Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 3 Febroary
HERINANDRON’NY 3 FEBROARY
Hira 22 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 2 § 12-20 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Genesisy 21-24 (10 min.)
No. 1: Genesisy 23:1-20 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana i Jesosy no Nitafy Vatan’olombelona Indraindray?—rs p. 241 § 2-5 (5 min.)
No. 3: Kristianina Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ny Taonjato Voalohany—jv p. 26-28 § 3 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Manolora Gazety Amin’ny Volana Febroary. Lahateny misy fiaraha-midinika. Ataovy fampisehoana aloha hoe ahoana no azo anolorana an’ireo gazety ka ny fomba fitory modely eto amin’ity pejy ity no ampiasao. Iaraho midinika hatramin’ny farany avy eo ireo fomba fitory modely. Vakio tsirairay ireo fehintsoratra nefa mijanòna isaky ny avy mamaky fehezanteny iray na roa, ary anontanio ny mpanatrika hoe inona no tanjon’ireo fehezanteny ireo. Ampahatsiahivo ny mpitory hanao an’ilay izy amin’ny fomba fiteniny. Azo amboamboarina koa ilay fomba fitory modely ary afaka manomana fomba fitory hafa mihitsy ny mpitory. Ampirisiho ny rehetra hamaky an’ireo gazety mba hahafantatra tsara an’izay resahina ao, ary hafana fo rehefa mizara azy ireo.
10 min: Zavatra Ilain’ny Fiangonana.
10 min: Ny Voany no Hahafantaranareo Azy. (Mat. 7:16) Lahateny misy fiaraha-midinika miorina ao amin’ny Diary 2013 (p. 47, feh. 1-2; p. 52, feh. 1–p. 53, feh. 1). Asao ny mpanatrika hilaza ny lesona noraisiny.
Hira 25 sy Vavaka