Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 14 Jolay
HERINANDRON’NY 14 JOLAY
Hira 1 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 10 § 1-7 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Levitikosy 21-24 (10 min.)
No. 1: Levitikosy 23:1-14 (4 min. na latsaka)
No. 2: Tsy Mampianatra ny Baiboly hoe Hovonjena ny Olona Rehetra—rs p.145 § 2 (5 min.)
No. 3: Firenena Mazoto Amin’ny Asa Tsara—jv p. 113 § 1–p. 117 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Miomàna ho Amin’ilay Ezaka Manokana Amin’ny Aogositra. Omeo iray amin’ilay taratasy mivalona vaovao hoe Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana? izay tsy manana. Asio fampisehoana roa, ka ilay fomba fitory modely ao amin’ny pejy faha-4 no ampiasao. Asehoy aloha ny fomba fanolorana an’ilay taratasy mivalona amin’ny ankamaroan’ny olona. Asehoy avy eo ny fomba fanolorana azy raha liana ilay olona na te hiresaka. Ampirisiho ny rehetra handray anjara feno amin’ilay ezaka manokana. Ataovy fampisehoana hoe ahoana no azo anolorana an’ireo bokikely amin’ny volana Jolay, raha milaza ilay olona hoe tsy afaka mijery Internet ao an-tranony na amin’ny findainy.
5 min: Mandraisa Soa avy Amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hilaza hoe isaky ny inona izy ireo no manao teny vakina, ary inona no soa noraisiny.
15 min: “Hatsarao ny Fanompoanao: Manomboha Resaka mba Hitoriana Tsy Ara-potoana.” Lahateny misy fiaraha-midinika. Asio fampisehoana iray.
Hira 107 sy Vavaka