Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 11 Aogositra
HERINANDRON’NY 11 AOGOSITRA
Hira 71 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 11 § 9-16 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Nomery 7-9 (10 min.)
No. 1: Nomery 9:9-23 (4 min. na latsaka)
No. 2: Tsy Rehefa Voavonjy Indray Mandeha dia Voavonjy Mandrakizay—rs p. 147 § 4–p. 148 § 1 (5 min.)
No. 3: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?—jv p. 137 § 3–p. 142 § 1 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: “1914-2014: Zato Taona Izay no Nitondra Ilay Fanjakana!” Lahateny misy fiaraha-midinika. Vakio ilay fehintsoratra eny an-tampon’ity pejy ity. Hanasongadina an’ilay Fanjakana ny anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ity volana ity. Resaho ny fandaharan’ny fiangonana momba ny fanompoana.
10 min: “Ampiasao Ilay Taratasy Mivalona ny Tranonkalantsika.” Resaho ny ao anatin’ilay taratasy mivalona. Asio fampisehoana: Mpitory mametraka an’ilay taratasy mivalona ary mampiasa fitaovana elektronika mba hanoroana an’ilay olona ny jw.org, raha manana fitaovana elektronika ilay mpitory.
15 min: “Hatsarao ny Fanompoanao: Sahy Miresaka Momba Ilay Fanjakana.” Lahateny misy fiaraha-midinika. Ataovy fampisehoana izao: Mpitory milahatra mba hividy zavatra. Manopy maso ny lohatenin’ireo gazety mpiseho isan’andro ny olona eo akaikiny ary miteny hoe: “Mandreraka mihitsy! Miseho azy ho mahay daholo ny olon-drehetra, nefa hoatran’ny vao mainka ratsy ny fiainana.” Miteny irery ilay mpitory hoe: ‘Tokony hiresaka momba ilay Fanjakana aho!’ Miteny ilay mpitory hoe: “Mihamitombo foana ny vaovao ratsy e? Fa misy taratasy mivalona mba tiako homena anao ity. Nanampy ahy hahita ny valin’ireo fanontaniana maro momba ny fiainana ilay tranonkala resahiny ato.” Manasongadina hevitra iray avy ao amin’ilay taratasy mivalona ilay mpitory, ary liana ilay olona.
Hira 92 sy Vavaka