Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 9 Jona
HERINANDRON’NY 9 JONA
Hira 24 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 8 § 9-16 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Levitikosy 1-5 (10 min.)
No. 1: Levitikosy 4:16-31 (4 min. na latsaka)
No. 2: Ireo Lazain’ny Baiboly hoe Masina—rs p. 353 § 1-3 (5 min.)
No. 3: Mpampianatra Mahay Nirahina Hitory ny Vaovao Tsara Tany Amin’ny Tany Maro—jv p. 94 § 6–p. 98 § 4 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
15 min: Efa Nampihatra ve Ianao? Lahateny misy fiaraha-midinika. Fintino vetivety ilay lahatsoratra hoe “Manàna Herim-po Hiverenana Mitsidika” (km 12/13) sy ilay hoe “Te Hianatra Baiboly ve Ireo Fanateranao Gazety?” (km 1/14). Asao ny mpanatrika hilaza ny soa noraisiny rehefa nampihatra ny soso-kevitra tao amin’ireo lahatsoratra ireo.
15 min: “Hataontsika Volana Miavaka ny Volana Aogositra!” Fanontaniana sy valiny, ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Omeo iray amin’ilay taratasy mivalona vaovao hoe Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana? ny mpanatrika tsirairay ary iaraho midinika ilay izy. Lazao izay fandaharana hataon’ny fiangonana mba hamitana ny faritany.
Hira 107 sy Vavaka