Tsy ho Ela dia Tsy Hisy Hahantra Intsony!
“AZA matahotra; fa, indro, milaza [vaovao tsara, NW ] aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra”. (Lioka 2:10). Ireo teny nampahery ireo dia ren’ny mpiandry ondry nitolagaga, tany akaikin’i Betlehema tamin’ny alina nahaterahan’i Jesosy. Mifanaraka amin’izany fanambarana izany, dia nanantitrantitra mafy ny amin’ny “vaovao tsara” i Jesosy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. Amin’izao andro iankinantsika be dia be amin’ny vola izao mba hikarakarana izay ilaintsika, ahoana no ahafahan’ny vaovao tsara momba an’i Jesosy hitondra soa ho antsika?
Nanambara ny “vaovao tsara tamin’ny mahantra” i Jesosy Kristy. (Lioka 4:18, NW ). Araka ny Matio 9:35, dia “nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny [vaovao tsaran’ny, NW ] fanjakana” i Jesosy. Nampahery indrindra ny hafatra nentiny ho an’ireo mahantra faraidiny. “Nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:36). Marina fa nilaza i Jesosy hoe, “ny mahantra moa eto aminareo mandrakariva”, kanefa tsy tokony hanatsoaka hevitra avy amin’ireo teny ireo isika fa tsy misy fanantenana mihitsy ho an’ireo sahirana. (Joany 12:8, DIEM ). Raha mbola maharitra koa itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ, dia hisy ny olona mahantra, na inona na inona mety hahatonga ny toe-piainany ratsy. Tsy hoe mody tsy mahita ny zava-misy amin’ny fahantrana akory ny Tenin’Andriamanitra, kanefa dia tsy mifantoka kosa amin’ireo lafiny tsy manorina izy. Manolotra fanampiana ho an’ny mahantra kosa izy io mba hahazakany ireo fanahiana eo amin’ny fiainana.
Fanampiana ho an’ny mahantra
Voalaza indrindra hoe: “Tsy misy enta-mavesatra lehibe kokoa zakain’ny olona iray noho ny fahafantarana fa tsy misy miraharaha azy na tsy misy mahatakatra ny fiheviny.” Kanefa na dia eo aza ny tsy fisian’ny fangorahana avy amin’ny ankamaroan’ny olona, dia mbola misy vaovao tsara ihany ho an’ny mahantra — amin’izao andro izao sy amin’ny hoavy.
Mampalahelo fa maro no tsy liana firy amin’ny fanampiana ny mahantra. Araka ny The World Book Encyclopedia, dia mino ny sasany fa “mifaninana ho amin’ny fahatafitana velona ny olona eo amin’ny tany ama-monina ary (...) manjary mahery sy manankarena ireo olona ambony”. Ireo izay mino io tsangan-kevitra antsoina hoe Darwinisme ara-tsosialy io, dia mety hihevitra ny mahantra ho olona kamo na mpandanilany foana fotsiny. Kanefa ireo mpiasa any ambanivohitra, ireo mpikarama mpifindra monina sy ny hafa, na dia kely karama aza, dia matetika no tena miasa mafy mba hamelomana ny fianakaviany.
Any amin’ny tany maro, dia somary mahazatra ihany ny fahantrana. Noho izany, ny mahantra — ny maro an’isa — dia tsy manjary mahatsiaro tena ho olona tsy mahomby eo amin’izay atao. Na dia izany aza, any amin’ny tany toy izany, dia misy olona miaina ao anatin’ny rendrarendra be eo anivon’ny fahantrana. Misy trano mampiadana sy fatratra mifanila amin’ireo trano tsizarizary feno olona sy tsy mahasalama. Ireo lehilahy be karama dia mamily ny fiarany lafo vidy eny amin’ny arabe feno olona tsy ampy fivelomana sy tsy an’asa mihahohaho. Any amin’ny tany toy izany, dia mahatsapa amin’ny fomba mampanaintaina ny toe-piainana ratsy misy azy ny mahantra. Tena “mijaly tokoa ny mahantra, tsy noho ny sakafo tsizarizary sy ny trano ratsy ary ny fikarakarana ara-pitsaboana tsy ampy fotsiny, fa noho ny fanahiana tsy an-kijanona ny amin’ny toe-piainany koa”, hoy ny The World Book Encyclopedia. “Noho izy ireo tsy afaka mahazo asa azo antoka, dia mamoy izay mety ho fahatsapana fahamendrehana sy hajan’ny tena izy ireo.” Ahoana àry no ahazakan’ny sasany amin’ireo tena mahantra ny toe-javatra misy azy? Inona no idiran’ny vaovao tsara momba an’i Jesosy amin’ny fahazakana fahantrana?
