohazavaiko tamin’ireo polisy fa mpirahalahy izahay, dia tsy azony mihitsy ny tiako holazaina satria Serba sy Albaney izahay.” Afaka nanofa trano ivoriana tao Priština, tanàna lehibe indrindra eto Kosovo, izy ireo tamin’ny 1998.
Nihanafana ny adim-poko sy ny fanindrahindram-pirenena, tany am-piandohan’ny 1999. Hoy i Saliu: “Nandrahona anay ny mpiray tanàna taminay hoe hodorany ny tranonay, raha tsy manaiky handray anjara amin’ny ady izaho sy ny zanako lahy. Nisy vokany ratsy tamin’ny olona ny toe-draharaha politika. Tsy neken’izy ireo intsony ny fitondrana serba sy ny lalàna teto an-toerana, ka lasa nahery setra sy nanao izay tiany fotsiny izy ireo.”
Niharatsy ny toe-draharaha, ka vao mainka sarotra tamin’ny Serba ny nipetraka teto Kosovo. Serba sy Albaney an’arivony no voatery nitsoaka tany amin’ireo firenena manodidina, nandritra ilay ady tamin’ny 1999. Na izany aza, dia vonona hanao vivery ny ainy i Saliu rehefa nanafina rahalahy serba tao an-tranony.
LASA MANANA NY FOMBA FIHEVITR’I JEHOVAH
Hoy ny anabavy iray: “Nifankahala be ny Serba sy ny Albaney. Mbola kely izahay dia efa nampianarina hifankahala, ka tsy mora ny nanala an’izany tao am-ponay, na dia taorian’ny nahalalanay ny fahamarinana aza. Tsy maintsy nanao fiovana be ny maro taminay mba hananana ny fomba fihevitr’i Jehovah. Efa nianarako, ohatra, hoe be fitiavana i Jehovah, kanefa mbola nandosindosirako foana ny rahavavy iray teo anivon’ny fiangonana, satria Serba izy. Rehefa nandroso anefa ny fianarako, dia takatro hoe mampiray ny olona ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’i Jehovah, fa mampisara-bazana kosa ny fampianaran’ny fivavahana hafa.” Inona no herin’ny Tenin’Andriamanitra teo amin’io anabavy io? Nanjary nitafy ny toetra vaovao izy. Nilaza izy hoe: “Faly aho izao miara-manompo amin’ireo anadahiko sy rahavaviko serba eo anivon’ny fiangonanay.”—Kol. 3:7-11; Heb. 4:12.
Na dia voazarazara eo amin’ny lafiny ara-pivavahana aza ity tontolo ity, dia miray hina kosa ny tena Kristianina. Nandoro trano sy nanipy grenady ny olona noho ny fanindrahindram-pirenena. Ny Vavolombelona kosa nankany Belgrade, any Serbia, mba hanatrika fivoriambe tamin’ny Jolay 1998. Niray bisy ny Vavolombelona Albaney, Kroaty, Masedonianina, ary Rôma, tamin’izay. Hoy i Dashurie Gashi, izay hatao batisa tamin’ilay fivoriambe: “Hita teny amin’ny endrik’ireo miaramila nanakana ny bisy nandehananay hoe gaga be ry zareo! Tsy nampino azy ireo ny nahita anay niray hina, nefa nisy adim-poko teo amin’ny firenena rehetra nanodidina. Hafa mihitsy ny vahoakan’i Jehovah!”
Mbola kely ny tovovavy rôma iray dia efa nandre ny fahamarinana tamin’ny rahavavin-dreniny, izay mipetraka any an-tany hafa. Nisy zava-tsarotra roa lehibe tsy maintsy natrehiny anefa. Voalohany, tsy nahay taratasy izy. Tia an’i Jehovah anefa izy, ka nianatra namaky teny sy nanoratra nandritra ireo telo taona nianarany Baiboly. Faharoa, nipetraka tao amin’ny dadabeny izy nefa nanohitra izy io. Hoy izy: “Niafina an’i Dadabe aho rehefa nandeha nivory.” Voakapoka anefa izy rehefa tonga tao an-trano. Hoy ihany izy: “Nijaly aho noho ny fahamarinana, kanefa tsy kivy. Nisaintsaina ny fijaliana rehetra niaretan’i Joba, lehilahy tsy nivadika, aho. Tena tiako i Jehovah, ka tapa-kevitra ny hianatra foana aho.” Mpisava lalana izy izao, ary mampianatra ankizivavy roa tsy mahay taratasy. Velom-pankasitrahana izy noho ny fiofanana azony amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, satria afaka mampianatra ny hafa izy na dia tsy nianatra tany am-pianarana mihitsy aza.
Silamo i Adem Grajçevci, ary nianatra ny fahamarinana izy tany Alemaina, tamin’ny 1993. Hoy izy: “Tena nanampy ahy ny nahalala fa i Satana no mpitondra an’ity tontolo ity, ary izy no tompon’andraikitra amin’ireo habibiana rehetra mitranga.” Nody teto Kosovo i Adem tamin’ny 1999. Tsy maintsy niatrika ny fitsarana an-tendrony sy ny fanoheran’ny fianakaviany anefa izy, sahala amin’ny olona maro hafa lasa Vavolombelona. Tsy nahafaly an-drainy ny niovany fivavahana, ka nasainy nifidy izy hoe iza no tiany, i Jehovah sa ny fianakaviany. Nifidy an’i Jehovah izy, ary nandroso tsara ka anti-panahy izao. Nihanalefaka ihany ny rainy rehefa nandeha ny fotoana, ka manaja kokoa ny fanapahan-kevitr’i Adem izy izao.
Tsy liana tamin’ny fivavahana mihitsy i Adnan, zanak’i Adem, tamin’izy mbola kely. Ny haiady no tena nankafiziny, ka nomen’ny mpifaninana taminy anaram-bosotra hoe Mpamono Olona izy. Najanony anefa izany tatỳ aoriana, satria nanohina ny fony ny fahamarinana. Nandroso tsara izy ary natao batisa. Hoy izy: “Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra aho, taoriana kelin’ny batisako. Be karama aho, ka nanana an’izay nilaiko. Tsy tsara anefa ny fifandraisako tamin’Andriamanitra ary zara raha nanam-potoana hitoriana aho. Tapa-kevitra ny hiova àry aho, ka nialako ny asako.” Nanao ny asan’ny mpisava lalana izy, voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana, ary nasaina hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana voalohany tany Albania. Anti-panahy izao i Adnan, ary mpisava lalana manokana izy sy Hedije vadiny. Nanenenany ve ny fanapahan-keviny? Hoy izy: “Tena mahatsiaro sambatra aho! Tsy nanenina mihitsy aho nifidy ny hanompo manontolo andro.”
FAMPIANARANA IRAY IHANY
Misy fiangonana enina izao eto Kosovo, ary samy manofa trano ivoriana izy ireo. Kely ny fiangonana sasany, toy ny any Peć, izay misy mpitory 28. Tsy misy lahateny ho an’ny besinimaro isan-kerinandro koa eo anivon’ny fiangonana hafa, satria vitsy loatra ny rahalahy mpiandraikitra. Na izany aza, dia mivory tsy tapaka ireo fiangonana ireo isan-kerinandro, mba hianatra Tilikambo sy hanao fivoriana hafa.
Nikarakara tamim-pitiavana an’ireo Vavolombelona teto Kosovo ny Komitin’ny Tany tatsy Serbia, nandritra ireo taona maro nisian’ny fotoan-tsarotra. Ny sampan’i Albania indray anefa no notendren’ny Filan-kevi-pitantanana hiandraikitra ny asa fitoriana eto, nanomboka tamin’ny 2000.
Serba ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Kosovo taloha, ka natao tamin’ny teny serba ny fivoriana. Faly nanampy an’ireo olona miteny albaney ny rahalahy tamin’izany, ka nadikany tamin’ny fitenin’izy ireo ny fandaharana. Mifamadika anefa ny toe-javatra ankehitriny. Albaney indray izao ny ankamaroan’ny Vavolombelona eto. Atao amin’ny teny albaney àry ny fivorian’ny fiangonana rehetra, afa-tsy ny ao amin’ny fiangonana iray miteny serba. Misy Serba anefa any amin’ireny fiangonana ireny, ka faly ireo rahalahy mandika ny lahateny ho amin’ny fitenin’izy ireo. Atao amin’ny teny albaney sy serba kosa ireo fivoriambe. Natao tamin’ny teny albaney, ohatra, ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2008, ary nadika tamin’ny teny serba. Ny lahateny sasany kosa nataon’ny anti-panahy avy eto Kosovo tamin’ny teny serba. Hoy ny rahalahy iray: “Toy ny fianakaviana iray izahay tao amin’ilay trano nivorianay, na dia mifankahala aza ny olona any ivelany.”
