HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JEREMIA 49-50
Tahin’i Jehovah Izay Manetry Tena fa Saziny Izay Mirehareha
Latsa-dranomasom-pifaliana ireo Israelita nibebaka, rehefa nafahan’i Jehovah avy tany Babylona
Nanavao an’ilay fifanekena nataony tamin’i Jehovah izy ireo, ary nanao an’ilay dia lavitra nankany Jerosalema mba hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina
Tsy maintsy nosazina i Babylona. Nirehareha mantsy izy ary lozabe tamin’ny vahoakan’i Jehovah
Lao sy tsy misy mponina intsony i Babylona, araka ny efa voalaza mialoha