Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 12 Mey
HERINANDRON’NY 12 MEY
Hira 49 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 7 § 1-8 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Eksodosy 27-29 (10 min.)
No. 1: Eksodosy 29:19-30 (4 min. na latsaka)
No. 2: Tsy Nozarain’i Jesosy ho Lalàna Momba ny “Fombafomba” sy ny “Fitondran-tena” ny Lalàn’i Mosesy—rs p. 369 § 2-3 (5 min.)
No. 3: Nanohy ny Asa Raha Vao Tafavoaka ny Fonja—jv p. 72-77 § 4 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
15 min: Hitanjozotra ho any ny Firenena Rehetra. (Isaia 2:2) Manadinadìna mpitory roa, ka ny iray efa ela ary ny iray vao haingana. Inona no nahaliana azy ireo tamin’ny fahamarinana? Inona no zava-tsarotra tsy maintsy noreseny? Inona no zavatra niavaka tsaroany tamin’ny fivoriana voalohany natrehiny? Inona no zavatra tsaroany tamin’izy nitory voalohany? Inona no nataon’ny mpiara-manompo mba hanampiana azy handroso ara-panahy?
15 min: “Hatsarao ny Fanompoanao: Omano ny Fampidiran-dresaka.” Lahateny misy fiaraha-midinika. Asio fampisehoana fohy roa: Mpitory manao fampidiran-dresaka tsy voaomana tsara, sy mpitory manao fampidiran-dresaka voaomana tsara. Raha ampy ny fotoana, dia miresaha hevitra azo ampiharina avy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana.—p. 215-219.
Hira 117 sy Vavaka