29 Mey–4 Jona
JEREMIA 49-50
Hira 102 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Tahin’i Jehovah Izay Manetry Tena fa Saziny Izay Mirehareha”: (10 min.)
Je 50:4-7: Nafahana ireo Israelita babo, izay nibebaka sy nanetry tena, ary niverina tany Ziona izy ireo
Je 50:29-32: Ringana i Babylona, satria nirehareha ka nanohitra an’i Jehovah (it “Fahavalo”: “Mpanohitra” § 4)
Je 50:38, 39: Tsy honenana intsony mandrakizay i Babylona (jr 161 § 15; w98 1/4 20 § 20)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Je 49:1, 2: Nahoana i Jehovah no tezitra tamin’ny Amonita? (it “Amonita”: “Rehefa nizara roa ny fanjakan’ny Israely” § 3)
Je 49:17, 18: Inona no nampitovy an’i Edoma tamin’i Sodoma sy Gomora, ary nahoana? (jr 163 § 18; ip-2 350 § 6)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Je 50:1-10
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fitoriana: (2 min. na latsaka) T-32: Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka.
Fiverenana Mitsidika: (4 min. na latsaka) T-32: Iaraho midinika ilay hoe “Fanontaniana Hosaintsainina.” Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka.
Lahateny: (6 min. na latsaka) w15 15/3 17-18: Foto-kevitra: Nahoana ny Bokintsika Tato ho ato no Tsy dia Miresaka Intsony Momba ny Tandindona sy Izay Mifanitsy Aminy?
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Esory Ilay Vatan-kazo: (15 min.) Alefaso aloha ilay video hoe Esory Ilay Vatan-kazo. Fanontaniana: Ahoana no ahitana fa nanambony tena sy tia nanakiana ilay rahalahy? Inona no nanampy azy hanova ny toe-tsainy? Inona ny soa azony?
Fianarana Baiboly: (30 min.) kr toko 13 § 11-23
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 131 sy Vavaka