FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb21 Jolay p. 5
  • “Aza Manahy Mihitsy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Aza Manahy Mihitsy”
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahantra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Foto-dresaka Ara-baiboly
    Foto-dresaka Ara-baiboly
  • Tsy ho Ela dia Tsy Hisy Hahantra Intsony!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Hanjavona Tsy ho Ela ny Fahantrana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
mwb21 Jolay p. 5
Fianakaviana iray mahantra, handeha hanao zavatra ara-panahy miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Aza Manahy Mihitsy”

Nanampy ny Israelita mahantra i Jehovah. Ahoana koa no anampiany ny mpanompony mahantra amin’izao?

  • Ampianariny hahay handanjalanja amin’ny resaka vola isika.—Lk 12:15; 1Ti 6:6-8

  • Ampiany isika mba tsy hihevitra ny tenantsika ho ambany.—Jb 34:19

  • Ampianariny hiasa mafy isika ary ampiany mba tsy hanana fahazaran-dratsy.—Oh 14:23; 20:1; 2Ko 7:1

  • Omeny mpiara-manompo be fitiavana isika. —Jn 13:35; 1Jn 3:17, 18

  • Omeny fanantenana isika.—Sl 9:18; Is 65:21-23

Tsy mila manahy be isika na manao ahoana na manao ahoana fahasahiranantsika. (Is 30:15) Tsy maintsy homen’i Jehovah mantsy izay ilaintsika raha ny Fanjakany foana aloha no katsahintsika.—Mt 6:31-33.

JEREO ILAY VIDEO HOE AZA AVELA HO LEVONA MIHITSY NY FITIAVANAO... NA MAHANTRA AZA IANAO: CONGO. VALIO IRETO AVY EO:

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Aza Avela ho Levona Mihitsy ny Fitiavanao... Na Mahantra aza Ianao: Congo.’ Rahalahy sy anabavy be dia be mankany amin’ny toerana hanaovana fivoriambe. Misy amin’izy ireo mitondra seza sy fitaovana hafa.

    Ahoana no ataon’ireo rahalahy mipetraka eny akaikin’ny toerana anaovana fivoriamben’ny vondrom-paritra mba hikarakarana an’ireo avy lavitra?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Aza Avela ho Levona Mihitsy ny Fitiavanao... Na Mahantra aza Ianao: Congo.’ Rahalahy iray manamboatra fandriana handraisana an’ireo vahiny avy any lavitra.

    Hoatran’ny ahoana ny fitiavan’i Jehovah ny mahantra rehefa jerena iny video iny?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Aza Avela ho Levona Mihitsy ny Fitiavanao... Na Mahantra aza Ianao: Congo.’ Rahalahy vitsivitsy miomana hamonjy fivoriambe.

    Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah na mahantra isika na manankarena?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara