Manomàna Tsara Raha Te Hahay Hampianatra Ianao
Indroa i Jesosy no nisy nanontany momba ny fiainana mandrakizay. Nitovy ilay fanontaniana nefa tsy nitovy no namaliany azy, fa nampifanarahiny tamin’ny zavatra nilain’ilay olona. (Lioka 10:25-28; 18:18-20) Marina fa mety ho efa zatra an’ilay boky fianarana Baiboly koa isika. Mbola mila manomana anefa isika, sady mieritreritra an’ilay mpianatra. Inona, ohatra, no mety tsy ho azony na tsy hekeny? Inona ny andinin-teny tokony hovakina? Fehintsoratra firy no hianarana? Mety hila hanomana fanoharana isika, na fanazavana, na fanontaniana mifampitohy mba ho azony tsara ilay fianarana. I Jehovah no mampitombo ny voan’ny fahamarinana ao am-pon’ny olona. (1 Kor. 3:6) Tokony hivavaka àry isika rehefa manomana. Angatahintsika koa izy hitahy an’ilay mpianatra sy ny ezaka ataontsika hanampiana azy.—Jak. 1:5.