Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 20 Aprily
HERINANDRON’NY 20 APRILY
Hira 3 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 23 § 10-18 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Samoela 23-25 (8 min.)
No. 1: 1 Samoela 23:13-23 (3 min. na latsaka)
No. 2: Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Hoavy?—igw p. 16 § 1-3 (5 min.)
No. 3: Nanompo An’Andriamanitra Noho ny Fitiavana—jv p. 292 § 5–p. 298 § 1 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny volana: Aoka ianao ho hendry, ka “hararaoty tsara ny fotoana.”—Efes. 5:15, 16.
15 min: “Ahoana no Atao Rehefa Mitory Amin’ny Toerana Be Olona?” Fiaraha-midinika. Asio fampisehoana: Mpitory roa mampiasa fitoerana boky azo afindrafindra na latabatra fampirantiana. Misy olona mandalo ary mitsiky fotsiny ilay mpitory iray. Misy mpandalo indray avy eo, ary mitsiky ilay mpitory hafa sady manontany an’ilay olona sy mampiresaka azy. Inona no ianarantsika amin’izany, na inona na inona karazana fitoriana ataontsika?
15 min: Fotoam-pifaliana Foana ny Fivoriambe. Fiaraha-midinika. (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2012, p. 31-32, feh. 15-19) Ataovy tsapan’ny rehetra fa ho tsara be ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Ampirisiho izy ireo hijery ny fandaharan’ny fivoriambe ao amin’ny jw.org sy hisaintsaina an’izay mety horesahina any.
Hira 75 sy Vavaka