Voalohany, dia tadidio fa mety hanampy trotraka ny fahantrana ny fahazarana tsy mampiseho fahendrena. Hevero ireto ohatra sasany ireto. I Valdecir dia miaiky fa, raha zara fa nanan-kohanina ny vady aman-janany kely, izy kosa dia nandanilany vola mba hitanana fomba fiaina naloto ara-pitondran-tena. Hoy izy: “Na dia niasa aza aho, dia tsy nanam-bola mihitsy, fa nanana karatra loteria maro samihafa foana kosa tany am-paosiko.” I Milton, noho izy nisotro sy nifoka tafahoatra dia namoy fandraharahana iray nisy mpiasa 23. Hoy izy: “Nandany alina maro teny amin’ny arabe aho, tsy afaka nody, ary nijaly dia nijaly noho ny amiko ny fianakaviako.”
I João koa dia nandanilany ny karamany tamin’ny fahazaran-dratsy. “Nandany alina maro tsy tao an-trano aho. Izay vola rehetra azoko dia tsy ampy ho an’ny fahazaran-dratsiko sy ireo vehivaviko. Nanjary tsy zaka ilay tarehin-javatra ka naniry hisaraka ny vadiko.” Ho fanampin’ireo zava-nanahirana an’i João ara-bola sy ara-panambadiana, dia mbola nisy zava-nanahirana hafa koa. Hoy izy: “Nahatonga zava-nanahirana tamin’ny havana sy ny mpiara-monina aho, ary nanan-java-nanahirana indrindra tany am-piasana. Vokatr’izany dia tsy an’asa foana aho.” I Júlio dia nandevozin’ny zava-mahadomelina. Manazava toy izao anefa izy: “Koa satria tsy ampy mihitsy ny karamako mba hanohanana ny fahazaran-dratsiko tamin’ny zava-mahadomelina, dia nanomboka niasa tamin’ny naha-mpivarotra zava-mahadomelina aho mba tsy hahavoatery ahy hividy izany.”
Nobeazina tao anatin’ny fianakaviana mahantra nisy zaza valo i José, ary naniry ny hanan-javatra ho an’ny tenany izy. Noho ny fiheverany fa tsy hisy na inona na inona ratsy kokoa mety hanjo azy, dia nanomboka nanendaka izy niaraka tamin’ny tanora hafa. Tao anatin’ny famoizam-po ny tanora hafa iray ka tonga anisan’ny andian-jatovo maditra nantsoina hoe Mpively Loha. Nanazava toy izao izy: “Koa satria tena nahantra ny ankamaroanay, dia nahita fahafaham-po sasany izahay tamin’ny fandravana zavatra sy tamin’ny fanafihana olona.”
Amin’izao andro izao anefa ireo lehilahy ireo sy ny fianakaviany dia tsy mijaly intsony noho ny fihafiana mafy na noho ny fahatsapana lonilony sy tsy fahafaliana. Tsy hoe tsy afa-manoatra na very fanantenana intsony izy ireo. Fa nahoana? Satria nianatra ilay vaovao tsara izay notorin’i Jesosy izy ireo. Nampihatra ny torohevitry ny Baiboly sy niaraka tamin’ny olona nitovy fisainana taminy tao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Ary nianatra zavatra tena lehibe sasany momba ny harena sy ny fahantrana izy ireo.
Fanampiana mba hahazakana ny fahantrana
Voalohany, dia nianatra izy ireo fa raha ampiharina ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, dia azo ahena ny voka-dratsin’ny fahantrana. Melohin’ny Baiboly ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fimamoana sy ny filokana ary ny fidorohana zava-mahadomelina. (1 Korintiana 6:9, 10). Tena andaniam-bola be ny zavatra toy izany. Afaka mahatonga mpanan-karena iray ho mahantra izany, ary ny mahantra iray ho mahantra kokoa ihany. Ny fialana amin’ireo fahazaran-dratsy ireo sy ny hafa toy izany dia mahavita betsaka mba hanatsarana ny toerana ara-bola misy ny fianakaviana iray.
Faharoa, dia hitan’izy ireo fa misy zavatra lehibe kokoa noho ny harena eo amin’ny fiainana. Misy fomba fijery voalanjalanja voalaza ao amin’ireto teny ara-tsindrimandry ireto: “Fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:12). Eny, ilaina ny vola. Kanefa ny fahendrena miorina amin’ny Baiboly sy ny fahalalana ny fikasan’Andriamanitra dia mahasoa lavitra. Marina tokoa fa ho an’ny olona iray tsy manam-pahendrena, ny fananana vola be loatra dia mety ho enta-mavesatra mitovy amin’ny fananana azy io kely loatra. Nivavaka tamim-pahendrena toy izao ny mpanoratra ny Baiboly: “Aza manome ahy [fahantrana, NW ] na harena; fahano aho amin’izay anjara-hanina sahaza ho ahy; fandrao, raha voky aho, dia handa ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga [mahantra, NW ] aho, dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro.” — Ohabolana 30:8, 9.