Silamo ny ankamaroan’ny mponina eto Kosovo, nefa manaja ny Baiboly izy ireo ary vonona hiresaka momba ny fivavahana. Nahatratra 164 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny 2008, ka tena nahafaly an’ireo Vavolombelona teto izany! Matoky tanteraka an’i Jehovah izy ireo, ary tapa-kevitra ny hiasa mafy mba handre ny vaovao tsara daholo ny olona samy hafa fiaviana ao amin’ny faritaniny.
Tantaran’i Monténégro Ankehitriny
Eo afovoan’i Albania sy Kosovo sy Serbia ary Bosnia-Herzegovina no misy an’i Monténégro, sady manamorona ny Ranomasina Adriatika. Kely velarana i Monténégro, nefa tena kanto sady misy faritra tsara tarehy samihafa, ka toy ny perla kely miafina atỳ amin’ny faritr’i Mediterane. Tsara tarehy erỳ ilay morontsiraka mirefy 293 kilaometatra manamorona ny Ranomasina Adriatika! Hita eto koa ny hantsana lalina sy lava indrindra atỳ Eoropa izay andalovan’ny Renirano Tara. Eto koa no misy ny farihy lehibe indrindra atỳ amin’ireo tany Balkans. Farihy Scutari no anaran’izy io, ary io no toerana voaro ahitana vorona be indrindra atỳ Eoropa. Tsy ampy ampahatelon’ny Faritanin’Antsiranana akory anefa ny haben’i Monténégro.
Raha ny tantaran’ity firenena ity indray no resahina, dia hita fa feno ady sy fijaliana. Nisy vokany lalina tamin’ny fomba amam-panaon’ny mponina sy ny toe-tsainy ary ny kolontsainy izany. Ny olona tena filamatra àry amin’izy ireo, dia ny olona mendri-kaja, be herim-po, tsy mivadika, manetry tena, mahafoy tena, ary manaja ny hafa. Mahafinaritra koa fa maro amin’ny mponina eto no nanaiky ny vaovao tsara ary miaro ny fahamarinana.
FANDROSOAN’NY ASA FITORIANA
Tsy hay hadinoina ny firaisan-tsaina sy ny fitiavana nasehon’ireo rahalahy samy hafa fiaviana, izay tonga nanatrika ilay fivoriambe nanan-tantara tao Zagreb, any Kroasia, tamin’ny 1991. Hoy i Savo Čeprnjić, izay vao nanomboka nianatra Baiboly tamin’izany: ‘Nampidi-doza ilay dia nankany Kroasia, satria nadiva hipoaka ny ady. Gaga aho fa maro be ny bisy tonga tamin’ilay fivoriambe, ary tsy nahita olana izy ireo teny an-dalana. Vao mainka nahavariana ahy ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina nisy teo amin’ireo Vavolombelona. An-jatony ny polisy niambina an’ilay kianja tamin’ny andro voalohany. Nihavitsy anefa izy ireo ny andro nanaraka, rehefa hitany hoe nilamina tsara izahay.’
Nisy mpivady avy any Kroasia tonga nampianatra Baiboly tsy tapaka an’i Savo, talohan’ny ady. Tsy afaka nankatỳ intsony anefa izy ireo rehefa nikatona ny sisin-tany. Ahoana àry no nanohizan’i Savo ny fianarany?
Hoy i Savo: “Ny olona efa nianatra ela kokoa no nampianatra an’ireo vaovao. Rahalahy iray efa vita batisa no nampianatra ahy, tamin’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Rehefa tsy afaka intsony izy, dia mpitory tsy vita batisa indray no nampianatra ahy. Lasa 15 ny olona nanatrika ny Fianarana Boky sy ny Fianarana Tilikambo teto Herceg Novi, tamin’ny 1992.” Nandroso tsara i Savo sy ny vadiny ary ny zanany vavy, ka natao batisa tamin’ny 1993. Misy Efitrano Fanjakana izao ao amin’io tanàna tsara tarehy amoron-tsiraka io, ary ahitana mpitory 25.
Nisy mpitory vitsivitsy nivory tao Podgorica renivohitra, taoriana kelin’ny 1990. Nihabetsaka izy ireo, ka nikasa hividy tany hanorenana Efitrano Fanjakana tamin’ny 1997. Nisy tamboho ilay tany novidina, ka nanapa-kevitra izy ireo fa tsy horavana izy io. Nipetraka tao amin’ny trano iray teo akaiky teo anefa ny polisy iray, ka nangataka tamin’izy ireo raha azon’izy ireo ravana ilay tamboho. Nipetraka tao anaty lakaly mantsy izy, ka tiany ho tafiditry ny hazavana kokoa tao aminy. Mba hitandrovana ny fihavanana, dia nanaiky handrava an’ilay tamboho ireo rahalahy ary nosoloana fefy ilay izy. Soa ihany fa izany no nataon’izy ireo!
Nila sotasota tamin’ireo rahalahy ny olon-kafa nipetraka tao amin’ilay trano nisy an’ilay polisy, tatỳ aoriana. Nampitandrina azy ireo anefa ilay polisy fa hotoriny izy ireo, raha manimba ny Efitrano Fanjakana. Misy efitrano tsara tarehy izao eo amin’ilay toerana. Misy trano ipetrahan’ny mpisava lalana manokana koa ary parking mitafo azo anaovana fivoriambe.
Tsy tsara fiafara toy izany kosa ny zava-nitranga tao Nikšić. Nisy tany novidin’ireo rahalahy tao tamin’ny 1996, saingy tsy nanaiky ny hanorenana Efitrano Fanjakana teo ny mponina teny amin’ny manodidina. Nambenana andro aman’alina àry ilay toerana, sao hisy hihetraketraka. Nanangona olona 200 anefa ny mpitondra fivavahana tao an-tanàna, indray mandeha, ary nirohotra nankao amin’ilay toerana izy ireo sady nitondra basy sy kibay. Nanao tifi-danitra izy ireo, ary nesoriny tsirairay ny biriky tamin’ilay trano. Nitazam-potsiny anefa ny polisy!
Rehefa tsy nety voalamina ilay olana, dia naleon’ireo rahalahy nitady tany hafa. Nividy trano iray izy ireo efa-taona tatỳ aoriana, ary novany ho Efitrano Fanjakana ilay izy. Toa tsy nahita olana tamin’ny fiaraha-monina izy ireo tamin’ny voalohany. May anefa ilay efitrano, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nahiahina ho nisy nandoro. Na izany aza, dia tsy nilavo lefona ireo rahalahy, fa naorin’izy ireo indray ilay efitrano. Tsy nahita olana intsony izy ireo taorian’izay.
Ny Komitin’ny Tany any Serbia no miandraikitra an’ireo fiangonana efatra eto. Misy mpitory iray isaky ny olona 2 967 eto izao, ka ankasitrahan’ireo mpitory 201 eto ny fanampian’ireo mpisava lalana manokana 6. Amin’ny ankamaroan’ny olona eto Monténégro, dia fombafomba fotsiny no andehanany mivavaka, fa tsy noho ny fanarahana an’izay voalazan’ny Baiboly. Mbola sahy mitory ny vaovao tsara foana anefa ireo rahalahy sy anabavintsika eto, izay tena be fikirizana tokoa.
Tantaran’i Slovenia Ankehitriny
I Slovenia no faritra avaratrandrefana tamin’i Iogoslavia, ary nahazo fahaleovan-tena tamin’ny 1991. Nandroso be ny toe-karena teto taorian’izay, ka lasa anisan’ny Vondrona Eoropeanina i Slovenia tamin’ny 2004. Kely ny velaran-tany eto, nefa ahitana tendrombohitra manerinerina, farihy eny an-tendrombohitra, ala maitso mavana, lava-bato lehibe, ary morontsiraka tsara tarehy. Mangatsiatsiaka erỳ eny an-tendrombohitra, ary antonony tsara ny hafanana eny amin’ny tanin’oliva sy tanimboaloboka manamorona ny Ranomasina Adriatika. Maro be koa ny toerana mirakitra ny kolontsaina sy ny tantaran’i Slovenia azo tsidihina. Tsy ireo valam-pirenena sy tanàna manan-tantara ihany anefa no mampiavaka an’i Slovenia, fa eo koa ny tantaran’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika.
EFITRANO FANJAKANA SY MPISAVA LALANA
Tsaroanao angamba fa tao Maribor ireo rahalahy nantsoina hoe “mpanety mino ny Baiboly” no nitory. Lasa nisy mpitory vitsivitsy tao, ka nivory tao amin’ny hotely fisakafoana iray izy ireo. Nety tsara àry tatỳ aoriana ny niantsoana an’io hotely io hoe Novi Svet (Tontolo Vaovao). Velom-pisaorana an’i Jehovah anefa ny Vavolombelona eto Slovenia izao, fa manana Efitrano Fanjakana tsara tarehy maromaro. Nihatsara ny toe-draharaham-pirenena taorian’ny 1990 ary nitombo ny isan’ny mpitory, ka nasiana Komitim-paritra Momba ny Fanorenana teto. Nisy 14 ny Efitrano Fanjakana naorina sy nohavaozina nanomboka tamin’ny 1995, noho ny fanampian’ny mpiasa an-tsitrapo 100 mahery, sy ny vola nomen’ireo rahalahy any an-tany hafa.
