Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 15 Desambra
HERINANDRON’NY 15 DESAMBRA
Hira 1 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 17 § 9-16 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Josoa 6-8 (10 min.)
No. 1: Josoa 8:18-29 (4 min. na latsaka)
No. 2: Ahoana no Ahalalana fa Efa Nahazo ny Fanahy Masina ny Olona Iray?—rs p. 160 § 3–p. 161 § 1 (5 min.)
No. 3: Fandaminana Natao mba Hitoriana ny Vaovao Tsara—jv p. 209 § 2–p. 216 § 1 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny volana: Zarao ny “zavatra tsara” avy amin’ny tahiry tsara nomena antsika.—Mat. 12:35a.
15 min: “Fampianarana Baiboly Mandaitra.” Fanontaniana sy valiny. Rehefa vita ny fehintsoratra 3, dia asio fampisehoana roa: Miara-midinika ny boky Ampianarina toko 15, fehintsoratra 8, ny mpitory iray sy ilay olona ampianariny. Be resaka be ilay mpitory amin’ilay fampisehoana voalohany. Mametraka fanontaniana vitsivitsy kosa izy, amin’ilay faharoa, mba hahalalana ny ao an-tsain’ilay mpianatra.
15 min: Fitaovana Manampy Anao Hiomana Hampianatra Baiboly. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho ilay fizarana ao amin’ny jw.org hoe “Inona no Ampianarin’ny Baiboly?” (Jereo ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANORA.) Ampirisihina ny fiangonana mba hanendry rahalahy iray haka azy ireny any amin’ny cybercafé sy hanao pirinty ary hizara azy amin’ny mpitory. (Raha tsy afaka manao izany ny fiangonanareo, dia iaraho midinika Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2004, pejy 17-19, fehintsoratra 11-23.) Iaraho midinika hoe ahoana no azontsika ampiasana an’io fitaovana ao amin’ny jw.org io, mba hahaizantsika mampianatra Baiboly ny olona, na tanora izy na antitra. Nahoana no manampy antsika hanohina ny fon’ny olona ny fanontaniana ao, na ny hevitra avy ao amin’ilay gazety? Asio fampisehoana: Mpitory iray mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianany sady manomana fanontaniana mety tsara. Mijery hevitra ao amin’ilay gazety izy na mampiasa lahatsoratra iray amin’ilay hoe “Inona no Ampianarin’ny Baiboly?” Ampirisiho ny mpanatrika hanatsara ny fahaizany mampianatra ka hiezaka hanohina ny fon’ny olona amin’ny alalan’ireo fitaovana tsara ananantsika.—Ohab. 20:5.
Hira 99 sy Vavaka