Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 19 Mey
HERINANDRON’NY 19 MEY
Hira 131 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 7 § 9-17 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Eksodosy 30-33 (10 min.)
No. 1: Eksodosy 32:1-14 (4 min. na latsaka)
No. 2: Foana ny Didy Folo Rehefa Foana ny Lalàn’i Mosesy—rs p. 370 § 1-2 (5 min.)
No. 3: Ambarao Ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany—jv p. 77 § 5–p. 83 § 3 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Nahoana Isika no Mpitory ny Vaovao Tsara? Lahateny velombelona miorina amin’ny boky Voalamina (p. 77, feh. 1–p. 78, feh. 2). Anontanio ny mpanatrika hoe nahoana no mahafaly azy ireo ny manompo.
10 min: Afaka Manao Mpisava Lalana Mpanampy ve Ianao Mandritra ny Fialan-tsasatra? Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho vetivety ireo fepetra takina amin’ny mpisava lalana mpanampy, ao amin’ny boky Voalamina (p. 113, feh. 1). Asao hilaza ny soa noraisiny ireo nanao mpisava lalana mpanampy nandritra ny fotoana tsy niasany na tamin’ny fialan-tsasatry ny mpianatra. Ampirisiho ny rehetra mba hieritreritra hanao mpisava lalana mpanampy amin’ny fialan-tsasatra manaraka.
10 min: “Aoka Ianao ho Zatra Manaja Fotoana.” Fanontaniana sy valiny. Rehefa eo amin’ny fehintsoratra faha-4 dia asao ny mpanatrika hilaza hoe inona no nanampy azy ho marim-potoana.
Hira 44 sy Vavaka