Nitombo koa ny isan’ny mpisava lalana maharitra: Nisy 10 izy ireo tamin’ny 1990 ary lasa 107 tamin’ny 2000. Anisan’ireny mpisava lalana be zotom-po ireny i Anica Kristan, izay nafana fo be tamin’ny politika talohan’ny nahalalany ny fahamarinana.
Tena nampandroso ny asa fitoriana koa ireo rahalahy sy anabavy avy any an-tany hafa tonga nanompo teto. Tonga tamin’ny 1992 ny misionera voalohany, izay tsy iza fa i Franco sy Debbie Dagostini. Voatendry ho any Afrika izy ireo tatỳ aoriana, ka nisy misionera hafa indray nalefa teto, dia i Daniel sy Karin Friedl avy any Aotrisy. Nisy misioneran’i Gileada koa tonga vao haingana: Geoffrey sy Tonia Powell, ary Jochen sy Michaela Fischer. Tena tia an’i Jehovah sy tia manampy olona izy ireny. Toy izany koa ireo mpisava lalana manokana avy any Aotrisy sy Italia ary Polonina.
KOMITY MIFANDRAY AMIN’NY HOPITALY
Nasiana Biraon’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly teto amin’ny Betela tamin’ny 1994. Natsangana koa ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH), ka roa no natsangana. Nihaona tamin’ny minisitry ny fahasalamana ny rahalahy sasany anisan’ireo komity ireo. Ilay minisitra kosa nampivory ny lehiben’ny hopitaly rehetra teto Slovenia. Nohazavain’ireo rahalahy nandritra ilay fivoriana ny asan’ny KMH sy ny hoe nahoana no tsy manaiky hampidiran-dra ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanaiky hitsabo an’ireo marary tsy mety hampidiran-dra àry ny dokotera sasany. Nisy lahatsoratra momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra koa navoaka tao amin’ny gazety ara-pitsaboana.
Sambany tamin’ny 1995 no nisy dokotera nandidy fo tsy nampiasana ra teto Slovenia. Nahomby ilay fandidiana, ka noresahin’ny fampitam-baovao. Nanoratra lahatsoratra momba izany koa ilay dokotera sy ilay anestezista nanao ilay fandidiana. Nanomboka tamin’izay àry ny fitsaboana tsy ampiasana ra, ary maro kokoa izao ny dokotera vonona hanaja ny safidin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
BIRAON’NY SAMPANA VAOVAO
Niova ny toe-draharaha politika teto Slovenia tamin’ny 1991, ka nanapa-kevitra ny Filan-kevi-pitantanana fa hasiana birao eto mba hiandraikitra ny asa fitoriana. Novidina àry ny trano iray teo an-tampon-tanànan’i Ljubljana renivohitra. Nohavaozina ilay trano, ary nifindra tao ny Betelita tamin’ny 1 Jolay 1993. Nisy 10 ny Betelita tamin’izany, kanefa lasa 35 rehefa afaka folo taona. Mba hahazoana efitra fiasana maro kokoa àry, dia nafindra ho amin’ny trano iray nohofana teo akaiky teo ny Betelita, ka tao izy ireo no nipetraka. Nohofana koa ny trano iray teo akaiky mba hatao lakozia sy efitra fisakafoana ary efitra fanasan-damba. Tamin’ny 1997 no lasa biraon’ny sampana ilay birao teto Slovenia.
Nitady tany ny sampana, tatỳ aoriana, rehefa neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hanorenana trano vaovao. Tany 40 teo ho eo no nojerena, kanefa ny tany iray teto Kamnik no nofidina tamin’ny farany. Roapolo kilaometatra avy ao Ljubljana izy io, eo am-pototry ny tendrombohitra tsara tarehy. Rehefa hita fa azo anorenana ilay toerana, ary voarain’ireo rahalahy ny taratasy fahazoan-dalana hanorina, dia novidina ilay tany. Natao ny fifanarahana tamin’ny orinasa iray mpanao fanorenana, ary nisy mpanompo iraisam-pirenena koa nasaina hanampy. Toa efa vonona daholo ny zava-drehetra tamin’izay.
Vao fantatry ny mponina teny amin’ny manodidina anefa ilay tetikasa, dia notoherin’izy ireo. Nosakanan’izy ireo ny lalana mankao amin’ilay toerana, tamin’ny andro tokony hanombohana ny asa. Nanao sora-baventy koa izy ireo tsy ela taorian’izay, mba hampisehoany ny fanoherany. Nalefa hanala an’ireo sakana napetrak’ireo mpanohitra ny mpiasan’ny kaominina, enina andro taorian’izay, ary polisy 30 teo ho eo no tonga tamin’ny 12 antoandro mba hiaro azy ireo. Nompan’ireo mpanohitra anefa ny polisy. Soa ihany fa efa nahemotra ny fanombohana ilay asa, ka tsy nisy teo ireo rahalahy sy ireo mpiasan’ilay orinasa mpanao fanorenana, tamin’io andro io. Nihena ny fanoherana rehefa nahemotra ilay tetikasa, ary niezaka nandamina ilay olana ireo rahalahy.
Intelo no narodan’ny mpanohitra ny fefy nanodidina ilay toerana. Azo natomboka ihany anefa ilay asa iray volana tatỳ aoriana, ka tsy nisy nanakantsakana intsony. Nisy nahatsara azy ihany ilay fanoherana, satria nahatonga ny fampitam-baovao hiresaka momba ilay tetikasa. In-150 mahery ny tele sy ny radio ary ny gazety no niresaka momba ilay izy. Vita ilay trano rehefa afaka herintaona latsaka kely, ary nifindra tao ny fianakavian’ny Betela tamin’ny Aogositra 2005.
Niova tanteraka ny fihetsiky ny olona teny amin’ny manodidina, taorian’izay. Tonga nitsidika ny Betela ny maro tamin’izy ireo. Niova, ohatra, ny mpanohitra iray, ka te hahafantatra hoe iza marina ny Vavolombelona ary inona no atao ao amin’ilay trano. Tonga nitsidika ny Betela izy, ary nahavariana azy ny fomba nandraisana azy sy ny fahadiovan’ilay toerana. Hoy izy: “Nanontanian’ny mpiara-monina aho raha lasa miandany aminareo indray, ka namaly hoe: ‘Taloha aho nanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah, fa izao kosa aho momba azy ireo satria olona tsara ry zareo.’ ”
Andro iray toa zato ny 12 Aogositra 2006! Nanao ny lahateny fitokanana i Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ary nisy 144 ny mpanatrika avy amin’ny firenena 20 teo ho eo. Nasiana fivoriana manokana koa tao Ljubljana, ka nisy mpanatrika 3 097 avy teto Slovenia sy avy tany Kroasia sy Bosnia-Herzegovina.
MBOLA HO BE NY VOKATRA
Matoky tanteraka ireo Vavolombelona eto Slovenia fa mbola hitari-dalana sy hitahy azy ireo foana ilay Rainy any an-danitra. Faly izy ireo nahazo Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny slovenianina, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2004. Tapa-kevitra ny hitory sy hanao mpianatra foana izy ireo izao, satria efa manana biraon’ny sampana ampy fitaovana sady manana mpisava lalana be zotom-po maro.—Mat. 28:19, 20.
Katolika ny ankamaroan’ny Slovenianina, kanefa maro no lasa tsy mino an’Andriamanitra, nandritra ny fitondran’ny Kominista. Maro koa no be fanahiana eo amin’ny fiainana, na voafandriky ny fitiavan-karena. Ny hafa indray variana amin’ny spaoro sy ny fialam-boly. Mbola misy ihany anefa ny olona tso-po voasariky ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
Mbola mandroso tsara ny asa fitoriana. Nahatratra 1 935 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny Aogositra 2008, ary efa ho ny ampahefatr’izy ireo no mpisava lalana. Misy koa izao ny mpitory mitory amin’ny olona miteny albaney, anglisy, kroaty, serba, sinoa, ary mampiasa Tenin’ny Tanana Slovenianina. Mpanety roa lahy monja no nitory teto Slovenia tamin’ny voalohany, nefa lasa misy mpitory maro be mitory amin’ny fiteny maro samihafa eto ankehitriny. Mikaroka an’izay olona mendrika sy maniry hanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izy ireo.—Mat. 10:11.
