Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 18 Aogositra
HERINANDRON’NY 18 AOGOSITRA
Hira 78 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 11 § 17-22, efajoro p. 116 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Nomery 10-13 (10 min.)
No. 1: Nomery 10:1-16 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana no Tsy Maintsy Aseho Amin’ny Atao ny Finoana?—rs p. 148 § 2-5 (5 min.)
No. 3: Fomba Ampianarana ny Mpanompon’i Jehovah—jv p. 142 § 2–p. 148 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
15 min: “Zato Taona Izay no Nanambarana An’ilay Fanjakana!”—Fizarana 1. (Fehintsoratra 1-3) Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny fehintsoratra telo voalohany, ary ny boky Mpitory, pejy 259-260. Aorian’ny fanontaniana 3, dia manadinadìna Vavolombelona roa efa ela. Asaivo tantarain’izy ireo ny asa fitoriana tamin’izy ireo vao lasa mpitory.
15 min: “Zato Taona Izay no Nanambarana An’ilay Fanjakana!”—Fizarana 2. (Fehintsoratra 4-6) Fanontaniana sy valiny. Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 5 sy 6, dia anontanio ny mpisava lalana roa hoe ahoana no nataon’izy ireo mba hahafahana manompo manontolo andro.
Hira 103 sy Vavaka