Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 20 Jolay
HERINANDRON’NY 20 JOLAY
Hira 73 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 27 § 19-22, efajoro p. 279 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 12-14 (8 min.)
No. 1: 1 Mpanjaka 12:21-30 (3 min. na latsaka)
No. 2: Tsy Natao Hahazoam-bola ny Asan’ilay Fanjakana—jv p. 348 § 1–p. 351 § 6 (5 min.)
No. 3: Inona ny Torohevitry ny Baiboly ho An’ny Lehilahy?—igw p. 26 § 1-2 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny Volana: ‘Mandehana ataovy mpianatra ny olona.’—Mat. 28:19, 20.
20 min: Ampiasao Ireo Tantara An-tsary mba Hampianarana ny Zanakao. Fiaraha-midinika miorina amin’ilay tantara an-tsary hoe “Nirahin’i Jehovah Tany Ejipta i Mosesy.” (Midira ao amin’ny jw.org, ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > ANKIZY.) Raha azo atao, dia halehibeazo na asehoy amin’ny efijery lehibe ilay tantara, mba ho afaka hanaraka an’ilay izy ny mpanatrika. Ampirisihina ny fiangonana mba hanendry rahalahy iray haka an’ilay tantara ao amin’ny Internet, ohatra hoe any amin’ny cybercafé, ary hanao pirinty sy hizara an’izany amin’ny rehetra. Raha mety, dia asaivo lalaovin’ny ankizy maromaro ilay tantara. Manasà ankizy vitsivitsy hiakatra eny amin’ny lampihazo avy eo, mba hiara-midinika an’ilay efajoro hoe “Inona no Ianarantsika avy Amin’io Tantara Io?” Amin’ny farany, dia ampirisiho ny ray aman-dreny hampiasa an’ireny tantara an-tsary ireny, mba hampianarana ny zanany.
10 min: Valin’ny Fanontanianareo. Fiaraha-midinika.
Hira 66 sy Vavaka