Niteraka fijaliana sy fahoriana be ny adim-poko sy ny ady nifanaovan’ireo fivavahana nanerana an’ireo tany anisan’i Iogoslavia teo aloha. Na izany aza, dia mifankatia foana ny vahoakan’i Jehovah, ka hita fa tena mpianatr’i Kristy. Lasa nisandratra ho avo noho ny zava-drehetra eto amin’ity tontolo ity àry ny fivavahana marina, ka mihamaro hatrany ny olona voasarika hanaraka azy io. Tapa-kevitra koa ny Vavolombelona eto fa hiara-manompo an’i Jehovah mandrakizay.—Isaia 2:2-4; Jaona 13:35.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mpitolona fasista ny Ustaša, ary niady mba hahazoan’i Kroasia fahaleovan-tena. Notohanan’ny Eglizy Katolika izy ireo ary nalaza ho mahery setra be.
b Noho ny toe-draharaha politika, dia nampiana hoe “avy Amin’Andriamanitra” ny lohatenin’izy io, mba hanazavana ny karazana fahafahana nirin’ireo rahalahy.
c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Fanampiana Ireo Mpianakavintsika ao Amin’ny Finoana any Bosnia”, ao amin’ny Tilikambo 1 Novambra 1994, pejy 23-27.
[Teny notsongaina, pejy 165]
Tsy mba sahala amin’ireo foko sy fivavahana nifankahala ireo rahalahy, fa niray saina
[Teny notsongaina, pejy, 173]
‘Mba hampifaliana olona angaha moa no hijanonako ato am-ponja? Fa angaha moa ny fiainako miankina amin’izay ataon’ny hafa na izay eritreretiny na izay lazainy?’
[Efajoro, pejy 144]
Ny Fahasamihafan’ireo Firenena Anisan’i Iogoslavia teo Aloha
Raha manontany olona maromaro ianao hoe inona avy no kolontsaina nisy teto, dia azo inoana fa samy hafa ny valin-tenin’izy ireo. Hilaza anefa izy rehetra fa nisy foko fito teto, izay samy nanana ny fiteniny sy ny abidy nampiasainy. Samy nanana ny fivavahany koa ny foko tsirairay, ary izany no nampiavaka azy tamin’ny foko hafa. Nizara ho Katolika sy Ortodoksa ny fivavahana kristianina nisy teto, arivo taona mahery lasa izay. Lasa nisasaka àry i Iogoslavia teo aloha: Katolika ny ankamaroan’ny olona any Kroasia sy Slovenia, fa Ortodoksa kosa ny any Serbia sy Macédoine. Ny olona any Bosnia indray Silamo sy Katolika ary Ortodoksa.
Tsy ny fivavahana ihany anefa no mampizarazara ny olona, fa ny fiteny koa. Samy manana ny fiteniny ny firenena tsirairay atỳ, nefa betsaka ny teny mitovitovy ka mifankahazo resaka ihany ny olona avy any Serbia, Kroasia, Bosnia, ary Monténégro. Tafiditra ao anatin’ny fiteny slavy daholo mantsy ny fitenin’ny ankamaroan’ny olona nanerana an’i Iogoslavia, ankoatra ny any Kosovo. Tsy manana teny iombonana loatra kosa ny avy any Kosovo sy Macédoine ary Slovenia. Nezahina nakambana ho fiteny iray ny fitenin’ireo faritra nanana teny mitovitovy, nanomboka tamin’ny taona 1900 tany ho any. Nifarana teo anefa izany rehefa rava i Iogoslavia, tamin’ny 1991. Nandritra ny folo taona teo ho eo izay, dia niezaka hanana ny teniny manokana indray ny firenena tsirairay, mba hiavahany amin’ny firenena hafa.
[Efajoro/Sary, pejy 148]
Mpanamboatra Famantaranandro Nampiely ny Fahamarinana
Nitety tanàna nanerana an’i Kroasia i Antun Abramović tamin’ny taona 1935 tany ho any, mba hanamboatra famantaranandro. Nahita bokikelintsika anankiray izy tao amin’ny tranombahiny iray. Nanohina ny fony ny zavatra novakiny tao, ka niaiky avy hatrany izy hoe nahita ny fahamarinana. Nanafatra boky hafa tany amin’ny sampana àry izy, ary tsy ela dia nanokan-tena ho an’i Jehovah. Rehefa nitety tanàna izy taorian’izay, dia tsy hoe nanamboatra famantaranandro fotsiny fa nitory koa. Tena nety tsara izany satria voarara ny asa fitoriana tamin’izany. Nanaiky ny fahamarinana ireo olona vitsivitsy nitoriany tao amin’ny tanàna kely iray atao hoe Privlaka, ka lasa nisy fiangonana kely tao. Ny mpitory tao indray no nampiely ny fahamarinana hatrany Vinkovci sy ny manodidina azy, any Slavonia.
Anisan’ireo nanao pirinty an-tsokosoko ny boky sy gazety nozaraina nanerana an’i Iogoslavia ny Rahalahy Abramović, nandritra ny Ady Lehibe II. Tena be zotom-po izy, ka voaheloka higadra an-taonany maro niaraka tamin’ny rahalahy hafa 13, tamin’ny 1947. Lasa mpiandraikitra mpitety faritany izy rehefa vita ny saziny. Nazoto nanompo an’i Jehovah foana izy nandritra ny androm-piainany.
[Efajoro/Sary, pejy 151]
Mpitarika Orkesitra Lasa Mpisava Lalana
Mpitarika orkesitra tao amin’ny tafika mpiaro ny mpanjaka, i Alfred Tuček, taona maro lasa izay. Nahazo boky ara-baiboly tamin’ny mpiara-miasa taminy atao hoe Fritz Gröger izy, tany amin’ilay faritra antsoina ankehitriny hoe Bosnia-Herzegovina. Nilaza tamin’ny Fikambanana Fanilon-tsambo any Maribor izy taloha kelin’ny taona 1930 tany ho any, fa te ho mpisava lalana maharitra. Anisan’ireo mpisava lalana voalohany tatỳ amin’ny faritr’i Iogoslavia i Alfred. Tsara karama izy, kanefa nafoiny ny asany satria tena tiany i Jehovah. Tsy nanembona ny zavatra nafoiny izy, ka azo lazaina hoe ‘tsy nitodika tany aoriana.’ (Lioka 9:62) Nitety tanàna niaraka tamin’ireo mpisava lalana avy any Alemaina izy taoriana kelin’ny 1930, mba hampiseho ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” Anisan’ny nanao ny sarin’ireo faritany nitoriana koa izy, mba handaminana ny asa teto. Nanambady an’i Frida, iray tamin’ireo mpisava lalana alemà, izy tamin’ny 1934. Nasaina nitory tao Sarajevo, atsy Bosnia, aloha izy mivady, ary tatỳ aoriana tany Macédoine, Monténégro, Kroasia, ary Serbia. Bisikileta no nentin’izy ireo nanompo tamin’ny voalohany, ary nahazo môtô izy ireo tatỳ aoriana. Tsy dia nihaino ny olona tamin’izany sady voarara ny asa fitoriana, kanefa niezaka nitory tamin’ny olona faran’izay betsaka izy mivady.
[Efajoro/Sary, pejy 155, 156]
Nanompo Foana na Salama na Narary
Talohan’ny nanendrena an’i Martin Poetzinger ho mpiandraikitra an’ireo mpisava lalana teto, dia nanompo tany amin’ny tany maromaro tany Eoropa Afovoany izy. Tamin’izay koa izy no nifankahita tamin’ilay mpisava lalana alemà be zotom-po atao hoe Gertrud Mende, izay lasa vadiny tatỳ aoriana. Niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah ny mpisava lalana tamin’izany rehefa tsy salama, satria tsy nisy ny fiantohana ara-pitsaboana. Nisy nanampy foana anefa izy ireo, ary olona tsara sitrapo no nampiasain’i Jehovah indraindray, tao anatin’ny fotoan-tsarotra. Rehefa narary be, ohatra, ny Rahalahy Poetzinger tany Zagreb, dia ny Anabavy Mende no nikarakara azy.
Hoy i Gertrud Mende: “Samy nasaina ho any Sarajevo izahay sy Martin, tamin’ny 1935 tany ho any. Nisy zava-nitranga tsy nampoizina anefa. Tsy tsaratsara i Martin, indray hariva. Nanavy izy ny alin’iny, ka efa ho 40 degre ny hafanany. Rehefa nitsidika azy aho ny ampitso maraina, dia nilaza ny tompon-tranony fa nanahy momba ny fahasalamany. Nomenay divay nampangotrahina nasiana siramamy be dia be izy, nefa tsy nihatsara mihitsy. Nantsoiko an-telefaonina izay dokotera hitako tao amin’ny lisitr’ireo mpamandrika telefaonina, saingy tsy nisy nanaiky ho tonga avy hatrany izy ireo. Nahita fialan-tsiny daholo ry zareo.
