Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 9 Martsa
HERINANDRON’NY 9 MARTSA
Hira 44 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 21 § 9-15 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Samoela 1-4 (8 min.)
No. 1: 1 Samoela 2:30-36 (3 min. na latsaka)
No. 2: Inona avy ny Faminaniana Momba ny Mesia?—igw p. 10 (5 min.)
No. 3: Zava-nisongadina teo Amin’ny Fandrosoana Ara-panahy—jv p. 260 § 3–p. 265 § 1 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny volana: Aoka Ianao “ho Vonona ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra.”—Tit. 3:1.
10 min: “Aoka Ianao ‘ho Vonona ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra.’ ” Lahateny miorina amin’ilay foto-kevitra ho an’ny volana. Vakio sy hazavao ny Ohabolana 21:5, Titosy 3:1, ary 1 Petera 3:15. Hazavao hoe nahoana no handray soa ny Kristianina raha miomana tsara. Resaho vetivety ny anjara sasany amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana mandritra ny volana, sy ny ifandraisany amin’ny foto-kevitra ho an’ny volana.
10 min: Fanadinadinana ny Mpiandraikitra ny Sekoly. Inona avy ny andraikitrao? Inona ny fiomanana ataonao rehefa hitarika ny Sekolin’ny Fanompoana isan-kerinandro ianao? Nahoana ny mpianatra no tokony hanomana tsara ny anjarany? Inona no soa horaisin’ny mpanatrika raha mijery mialoha an’ireo loharanon-kevitra amin’ny sekoly izy ireo?
10 min: “Efa Miomana Amin’ny Fahatsiarovana ve Ianao?” Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho vetivety ny fanazavana ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 2013, pejy 2. Asio fampisehoana: Mpitory mandray tsara ny vahiny iray tonga hanatrika Fahatsiarovana.
Hira 8 sy Vavaka