Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 4 Aogositra
HERINANDRON’NY 4 AOGOSITRA
Hira 51 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 11 § 1-8 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Nomery 4-6 (10 min.)
No. 1: Nomery 4:17-33 (4 min. na latsaka)
No. 2: Milaza ve ny Baiboly fa Misy Olona Tsy ho Voavonjy Mihitsy?—rs p. 147 § 1-3 (5 min.)
No. 3: Nahalala ny Fomba Hiverenan’ny Tompo sy ny Fotoana Hitrangan’izany—jv p. 132 § 1–p. 137 § 2 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Manolora Gazety Amin’ny Volana Aogositra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Ataovy fampisehoana hoe ahoana no azo anolorana an’ireo gazety rehefa mandray anjara amin’ilay ezaka manokana amin’ny faran’ny herinandro, ka ampiasao ny fomba fitory modely eto amin’ity pejy ity. Anontanio avy eo ny mpanatrika hoe: Nahoana isika no tokony hanolotra gazety mandritra ny faran’ny herinandro amin’ny Aogositra, rehefa mety ny hanaovana an’izany? Rehefa inona, ohatra, izany no mety?
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Ahoana no Nampiharantsika Azy? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hilaza ny soa noraisiny rehefa nampihatra ny soso-kevitra tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Hatsarao ny Fanompoanao: Manomboha Resaka mba Hitoriana Tsy Ara-potoana.” Asao izy ireo avy eo hitantara zavatra mampahery mifandray amin’izany.
Hira 75 sy Vavaka