“Nanoro hevitra ahy ilay tompon-trano mba hiantso ny hopitaly, ka nantsoiko ny lehiben’ny hopitaly. Nohazavaiko taminy fa marary mafy ao am-pandriana i Martin, ary mahatratra 40 degre ny hafanany. Tsara fanahy be ilay lehilahy, ka nandefa fiara mpitondra marary. Rehefa nampidirina tao anaty fiara i Martin, dia hoy ilay tompon-trano tamiko: ‘Ampionòny ny sainao fa tsy hahita azy intsony ianao!’
“Nanampy trotraka koa ny tsy fanananay vola. Tsy nanana afa-tsy izay vola kely azonay tamin’ny boky sy gazety izahay mpisava lalana, nefa zara raha ampy ivelomana izany. Tsy hitanay izay hatao ary tsy fantatray hoe ohatrinona ny vola ho lany amin’ilay fitsaboana. Nizaha ny fahasalaman’i Martin ny Dr. Thaler, ary hoy izy: ‘Misy rano ny havokavony, ka mila didiana izy. Mbola ho elaela izy vao ho sitrana!’
“Hitan’ny Dr. Thaler angamba hoe sahirana be izahay, ka hoy izy: ‘Tiako ny hanampy olona manam-pinoana toa anareo!’ Tsy nampandoaviny vola àry i Martin tamin’ilay fandidiana. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia vitanay ihany ny niatrika an’iny fotoan-tsarotra iny. Tsy afaka nankany Sarajevo izahay noho iny zava-nitranga iny, fa tsy maintsy niverina tany Alemaina.”
[Sary]
Martin Poetzinger tany Alemaina, tamin’ny 1931
[Efajoro/Sary, pejy 161, 162]
Niasa na Andro na Alina
LINA BABIĆ
TERAKA 1925
BATISA 1946
TANTARANY Mpiasan’ny Betela nanomboka tamin’ny 1953, rehefa nekena ho ara-dalàna ny asantsika. Nanampy tamin’ny fanaovana pirinty sy ny fandefasana boky sy gazety. Manompo ao amin’ny Betelan’i Zagreb izao.
NILAINA ny nanao kopia gazety maro kokoa, rehefa nafahana avy tany am-ponja ireo ranadahy. Nomanina haingana àry ny zavatra rehetra nilaina tamin’izany. Betsaka ny asa tokony hatao nefa vitsy ireo ranadahy, ka nanolo-tena hanampy aho, na dia niasa tontolo andro aza. Niasa àry aho rehefa antoandro, ary nanao pirinty hatramin’ny alina be koa avy eo.
Mbola tsy nisy tranon’ny sampana teto tamin’izany, ka nanaiky ny hanaovana pirinty tao an-tranony ny mpivady zokiolona iray, dia i Petar sy Jelena Jelić. Nirefy 4,5 metatra toradroa teo ho eo monja anefa ilay efitra tokana nisy azy ireo. Nasianay lamba nohenjanina tamin’ny hazo teo ambony fandriana, ary teo no napetrakay izay pejy vita pirinty. Teo ambony latabatra, akaikin’ny fandriana, kosa ilay milina fanaovana kopia nahodin-tanana. Nahavita 800 pejy teo ho eo isan’ora izahay. Kely ihany izany raha ampitahaina amin’ny vitan’ireo milina ankehitriny. Faly anefa izahay fa vitanay izay boky sy gazety rehetra nilainay. Tsy nahavita izany izahay raha tsy nanam-paharetana sy niasa mafy.
Nanam-paharetana koa izy mivady ka nampihetsi-po erỳ izany! Tsy afaka natory mantsy izy ireo, raha tsy efa vita ny asanay ary tafafindra ireo taratasy vita pirinty. Tsy nitaraina mihitsy anefa izy mivady. Faly sy miramirana kosa izy ireo, satria afaka nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanatanterahana ny asa fitoriana. Nanampy anay hanambatra sy hanjaitra ary hamoritra ireo taratasy vita pirinty i Jelena sy ny rahavavy zokiolona hafa. Tena nilaina ny fanampian’izy ireo!
Nahazo milina mandeha amin’ny herinaratra izahay tamin’ny 1958, ka nanjary mora kokoa ny nanao pirinty. Gazety 20 monja isaky ny nomerao no vitanay, tamin’izahay vao nanomboka nanao pirinty tamin’ny 1931. Lasa 2 400 anefa izany taoriana kelin’ny 1960, ary natao tamin’ny fiteny kroaty sy serba (sirilika) ary slovenianina. Nanao pirinty bokikely maro be izahay, na dia tsy afaka nanao boky aza. Tamin’ny 1966 izahay no namoaka bokikely betsaka indrindra. Nozaraina ho bokikely 12 mantsy ilay boky hoe ‘Zavatra Izay Tsy Hain’Andriamanitra Andaingana’, ary mpanao pirinty teo an-toerana no nampanaovinay azy. Te hamoaka boky 50 000 izahay, ka tsy maintsy nanao pirinty bokikely 600 000, izay natao tamin’ny fiteny telo.
Manompo eto amin’ny Betelan’i Zagreb aho izao. Faly aho rehefa manao jery todika ny lasa, ary mahita ny fomba nitahian’i Jehovah ny asa fitoriana atỳ amin’ireo firenena anisan’i Iogoslavia teo aloha.
[Efajoro/Sary, pejy 176, 177]
“Mety Hiova ny Toe-javatra Rahampitso”
IVICA ZEMLJAN
TERAKA 1948
BATISA 1961
TANTARANY Nogadraina indimy noho izy tsy nety nanao miaramila. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra isaky ny faran’ny herinandro, tatỳ aoriana. Anti-panahy ao amin’ny fiangonana iray ao Zagreb izao.
VAVOLOMBELONA ny ray aman-dreniko, ka niresaka momba ny fahamarinana foana izahay tao an-trano. Rehefa voantso ho miaramila aho, dia nohazavaiko ny antony tsy hanaovako miaramila. Notsaraina aho avy eo, ka voaheloka higadra sivy volana. Voantso ho miaramila indray anefa aho raha vao nafahana. Notsaraina indray aho ka voaheloka higadra herintaona. Mbola voantso indray aho raha vao vita ny saziko, ary notsaraina indray. Fanintelony tamin’izay, ary voaheloka higadra herintaona sy telo volana aho. Voaheloka higadra herintaona sy valo volana indray aho tamin’izaho voantso faninefany, ary voasazy roa taona tamin’ny fanindiminy. Nigadra enin-taona mahery aho, raha atambatra. Teo anelanelan’ny taona 1966 sy 1980 izany no nitranga.
Indroa aho no nalefa tany amin’ny nosy Goli Otok, any amin’ny Ranomasina Adriatika. Fonja ho an’ny gadra politika io nosy io, ka nentina toy ny gadra politika koa aho. Nasaina nitondra vato 100 kilao mahery tao anaty vata hazo izahay, ary nitety ny lavan’ilay nosy manontolo, dia nanipy an’ireo vato tany anaty ranomasina. Niverina naka vato hafa indray izahay avy eo, ary nanipy izany koa. Mila “mameno ny ranomasina” mantsy, hono, izahay. Zavatra tsy misy dikany toy izany no nataonay tontolo andro.
Tamin’izaho nalefa fanindroany tany Goli Otok, dia natokan-toerana iray volana aho aloha. Izany mantsy no fanao tamin’ireo vao tonga. Mafy be tamiko ilay izy, ka nivavaka imbetsaka kokoa aho. Tsy nanana Baiboly na boky ara-baiboly aho, fa taratasy iray nalefan’i Dada sy Neny no hany nahazoako fampaherezana. Tsapako anefa tamin’izay fa marina tokoa ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.” (2 Kor. 12:10) Faly be aho rehefa nafahana sy nahita asa! Lasa natanjaka koa ny finoako.
Noterena hanatona manam-pahaizana momba ny saina aho, tamin’izaho tao amin’ny fonja iray hafa. Nasiaka be tamiko ilay dokotera, ary nanompa ahy. Nivazavazany aho ary nolazainy fa marary saina. Tsy nahazo namaly mihitsy anefa aho. Nantsoin’ilay dokotera indray aho ny ampitso, nefa tsy nasiaka intsony izy. Hoy izy: “Nieritreritra anao aho. Hitako hoe tsy tokony ho ato amin’ity fonja ity ianao, ka hitadiavako asa any ivelany.” Gaga aho fa tena nitady tokoa izy. Tsy fantatro izay nahatonga azy hiova hevitra. Hitako tamin’iny zava-nitranga iny anefa fa tsy tokony hatahotra na hamoy fo mihitsy isika, satria mety hiova ny toe-javatra rahampitso. Misaotra an’i Jehovah aho satria nahatonga ahy hifandray akaiky kokoa aminy ireny zava-nitranga rehetra ireny.
[Efajoro/Sary, pejy 179]
‘Azo Atao ve ny Miresaka Baolina Kitra?’
HENRIK KOVAČIĆ
TERAKA 1944
BATISA 1962
TANTARANY Mpiandraikitra mpitety faritany isaky ny faran’ny herinandro tamin’ny 1973, ary avy eo nanao izany manontolo andro tamin’ny 1974 ka hatramin’ny 1976. Anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Kroasia izao.
