Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 14 Aprily
HERINANDRON’NY 14 APRILY
Hira 114 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 5 § 18-21, efajoro p. 55 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Eksodosy 11-14 (10 min.)
No. 1: Eksodosy 12:37-51 (4 min. na latsaka)
No. 2: Inona avy no Lazain’ny Baiboly fa Hitranga Rehefa Manatrika i Kristy?—rs p. 267 § 3–p. 268 § 3 (5 min.)
No. 3: Fanantenana Be—jv p. 61-64 § 2 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
15 min: Ampiasao Tsara ny Diary 2014. Lahateny misy fiaraha-midinika. Diniho ny “Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana.” Asaivo miomana mialoha ny mpanatrika sasany mba hilaza izay tantara nampahery azy. Asao ny mpanatrika hiresaka izay zavatra miavaka ao amin’ny tatitra maneran-tany. Ampirisiho ny rehetra mba hamaky ilay Diary hatramin’ny farany.
15 min: “Hatsarao ny Fanompoanao: Namana Mahay Manampy.” Lahateny misy fiaraha-midinika. Asio fampisehoana fohy roa, ahitana mpitory tsy tena manampy ny namany. Aorian’ny fampisehoana tsirairay, dia asao ny mpanatrika hilaza hoe inona no tokony ho nataon’ilay mpitory.
Hira 45 sy Vavaka