Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 16 Febroary
HERINANDRON’NY 16 FEBROARY
Hira 80 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 20 § 8-15 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Mpitsara 15-18 (8 min.)
No. 1: Mpitsara 16:13-24 (3 min. na latsaka)
No. 2: Inona ny Hevi-dehibe ao Amin’ny Baiboly?—igw p. 8 § 1-4 (5 min.)
No. 3: Fivoriana Ahafahan’ny Besinimaro Mijery sy Mihaino—jv p. 248 § 4–p. 253 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny volana: ‘Mazotoa Amin’ny Asa Tsara’!—Tit. 2:14.
15 min: Miomàna Tsara dia Hazoto Hitory Ianao. Lahateny misy fiaraha-midinika. Nahoana ny vavaka no tokony hataontsika voalohany rehefa miomana hitory isika? (Sal. 143:10; Asa. 4:31) Inona koa no tokony hataontsika, ankoatra ny vavaka? (Ezra 7:10) Inona no ilaintsika hatao avy eo, mba hilamina tsara ny fitaovana hoentintsika sy ny kitapontsika? Inona no soa ho azontsika raha miomana tsara isika? (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2008, pejy 9-10, fehintsoratra 9.) Ahoana àry no ataonao rehefa miomana hitory? Asio fampisehoana: Mpitory iray miomana hitory, ka mijery ny taratasy mivalona sy ny gazety ary ny bokikely hampiasainy. Alaminy avy eo ny kitapony, ary raha manana fitaovana elektronika izy dia ataony azo antoka hoe efa vonona ny halefa ilay izy. Asongadino hoe tokony hiomana tsara ny rehetra rehefa handeha hitory.—2 Tim. 3:17.
15 min: “Hazoto toa An’i Jehovah sy Jesosy ve Ianao Amin’ny Vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana?” Fanontaniana sy valiny. Omeo fanasana iray avy ny mpanatrika, ary iaraho midinika ny votoatiny. Ataovy fampisehoana vetivety ny fomba fitory modely ao amin’ny pejy 4.
Hira 30 sy Vavaka