TSY fantatray mihitsy raha ho tafody tany an-trano izahay, isaky ny nandeha nitory. Nanana hevi-diso momba antsika mantsy ny polisy, ka matetika izahay no nosamboriny sy nalainy am-bavany.
Voatana tany amin’ny polisy izahay indray mandeha. Nilaza izy ireo fa tsy azonay atao ny miresaka momba an’Andriamanitra eny an-dalana sy any an-tranon’olona, fa any amin’ny toerana voatokana ho amin’izany ihany. Nivavaka vetivety tamin’i Jehovah toy ny nataon’i Nehemia àry aho, mba hanampiany ahy hahita izay holazaiko. Nanontaniako avy eo ilay mpanao famotorana hoe: “Any amin’ny kianja filalaovam-baolina ihany ve no azo atao ny miresaka baolina kitra, sa any an-toeran-kafa koa?” Nilaza izy fa azo atao izany na aiza na aiza. Dia namaly aho hoe: “Azo atao koa izany ny miresaka momba an’Andriamanitra, na aiza na aiza, fa tsy any amin’ny toeram-pivavahana ihany.” Nalaina am-bavany adiny dimy izahay sy ilay namako, nefa nafahana ihany avy eo.
Rehefa manao jery todika an’ireo 40 taona nanompoanay izahay sy Ana vadiko, dia afaka milaza fa tsy hatakalonay na inona na inona eto amin’ity tontolo ity izany. Efa ho 70 ny olona nampianay hahafantatra ny fahamarinana. Tsapanay fa tena nanatsara ny fiainanay izay asa nanendren’i Jehovah anay.
[Efajoro/Sary, pejy 195, 196]
Nampanantena Hiverina Izahay
HALIM CURI
TERAKA 1968
BATISA 1988
TANTARANY Anisan’ny nandamina sy nizara fanampiana teto Sarajevo. Anti-panahy izao, sady anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, ary solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo anatrehan’ny fitsarana.
NATAO fahirano i Sarajevo tamin’ny 1992. Tsy nahazo boky sy gazety izahay, ka gazety taloha no nianaranay ary nadika tamin’ny milina tranainy ny lahatsoratra fianarana. Niisa 52 monja ny mpitory tamin’izany, nefa 200 mahery ny mpivory ary 240 teo hoe eo ny fampianarana Baiboly.
Teraka i Arijana zanakay vavikely tamin’ny Novambra 1993. Nafotaka anefa ny ady tamin’izay ka tena sarotra ny nitaiza. Tapaka nandritra ny herinandro maromaro indraindray ny rano sy ny herinaratra, ka nataonay kitay ny fanaka tao an-trano. Nandalo toerana nampidi-doza koa izahay rehefa nandeha nivory. Nitifitra an’izay olona hitany ny miaramila niafina, ka tsy maintsy nihazakazaka izahay rehefa niampita ny arabe sy ny barazy sasany.
Nody avy nivory izahay telo mianaka sy ny Rahalahy Dražen Radišić, indray andro, no injay nisy poa-basy tampoka. Nitsotra tamin’ny tany izahay, nefa voatifitra teo amin’ny kiboko aho. Nanaintaina be ilay izy. Maro ny olona nahatazana anay avy teny am-baravarankely, ka nisy tovolahy be herim-po nivoaka haingana mba hitondra anay tany amin’ny toerana azo antoka. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly aho avy eo. Mila ra maika, aho, hoy ny dokotera, ka tokony hampidiran-dra. Nohazavaiko anefa hoe tsy eken’ny feon’ny fieritreretako izany. Nanery ahy hiova hevitra izy ireo, nefa nilaza aho fa tapa-kevitra ny tsy hampidiran-dra ary vonona hiatrika izay ho vokatr’izany. Nataon’izy ireo ihany àry ilay fandidiana, ary naharitra adiny roa sy sasany ilay izy. Velona ihany aho, na dia tsy nampidiran-dra aza.
Nila niala sasatra aho taorian’izay, saingy tsy afaka nanao izany noho ny ady. Nanapa-kevitra ny ho any amin’ny fianakavianay any Aotrisy àry izahay. Tionelina iray tao ambanin’ny seranam-piaramanidina anefa no hany azo nivoahana an’i Sarajevo. Mirefy 900 metatra ny halavan’izy io, ary 1,20 metatra ny haavony. Ny vadiko no nitondra ny zazakely, ary izaho no niezaka nitondra ny entana. Nampiany anefa aho satria mbola reraka.
Faly be izahay nijanona elaela tany amin’ny fianakavianay tany Aotrisy. Efa nampanantena an’ireo rahalahy teto Sarajevo anefa izahay hoe hiverina, ary efa niresaka an’izany tamin’ny Mpamorona. Tsy maintsy nandao an’i Aotrisy àry izahay, na dia sarotra aza ny nisaraka tamin’ny fianakavianay, indrindra fa tamin’i Neny. Nohazavainay tamin’izy ireo fa efa nilaza tamin’Andriamanitra izahay hoe tsy maintsy hiverina raha manampy anay ho tafavoaka an’i Sarajevo izy mba hahafahanay hiala sasatra kely. Tsy azonay atao ny hilaza amin’Andriamanitra hoe: “Misaotra anao nanampy anay ho tonga eto Aotrisy, kanefa tena tianay eto ka aleonay indray mijanona eto.” Ireo rahalahy tao amin’ny fiangonanay koa moa nila anay. Tena nanohana ahy tamin’izany rehetra izany i Amra vadiko.
Tonga teo amin’ilay tionelina indray àry izahay tamin’ny Desambra 1994, saingy hiverina eto Sarajevo. Gaga ireo olona nahita anay ka nanontany hoe: “Fa nahoana ianareo no miverina? Ny olona rehetra aza te hitsoaka an’io tanàna atao fahirano io.” Tena nahafinaritra be anefa ny nifankahita indray tamin’ireo rahalahy, tao amin’ny Efitrano Fanjakana! Tsy nanenina mihitsy izahay niverina!
[Efajoro, pejy 210]
Ireo Nosy Anisan’i Kroasia
Mirefy 1 778 kilaometatra ny halavan’ny morontsirak’i Kroasia. Miisa 1 000 mahery ireo nosy anisan’i Kroasia, nefa 50 eo ho eo no misy mponina. Tena kely ny nosy sasany satria iray kilaometatra toradroa mahery kely fotsiny ny velaran-taniny. Misy kosa anefa mahatratra 400 kilaometatra toradroa.
Manjono ny mponina eny amin’ireo nosy, ary mamboly oliva sy voaloboka ary legioma. Miisa 140 ny nosy sy haran-dranomasina ao amin’ny Valan-javaboarin’i Kornati, ary tena tsara anaovana antsitrika io faritra io. Mpaka vato harana sy spaonjy any anaty ranomasina ny mponina ao Krapanj sy Zlarin. Mamokatra tantely sy menaka romarin ary mamboly voninkazo anamboarana ranomanitra ny ao Hvar. Manamboatra fromazy be mpitia vita amin’ny rononon’ondry kosa ny mponina ao Pag, izay nosy ngazana. Zavamaniry sy bozaka masira no sakafon’ireo ondry ireo.
Miezaka mafy mitory eny amin’ireo nosy ny Vavolombelona. Miampita tetezana fotsiny izy ireo dia tonga eny amin’ny nosy sasany, fa tsy maintsy mandeha baka kosa rehefa ho any amin’ny nosy hafa. Misy mpitory maromaro koa tia mandeha mitory any mandritra ny roa andro. Sarotra anefa ny mifampiresaka amin’ireo mponina, satria hafa be ny fitenim-paritra ampiasainy.
Soa ihany fa manaiky ny fahamarinana ny sasany amin’ireny olona ireny. Misy fiangonana iray izao ao amin’ny nosy Korcula, ary misy mpitory 52. Tsy maintsy mandeha lavitra ny mpandahateny, rehefa hanao lahateny ho an’ny besinimaro any. Manampy an’ilay fiangonana ho tafaray foana amin’ny rahalahiny eran-tany anefa izany ezaka izany.—1 Pet. 5:9.
[Efajoro/Sary, pejy 224]
‘Nankany Am-ponja 11 Andro Mialoha Aho’
PAVLINA BOGOEVSKA
TERAKA 1938
BATISA 1972
TANTARANY Nirotsaka ho mpisava lalana tamin’ny 1975, ary mpisava lalana manokana voalohany teto Macédoine, tamin’ny 1977. Nanampy olona 80 hahalala ny fahamarinana.
IMBETSAKA aho no voasambotra, satria nisy nitoroka tany amin’ny polisy rehefa nitory ny vaovao tsara. Nalaina am-bavany nandritra ny ora maro aho indraindray, ary nampandoavina lamandy imbetsaka koa. Nentina tany amin’ny fitsarana aho, ary nampangaina ho mpanohitra ny fitondrana sy mpanao fampielezan-kevitra ho an’ireo firenena tsy kominista. Indray mandeha aho voaheloka higadra 20 andro, ary indray mandeha 30 andro.
