Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 24 Novambra
HERINANDRON’NY 24 NOVAMBRA
Hira 50 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 16 § 10-17 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Deoteronomia 28-31 (10 min.)
No. 1: Deoteronomia 30:15–31:8 (4 min. na latsaka)
No. 2: Mety ho Biby koa ny “Nefesh” sy “Psykè”—rs p. 434 § 5–p. 435 § 7 (5 min.)
No. 3: Tsy Mivadika Amin’Andriamanitra ny Kristianina Sady Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa—jv p. 192 § 3–p. 195 § 4 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Resadresaka Mahaliana. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho ny fanontaniana sasany ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Resadresaka Mahaliana.” Anisan’izany ny hoe “Andriamanitra ve i Jesosy?” (1 Aprily 2012), “Manasazy Olona any Amin’ny Afobe ve Andriamanitra?” (1 Oktobra 2012), “Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?” (1 Janoary 2014) Ataovy fampisehoana ny lahatsoratra iray. Anontanio ny mpanatrika raha mahita fomba hafa azo ampiasana azy ireny eny amin’ny fanompoana. (Raha afaka mampiasa Internet ny fiangonana, dia iaraho midinika ilay hoe “Ampiasao ny JW.ORG Rehefa Manompo: ‘Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly.’ ” Ataovy fampisehoana fohy ny soso-kevitra iray ao. Asao ny mpanatrika hilaza fomba hafa azo ampiasana azy io eny amin’ny fanompoana.)
5 min: “Tsy Tao Indray Izy!” Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho hoe nahoana isika no tokony hanam-paharetana rehefa tsy tratra ao an-trano foana ny olona tsidihintsika.—Mat. 28:19, 20; Mar. 4:14, 15; 1 Kor. 3:6.
15 min: Ampiasao Ireo Fitaovana Fikarohana. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2011 (p. 32, feh. 1-2). Asongadino fa tokony hampiasaina ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Asio fampisehoana fohy ahitana mpitory iray mampiasa ny boky Fanondroana. Iaraho midinika koa ilay lahatsoratra hoe “Fitaovana Vaovao Fanaovana Fikarohana.” Hita ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah, ao amin’ny Internet, io fitaovana io.
Hira 69 sy Vavaka