Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 27 Janoary
HERINANDRON’NY 27 JANOARY
Hira 106 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 2 § 1-11 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Genesisy 17-20 (10 min.)
No. 1: Genesisy 17:18–18:8 (4 min. na latsaka)
No. 2: Tsy Nofo Aman-dra i Jesosy Rehefa Niakatra Tany An-danitra—rs p. 240 § 2–p. 241 § 1 (5 min.)
No. 3: Nitory Momba ny Anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany Foana i Jesosy—jv p. 20 § 4–p. 25 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Manomboha Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana. Lahateny. Resaho ny fandaharam-pitorian’ny fiangonana amin’ny asabotsy voalohany amin’ny volana Febroary, ary ampirisiho ny rehetra hitory amin’io. Ataovy fampisehoana vetivety ny fomba fitory modely ao amin’ny pejy 4.
15 min: Inona no Tanjonao eo Amin’ny Fanompoana? Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Voalamina, pejy 117, fehintsoratra 1 ka hatramin’ny faran’ilay toko. Manadinadìna mpitory iray na roa nahatratra ny tanjony ka lasa mpanompo manontolo andro. Ahoana no fomba nampaherezan’ny hafa azy? Inona ny zava-tsarotra natrehiny? Inona avy ny fitahiana efa azony?
10 min: “Te Hianatra Baiboly ve Ireo Fanateranao Gazety?” Fanontaniana sy valiny. Asao ny mpanatrika hitantara hoe inona no nataony mba hahatonga ny olona fanaterany gazety hianatra Baiboly.
Hira 103 sy Vavaka