Nifanindry tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra anefa ilay fotoana tokony higadrako 20 andro. Nangataka ny hanemorana ny saziko aho, nefa tsy nanaiky ny fitsarana. Nanapa-kevitra ny ho any am-ponja 11 andro mialoha àry aho, satria naleoko nigadra alohan’ny fotoana. Gaga be ny mpiambina fonja nahita ahy. Tena tsy nampino azy ireo hoe nisy olona te higadra alohan’ny fotoana. Nanararaotra nitory tamin’izy ireo aho, ka nampanantena ahy izy ireo fa hikarakara ahy tsara. Nisy polisy tonga tany am-ponja 11 andro tatỳ aoriana, mba hijery raha efa tonga tao aho na tsia. Taitra be izy rehefa nilazan’ny mpiambina fa efa 11 andro aho no tao. Faly aho fa afaka nanatrika an’ilay fivoriambe ihany!
[Efajoro/Sary, pejy 232]
‘Nomeny Izay Tsara Indrindra Nananany’
ŠANDOR PALFI
TERAKA 1933
BATISA 1964
TANTARANY Nahalala ny fahamarinana ny ray aman-dreniny rehefa nigadra tany amin’ny toby naorin’ny miaramila kominista. Nanao ny asan’ny faritra isaky ny faran’ny herinandro i Šandor, ary anisan’ny Komitin’ny Tany eto Serbia izao.
NIGADRA vetivety tany amin’ny toby naorin’ny miaramila kominista taoriana kelin’ny Ady Lehibe II ny fianakavianay, noho izahay Hongroà. Nivadika ho fitahiana anefa izany, satria tany i Dada sy Neny no nahalala ny fahamarinana. Tsy nahaliana ahy loatra ny fahamarinana tamin’izaho mbola zatovo. Nanova be ny fiainako anefa ny Rahalahy Franz Brand. Nipetraka tao aminay nandritra ny taona vitsivitsy mantsy izy. Nasainy nadikako tamin’ny teny serba ny boky hongroà iray, ka nanaiky aho satria te hanampy azy. Hay tsy nila nadika akory ilay boky raha ny marina, fa tiany hovakiko fotsiny! Nahomby ilay tetika nataony, ka natao batisa aho tamin’ny 1964.
Anisan’ny tena nahafaly ahy indrindra ny nanao ny asan’ny faritra. Tsy mora foana anefa izany satria nahantra ireo rahalahy. Efa nitranga imbetsaka ny hoe natory tao amin’ny efitra iray ihany izaho sy ilay fianakaviana nampiantrano ahy. Niaritra zava-tsarotra maro aho, kanefa tsy nampaninona ahy izany. Nahafinaritra erỳ mantsy ny nahita ny hafalian’ireo rahalahy, izay efa niandry mafy an’ilay fitsidihana! Tena nankasitraka azy ireo aho, satria nanome izay tsara indrindra nananany izy ireo.
[Efajoro/Sary, pejy 236, 237]
“Aiza no Hahitako An-dry Zareo?”
AGRON BASHOTA
TERAKA 1973
BATISA 2002
TANTARANY Miaramila taloha tao amin’ny Tafika Mitaky ny Fahafahan’i Kosovo. Mpisava lalana maharitra sady mpanampy amin’ny fanompoana izao.
LASA nihevitra aho hoe tsy misy Andriamanitra, rehefa nahita ny zava-mahatsiravina nandritra ny ady, anisan’izany ny famonoana ankizikely. Nieritreritra aho hoe: ‘Raha tena misy Andriamanitra, nahoana no tsy faranany ny fijaliana?’ Vao mainka nihena ny finoako, rehefa hitako fa nanohana an’ilay ady nifanaovana tamin’ny Serba ireo mpitondra fivavahana silamo. Silamo aho talohan’ny ady, kanefa lasa tsy nino an’Andriamanitra rehefa nifarana ny ady. Niditra tao amin’ny Tafika Mitaky ny Fahafahan’i Kosovo aho. Nanaja ahy ny miaramila sady nahazo tombontsoa maro aho, na dia vao haingana aza no nidirako tao. Nanjary nisetrasetra sy nanambony tena àry aho, satria notanterahina daholo ny baikoko!
Nampalahelo fa nampiseho izany toetra izany tamin’i Merita vadiko koa aho. Nihevitra aho fa tokony hotanterahiny daholo ny baikoko. Nifandray tamin’ny Vavolombelona izy nandritra ny ady, ka nanana boky sy gazety vitsivitsy. Hoy izy, indray mandeha, talohan’ny hatory: “Mba vakio ange ireto boky momba an’Andriamanitra ireto e!” Tezitra be aho satria nihevitra hoe izy indray ve no hampianatra ahy momba an’Andriamanitra. Tsy te hiady i Merita, ka naleony nandeha natory.
Novakiko ihany anefa ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, rehefa lasa natory izy. Novakiko koa ilay bokikely hoe Fotoana Ankatoavana Tanteraka An’Andriamanitra. Silamo aho, ka gaga be nahita andinin-teny avy ao amin’ny Kôrana tao. Namaky Tilikambo sy Mifohaza! koa aho. Nankao amin’ny efitra fatorianay aho avy eo, ary nofohaziko ny vadiko, na dia efa alim-be aza. Nanontaniako izy hoe: “Iza no nanome anao an’ireto boky ireto? Aiza no hahitako an-dry zareo?”
Tena nanohina ny foko ny zavatra novakiko, nefa tsy tena nino ahy ny vadiko sady natahotra ny amin’izay mety hataoko. Na izany aza, dia nitelefaonina Vavolombelona iray izahay iny alin’iny. Nolazainy taminay ny ora sy ny toerana anaovana fivoriana, ka nandeha nivory izahay ny ampitso maraina. Tena nampiaiky ahy ny fandraisan’ireo rahalahy! Tsy nampoiziko hoe misy olona tsara fanahy toy izany eto an-tany. Tena hafa mihitsy ry zareo! Nisy fanontaniana nanitikitika ny saiko nandritra ilay fivoriana, ka natsangako ny tanako. Natahotahotra ireo anti-panahy, satria tsy fantany hoe inona no nahamaika ahy hiresaka amin’izy ireo. Azo antoka fa maivamaivana erỳ izy ireo, rehefa nahalala fa tiako ho fantatra fotsiny hoe inona no tokony hataoko raha te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah aho!
Ny androtr’iny ihany aho dia nianatra Baiboly. Betsaka ny toetrako tiako hovana, nefa tsy mora ilay izy. Te hiala tamin’ny sigara aho, ary fantatro hoe tsy tokony hiaraka intsony tamin’ireo namako taloha. Nivavaka sy nivory tsy tapaka àry aho, ka afaka niala tamin’ny fanaoko taloha ary nitafy ny toetra vaovao. Nanova tanteraka ny fiainako sy nanatsara ny fiainam-pianakavianay ny fahamarinana. Mpisava lalana maharitra izao izahay mivady, ary voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana aho tamin’ny 2006. Afaka manazava amin’ny hafa aho izao hoe nahoana ny olona no mijaly, ary inona no hataon’i Jehovah tsy ho ela mba hamahana ny olana rehetra mahazo antsika.
[Efajoro/Sary, pejy 249, 250]
“Toy ny hoe Nataon’i Jehovah Jamba Izy Ireo”
JANEZ NOVAK
TERAKA 1964
BATISA 1983
TANTARANY Nigadra telo taona noho ny finoany. Anisan’ny Komitin’ny Sampana eto Slovenia izao.
VOANTSO imbetsaka hanao miaramila aho tamin’ny Desambra 1984. Nametaka taratasy fiantsoana teo am-baravarako ny miaramila tamin’ny farany, ary nandrahona ny hisambotra ahy. Nankany amin’ny toby miaramila àry aho mba hanazava ny antony tsy anaovako miaramila. Tsy nekena ny fanazavako, ary nitady hevitra izy ireo mba hanerena ahy. Noharatana ny lohako, nesorina ny akanjoko, ary nomena fanamiana aho. Tsy nety nanao an’ilay fanamiana aho ka nampidirin’izy ireo an-keriny ilay izy. Nasian’izy ireo stylo koa teny an-tanako ka notereny hanao sonia an’ilay taratasy fanekena hanao miaramila aho. Tsy nety anefa aho.
Tsy nety nanangan-tsaina koa aho, ary tsy nety nanao fanazaran-tena rehefa maraina. Namoaka ahy teny an-tokotany ny miaramila efatra indray andro, ary nandidy ahy hanao fanazaran-tena. Tsy nety aho ka ry zareo no nampiakatra ny tanako. Tonga saina ihany anefa izy ireo hoe hadalana ny azy. Nambanany basy indray aho avy eo ka norahonany hotifirina. Notambatambazan’izy ireo anefa aho indraindray ka nomeny kafe sy mofomamy.
