Lohateny/Pejin’ny Mpampanonta
2007 Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah
Mirakitra ny Tatitra Momba ny Taom-panompoana 2006
Bokin’i ․․․․․․․․․․․․․․․․․
“Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah.”—Zef. 1:14.
Nanambara izao hafatra mafonja izao i Zefania mpaminany, tamin’ny andron’i Josia mpanjakan’ny Joda: Ho avy ny andro fitsaran’i Jehovah, ary efa antomotra izany. ‘Haringana’ ny ratsy fanahy, fa ireo mitady an’i Jehovah sy ny fahamarinana ary ny fandeferana kosa, ‘ho voafina amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.’ (Zef. 1:3; 2:3) Tonga tamin’ny mponin’i Jerosalema tokoa ilay andro fahatezerana, tamin’ny 607 T.K.
Toy izany koa ny hafatra torintsika amin-kerim-po ankehitriny. Mampitandrina ny ratsy fanahy sy mampionona ny olo-marina izy io. Izao ilay hafatra: Tsy ho ela i Jehovah dia handringana ny ratsy fanahy sy hanafoana ny faharatsiana. Mandroso tsy misy toy izany ny fitoriana io hafatra io, araka ny ho hitanao ao amin’ny Tatitra Maneran-tany. Izany no porofo fa efa antomotra tokoa ny andron’i Jehovah. Enga anie ny andinin-teny ho an’ny taona 2007 ka hampahatsiahy antsika fa tena akaiky ny farany. Ary enga anie izany hampirisika antsika tsy hivadika hatrany amin’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be voninahitra.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Sary nahazoan-dalana: Pejy 22: Sarintany eo amin’ny fonon’ny DVD: Used with permission from The George F. Cram Company, Indianapolis, Indiana; pejy 27: Sarin’i Roma sy Gresy eo amin’ny fonon’ny video: Roma, Musei Capitolini; pejy 66: Tanàna: Johannesburg Tourism Company; trano mareva-doko: ©Jon Arnold/Agency Jon Arnold Images/age fotostock; pejy 114: Ambony: Museum Africa: Times Media Collection; pejy 223: Tanimbary: Ed Scott/Pixtal/age fotostock; trano sy lakana: © ICONOTEC; pejy 228: Mananasy: © ICONOTEC; sary nalaina avy eny ambony: Image courtesy of the Image Science & Analysis Laboratory, NASA Johnson Space Center; pejy 229, 252-254: Voninkazo sy ranoka volkano, voninkazo sy masoandro mody, riandrano, onjan-dranomasina: © ICONOTEC