Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 10 Aogositra
HERINANDRON’NY 10 AOGOSITRA
Hira 61 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 28 § 18-21, efajoro p. 289 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 21-22 (8 min.)
No. 1: 1 Mpanjaka 22:13-23 (3 min. na latsaka)
No. 2: Inona no Hanampy Anao Hanatona An’Andriamanitra?—igw p. 28 § 1-4 (5 min.)
No. 3: Niely Eran-tany ny Fahazavan’ny Fahamarinana—jv p. 414 § 4–p. 422 § 3; azo resahina ny famintinana p. 422 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho An’ny Volana: “Izaho sy ny ankohonako kosa hanompo an’i Jehovah.”—Jos. 24:15.
10 min: “Izaho sy ny Ankohonako Kosa Hanompo An’i Jehovah.” Lahateny manazava ny foto-kevitra ho an’ny volana. Vakio sy hazavao ny Deoteronomia 6:6, 7 sy Josoa 24:15 ary Ohabolana 22:6. Asongadino hoe ny raim-pianakaviana sy ny lehilahy manambady no tsy maintsy mitarika ny ao an-tranony eo amin’ny lafiny ara-panahy. Lazao ireo fitaovana maro be navoakan’ny fandaminana mba hanampiana ny fianakaviana. Resaho vetivety ny anjara sasany amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana mandritra ny volana, sy ny ifandraisany amin’ny foto-kevitra ho an’ny volana.
20 min: “Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiofano ny Mpitory Vaovao.” Lahateny misy fiaraha-midinika. Anontanio ny mpanatrika hoe ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiharana ny toro lalana ao amin’ilay lahatsoratra, rehefa mampiofana ny zanany izy ireo. Asio fampisehoana: Ray miara-manomana fomba fitory amin’ny zanany lahy na vavy.
Hira 93 sy Vavaka