Fahatelo, dia hitan’izy ireo fa raha miaina mifanaraka amin’ilay vaovao tsara notorin’i Jesosy ny olona iray, dia tsy voatery hahatsiaro tena ho nafoy mihitsy izy. Misy ifandraisany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ilay vaovao tsara. Ilay hafatra dia lazaina hoe “vaovao tsaran’ilay fanjakana”, ary amin’izao androntsika izao izy io dia torina any amin’ny tany onenana manontolo. (Matio 24:14, NW ). Nilaza tamintsika i Jesosy fa hotohanana isika raha mametraka ny fanantenantsika amin’izany Fanjakana izany. Hoy izy: “Aza mitsahatra àry mikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana sy ny fahamarinany [ny an’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany zavatra hafa rehetra izany.” (Matio 6:33, NW ). Tsy mampanantena fiara karazany tsara indrindra na trano be rendrarendra Andriamanitra. Niresaka ny amin’ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana i Jesosy, dia ny amin’ny zavatra toy ny sakafo sy ny fitafiana. (Matio 6:31). Amin’izao andro izao anefa, dia olona an-tapitrisany maro no afaka manamarina fa azo ianteherana izany fampanantenan’i Jesosy izany. Ny olona iray, na dia olona tena mahantra aza, dia tsy afoy tanteraka raha mametraka ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany.
Fahefatra, dia hitan’izy ireo fa izay mametraka ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany dia tsy manjary feno lonilony noho ny zava-tsarotra ara-bola. Eny, voatery miasa mafy ny mahantra iray. Kanefa raha manompo an’Andriamanitra izy, dia manana tombontsoa hanana fifandraisana amin’ilay Mpamorona azy izay lazain’ny Baiboly hoe: “Tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ny fahorian’ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.” (Salamo 22:24). Ho fanampin’izany, ny olona mahantra iray dia mahazo fanampiana mba hiezahana handresy ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana. Mankafy fiarahana mafana amin’ireo Kristiana namana izy ary manana fahalalana sy fatokiana ny sitrapon’i Jehovah voambara. Ny zavatra toy izany dia “irina noho ny volamena (...), eny, noho ny tena volamena betsaka aza”. — Salamo 19:10.
Ela ny ela ka tsy hisy fahantrana intsony!
Farany, ireo olona izay manaraka ilay vaovao tsara dia mianatra fa manam-pikasana ny handamina indray mandeha tsy hiverina ny zava-manahirana momba ny fahantrana i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ilay Fanjakany. Mampanantena toy izao ny Baiboly: “Tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny [mahantra, NW ]; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ny mahantra.” (Salamo 9:18). Ilay Fanjakana dia tena fitondrana iray, miorina any an-danitra ary i Jesosy Kristy no Mpanapaka. Tsy ho ela io Fanjakana io dia hisolo toerana ireo fitondran’olombelona eo amin’ny fitantanana ny raharahan’olombelona. (Daniela 2:44). Amin’izay i Jesosy, amin’ny maha-Mpanjaka nahazo fiandrianana azy, dia “hiantra ny reraka sy ny [mahantra, NW ] (...) ary hamonjy ny fanahin’ny [mahantra, NW ]. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.” — Salamo 72:13, 14.
Hoy ny Mika 4:3, 4, raha niandrandra izany fotoana izany: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.” Iza no resahina eto? Ireo rehetra manaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakana io dia handamina ireo zava-manahirana rehetra mahazo ny taranak’olombelona — na dia ny zava-manahirana momba ny aretina sy ny fahafatesana aza. “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”. (Isaia 25:8; 33:24). Ho tontolo hafa toy inona moa izany! Ary tadidio fa afaka mino ireo fampanantenana ireo isika satria nomen’ny tenan’Andriamanitra ara-tsindrimandry mihitsy izy ireo. Hoy izy: “Ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po”. — Isaia 32:18.
Ny fatokiana ny Fanjakan’Andriamanitra dia mandresy ilay fahatsapana ho tsy manana haja izay matetika ateraky ny fahantrana. Fantatry ny Kristiana mahantra iray fa ny tenany dia zava-dehibe eo imason’Andriamanitra mitovy amin’ny Kristiana manankarena iray. Samy tian’Andriamanitra amin’ny fomba mitovy izy ireo, ary samy manana fanantenana mitovy. Izy ireo dia samy miandrandra amim-pahadodonana an’ilay fotoana, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, hahatonga ny fahantrana ho zavatra efa lasa. Ho fotoana be voninahitra toy inona moa izany! Ela ny ela ka tsy hisy hahantra intsony!
[Sary, pejy 5]
Nahoana no mandanilany vola amin’ny filokana, ny fifohana sigara, ny fisotroana tafahoatra, ny fidorohana zava-mahadomelina, na amin’ny fomba fiaina maloto ara-pitondran-tena?
[Sary, pejy 7]
Handamina ireo zava-manahirana momba ny fahantran’olombelona amin’ny alalan’ny Fanjakany i Jehovah Andriamanitra