HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MARKA 9-10
Nanatanjaka ny Finoan’izy Ireo Ilay Fahitana
Nilaza tamin’i Jesosy ny Rainy hoe tiany izy. Tsy maintsy ho faly be i Jesosy nandre an’izany, nandritra an’ilay fiovan-tarehy. Azo antoka hoe nanampy azy hiatrika ny fijaliana efa hiaretany izany. Nisy vokany be tamin’i Petera sy Jakoba ary Jaona koa io fahitana io. I Jesosy tokoa no Mesia, ary soa ihany izy ireo fa nihaino azy. Vao mainka natoky ny “teny faminaniana” i Petera noho iny zava-nitranga iny. Mbola tadidiny foana izy iny, 32 taona teo ho eo tatỳ aoriana.—2Pe 1:16-19.
Marina aloha hoe tsy nahita an’io fahitana miavaka io isika. Fantatsika anefa hoe efa tanteraka izy io, satria efa Mpanjaka mahery izao i Jesosy. Tsy ho ela izy dia “hamita ny fandreseny”, ary hampanjaka ny fahamarinana ao amin’ilay tontolo vaovao.—Ap 6:2.
Nahoana no manatanjaka ny finoanao ny mahita hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly?