Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 16 Jona
HERINANDRON’NY 16 JONA
Hira 111 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 8 § 17-24, efajoro p. 86 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Levitikosy 6-9 (10 min.)
No. 1: Levitikosy 8:18-30 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana Isika no Tsy Mivavaka Amin’ny “Olo-masina”?—rs p. 354 § 1-3 (5 min.)
No. 3: Fitomboan’ny Asan’Andriamanitra—jv p. 98 § 5–p. 102 § 3 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
18 min: Tsy Tokony Hiteniteny ve Aho Raha Nisy Nanao Fahotana Lehibe? Lahateny ataon’ny anti-panahy, avantana amin’ny tanora. Mihabetsaka ny olana mahazo ny olona ankehitriny ary manimba ny tanora izany. Miharatsy ny fitondran-tenan’ny olona, mitombo ny herisetra, mihabetsaka ny midoroka zava-mahadomelina sy tsy manaja fahefana. Mody hendry ny tanora sasany ka manafina ny ditrany. Tena mety hanimba ny fahadiovan’ny fiangonana manontolo izany. Misy manao fahotana lehibe ary te hanafina an’ilay izy. Inona no tokony hataonao raha fantatrao hoe misy rahalahy na anabavy nandika ny lalàn’Andriamanitra, eo anivon’ny fiangonana? Hazavao ilay toro lalana ao amin’ny Levitikosy 5:1. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1997, pejy 27-30.) Azonao ampiasaina koa Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2012, pejy 22, fehintsoratra 14-16.
12 min: Tsy Misy Hahasaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra. Lahateny manohina ny fo ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah, toko faha-24. Vakio ny fehintsoratra faha-15 mba hanasongadinana hoe sarobidy ny mpanompon’i Jehovah rehetra.
Hira 90 sy Vavaka