Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 7 Desambra
HERINANDRON’NY 7 DESAMBRA
Hira 86 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
ia toko 4 § 1-15, efajoro p. 39 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 2 Tantara 10-14 (8 min.)
No. 1: 2 Tantara 13:13-22 (3 min. na latsaka)
No. 2: Ahoana no Nitoriana ny Vaovao Tsara Tamin’ny Olona Maro Kokoa?—jv p. 495 § 3–p. 500 § 5; azo resahina ny famintinana p. 501 (5 min.)
No. 3: Inona no Dikan’ny hoe “Kaisara”?—w11 1/7 p. 29 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny volana: “Tsy maintsy mandia fahoriana maro isika mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”—Asa. 14:22.
10 min: “Tsy Maintsy Mandia Fahoriana Maro Isika mba Hidirantsika ao Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.” Lahateny manazava ny foto-kevitra ho an’ny volana. Vakio sy hazavao ny Asan’ny Apostoly 14:21, 22 sy ny 1 Petera 4:12-14 (w14 15/9 p. 13, feh. 3-6). Resaho vetivety ny anjara sasany amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana mandritra ny volana, sy ny ifandraisany amin’ny foto-kevitra ho an’ny volana. Hodinihina amin’ny herinandro ilay video hoe ‘Mandehana Amin’ny Finoana fa Tsy Amin’ny Hitan’ny Maso’, ka ampirisiho ny rehetra hijery azy io.
10 min: Ahoana no Tokony Havalinao? (Kol. 4:6) Lahateny (be p. 69, feh. 1-3). Asio fampisehoana roa: Voalohany, masiaka ilay olona itoriana, ary manao teny mahery koa ilay mpitory. Lasa tsy mandray ilay olona. Faharoa, averina ilay fampisehoana saingy miato kely ilay mpitory. Mamaly moramora izy avy eo, ka lasa mihaino ilay olona.
10 min: “Tahafo Ireo Mpaminany: Habakoka.” Fanontaniana sy valiny.
Hira 74 sy Vavaka