Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 27 Jolay
HERINANDRON’NY 27 JOLAY
Hira 18 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 28 § 1-9 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 15-17 (8 min.)
No. 1: 1 Mpanjaka 15:16-24 (3 min. na latsaka)
No. 2: Inona ny Torohevitry ny Baiboly ho An’ny Vehivavy?—igw p. 26 § 3-4 (5 min.)
No. 3: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany—jv p. 404 § 1–p. 408 § 2 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny Volana: ‘Mandehana ataovy mpianatra ny olona.’—Mat. 28:19, 20.
10 min: Manatsara ny Fanompoanao ve Ianao? Fiaraha-midinika. Diniho ny fehintsoratra voalohany amin’ilay lahatsoratra hoe “Hatsarao ny Fanompoanao”, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 2014. Hazavaina ao mantsy ny tanjon’io andian-dahatsoratra io. Resaho vetivety ny lahatsoratra sasany tamin’ny lasa. Asao ny mpanatrika hilaza ny soa noraisiny tamin’izy ireny. Ampirisiho ny mpitory mba hampihatra foana an’ilay hoe “Andramo izao amin’ity volana ity.”
10 min: Ampiasao ny “Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra” mba Hanampiana ny Mpianatrao. Fiaraha-midinika. Ahoana no azo ampiasana an’ireto mba hanampiana ny mpianatra? 1) “Ahoana no Fijerena Andinin-teny?” 2) Fanontaniana 19: “Inona avy no resahin’ireo boky ao amin’ny Baiboly?” 3) Fanontaniana 20: “Tianao ve ny handray soa rehefa mamaky Baiboly?” Asio fampisehoana fohy: Mpitory sy mpianatra Baiboly, miara-mandinika ny iray amin’ireo, aorian’ny fianaran’izy ireo.
10 min: “Inona avy ny Fitaovana Anananao?” Fanontaniana sy valiny.
Hira 125 sy Vavaka