Nitomany ny miaramila sasany rehefa tsy nety niova hevitra aho. Ny hafa kosa tezitra rehefa tsy nety nandrora ny sarin’i Tito, filoha teo aloha, aho. Nasaina nitondra basy aho andro vitsivitsy tatỳ aoriana, nefa tsy nety. Nolazaina fa fahadisoana lehibe izany, ka nogadraina iray volana aho. Nalefa higadra herinandro maromaro tany Zagreb, atsy Kroasia, aho avy eo, mandra-pivoakan’ny didim-pitsarana. Nisy jiro mena tao amin’ny efitra nigadrako, ary navela nirehitra nandritra ny alina ilay izy. Tsy navelan’ilay mpiambina nankany an-kabine koa aho raha tsy rehefa falifaly izy.
Farany, dia nomelohina higadra telo taona tany amin’ny nosy Goli Otok aho. Tany no nandefasana an’ireo mpanao heloka bevava raindahiny, ary mahery setra be ireo gadra tany. Nofatorana rojo vy ny tanako tamin’izaho nentina nankany. Nisy Vavolombelona efatra koa nigadra tany satria tsy nety nanao miaramila.
Tsy navela hitondra Baiboly sy boky aman-gazety izahay. Soa ihany anefa fa efa nisy Baiboly iray tao amin’ilay fonja. Nandefasan’ny fianakaviako Tilikambo koa aho, ka nafeniny tao amin’ny vodina boaty ilay izy. Tsy hitan’ireo mpiambina mihitsy ny gazetinay, ary tsy fantany mihitsy hoe nanao fivoriana izahay. Rehefa niditra tao amin’ny efitra nisy anay izy ireo indraindray, dia nivelatra teo ny gazety, nefa toy ny hoe nataon’i Jehovah jamba izy ireo ka tsy nahita na inona na inona.
Nafindra teto Slovenia aho herintaona taorian’izay, mba hamita ny saziko. Nanambady an’i Rahela aho, tamin’izaho mbola nigadra. Rehefa nafahana aho, dia nanao ny asan’ny mpisava lalana niaraka tamin’ny vadiko. Nanompo teto amin’ny Betela izahay, nanomboka tamin’ny 1993.
[Tabilao, pejy 244, 245]
TAONA MANAN-TANTARA—Ireo Tany Anisan’i Iogoslavia teo Aloha
1925 tany ho any Nisy olona vitsivitsy niara-nandinika ny Baiboly tao Maribor, atsy Slovenia.
Taorian’ny 1930 Nisy mpisava lalana alemà tonga nanampy ny rahalahy iogoslavy.
1935 Natsangana ny biraon’ny sampana tao Belgrade, atsy Serbia.
1940
1941 Nanafika ny tafika alemà, ka nisy fanenjehana mahery vaika.
1950
1953 Nekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Voarara kosa ny fitoriana isan-trano.
1960
1969 Fivoriambe iraisam-pirenena tao amin’ny kianjan’i Nuremberg, any Alemaina.
1970
1990
1991 Fivoriambe iraisam-pirenena tao Zagreb, atsy Kroasia. Tonga ny misioneran’i Gileada voalohany. Nasiana birao tatsy Slovenia, ka ny sampan’i Aotrisy no niandraikitra azy io. Nipoaka ny ady.
1993 Nekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatsy Macédoine.
1994 Natsangana ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly atsy Slovenia.
2000
2003 Nekena ho ara-dalàna ny asantsika tatsy Kroasia. Notokanana ny Betela vaovao tatsy Macédoine.
2004 Navoaka tamin’ny teny slovenianina Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
2006 Notokanana ny biraon’ny sampana vaovao tatsy Slovenia. Navoaka tamin’ny teny kroaty sy serba ary masedonianina ny Baiboly manontolo. Nisy antoko-mpitory miteny sinoa ao Belgrade, atsy Serbia.
2007 Natao tamin’ny teny rômania ny lahateny manokana, tatsy Macédoine. Navoaka ny bokikely voalohany amin’ny teny rômania.
2010
[Tabilao]
(Jereo ny boky)
Mpitory
Mpisava Lalana
14,000
10,500
7,000
3,500
1940 1950 1960 1970 1990 2000 2010
[Sarintany, pejy 147]
(Jereo ny boky)
REPOBLIKA TSEKY
AOTRISY
VIENNE
SLOVAKIA
BRATISLAVA
HONGRIA
BUDAPEST
ROMANIA
BOLIGARIA
GRESY
ALBANIA
TIRANA
RANOMASINA IONIANINA
ITALIA
RANOMASINA ADRIATIKA
IOGOSLAVIA TEO ALOHA
SLOVENIA
LJUBLJANA
Maribor
Kamnik
KROASIA
ZAGREB
SLAVONIA
Osijek
Vukovar
Vinkovci
Privlaka
Jasenovac
Sibenik
Split
MORONTSIRAK’I DALMATIA
Goli Otok
Pag
Kornat
Zlarin
Krapanj
Hvar
Korcula
BOSNIA-HERZEGOVINA
SARAJEVO
Bihać
Banja Luka
Tuzla
Travnik
Zenica
Vares
Mostar
SERBIA
BELGRADE
VOÏVODINE
Bor
MONTÉNÉGRO
PODGORICA
Niksic
Herceg Novi
Tara
Farihin’i Scutari
KOSOVO
Peć
Priština
MACÉDOINE
SKOPJE
Tetovo
Kočani
Stip
Kičevo
Strumica
Resen
Fanamarihana: Hoy ny Firenena Mikambana: “Nilaza i Kosovo fa nisaraka tamin’i Serbia izy tamin’ny Febroary [2008], ka lasa mahaleo tena.” Niteraka adihevitra be izany, ka mangataka “ny hevitry ny Fitsarana Iraisam-pirenena” ny Fivoriamben’ny ONU, mba hampitsaharana ilay adihevitra.
[Sary, pejy 142]
[Sary, pejy 145]
Franz Brand
[Sary, pejy 146]
Rudolf Kalle sy ny iray tamin’ny milina fanoratana namboariny
[Sary, pejy 149]
Nanofa kamiao ny mpitory tatsy Slovenia rehefa nitory
[Sary, pejy 154]
Mpisava lalana sasany niatrika zava-tsarotra maro
[Sary, pejy 157]
Alfred sy Frida Tuček ary ireo bisikiletany
[Sary, pejy 158]
Rudolf Kalle, teo anoloan’ny Betelan’i Belgrade tatsy Serbia
[Sary, pejy 168]
Franc Drozg sy ny fotokopian’ny taratasiny
[Sary, pejy 180]
Ankavanana: Tranon-tsoavaly novana ho Efitrano Fanjakana tao Ljubljana, atsy Slovenia
[Sary, pejy 180]
Ambany: Anisan’ny Efitrano Fanjakana voalohany tao Zagreb, atsy Kroasia
[Sary, pejy 182]
Stojan Bogatinov
[Sary, pejy 184, 185]
Sary lehibe: Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany” (1969), tao Nuremberg, Alemaina; ankavia: Lamasinina nandehanan’ireo mpamonjy fivoriambe iogoslavy; ankavanana: Nathan Knorr
[Sary, pejy 188]
Ðuro Landić
[Sary, pejy 192]
Ankavia: Milton Henschel; ambany: Batisa tamin’ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ireo Tia ny Fahafahana avy Amin’Andriamanitra” (1991), tao Zagreb, Kroasia
[Sary, pejy 197]
Ljiljana sy ireo zanany vavy
[Sary, pejy 199]
Santionan’ireo fanampiana nentin’ny kamiao avy tany Aotrisy
[Sary, pejy 200]
Ðorem mianakavy, tamin’ny 1991
[Sary, pejy 204]
Batisa tao anaty barìka fitehirizan-trondro, tao Zenica, tamin’ny 1994
[Sary, pejy 209]
Fanampiana natoby teto Zagreb, eto Kroasia
[Sary, pejy 215]
Elke sy Heinz Polach
[Sary, pejy 216]
Komitin’ny Sampana eto Kroasia sy ny biraon’ny sampana
[Sary, pejy 228]
Nitondra fanampiana tany Bosnia
[Sary, pejy 233]
Komitin’ny tany eto Serbia sy ny Betela ao Belgrade
[Sary, pejy 235]
Saliu Abazi
[Sary, pejy 243]
Fitoriana ao Podgorica; Efitrano Fanjakana ao Podgorica
[Sary, pejy 247]
Piran, tanàna tranainy
[Sary, pejy 251]
Biraon’ny sampana taloha tao Ljubljana, 2002
[Sary, pejy 253]
Biraon’ny sampana eto Kamnik, 2006
[Sary, pejy 254]
Komitin’ny Sampana eto Slovenia