Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Desambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? na ny iray amin’ireto: Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?, Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?, Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana?, Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao?, Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?, ary Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. Janoary sy Febroary: Vaovao Tsara Natao ho Anao! na ny bokikely: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (ho an’ny Silamo), Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao, Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (mety hahaliana an’ireo te hanaporofo hoe diso ny evolisiona), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly rehefa miverina mitsidika. Martsa: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!
◼ Hatao ny alarobia 23 Martsa 2016 ny Fahatsiarovana amin’ny 2016.
◼ Manomboka amin’ny 1 Janoary 2015, dia tsy hisy intsony ilay fandaharana hanombohana fampianarana Baiboly isaky ny asabotsy voalohany amin’ny volana. Afaka manolotra gazety kosa ny mpitory amin’io. Azo atao foana ny manomboka fampianarana Baiboly amin’ny alalan’ny gazety na boky fianarana hafa, na rahoviana na rahoviana.
◼ Zavatra vaovao misy:
Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany—MP3 (mpjr) malagasy