Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 20 Janoary
HERINANDRON’NY 20 JANOARY
Hira 34 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 1 § 18-23, efajoro p. 14 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Genesisy 11-16 (10 min.)
No. 1: Genesisy 14:17–15:11 (4 min. na latsaka)
No. 2: Raha Misy Milaza hoe: ‘Nahoana Ianareo no Mihevitra fa Iray Ihany ny Fivavahana Marina?’—rs p. 260 § 4 (5 min.)
No. 3: Jesosy Kristy, Ilay Vavolombelona Mendri-pitokisana—jv p. 19-20 § 3 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Inona no Lesona Raisintsika? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hamaky ny Matio 7:6-11. Diniho avy eo ny fomba azo ampiharana an’ireo andininy ireo eo amin’ny fanompoana.
10 min: Hajao Ireo Miasa Mafy eo Aminareo. (1 Tes. 5:12, 13) Lahateny misy fiaraha-midinika: 1) Inona avy ny asa mafy ataon’ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana? 2) Ahoana no azontsika anajana fatratra ny anti-panahy? 3) Nahoana no mila ampaherezina ireo mitarika? 4) Ahoana no azontsika ampaherezana ny anti-panahy sy ny vady aman-janany? 5) Nahoana no handray soa ny fiangonana sy ny anti-panahy rehefa ankatoavina ireo mitarika?
10 min: “Ampio ny Namanao.” Fanontaniana sy valiny. Asao ny mpanatrika hitantara ny hevitra mahasoa noresahin’ny namany taminy rehefa niara-nanompo izy ireo.
Hira 93 sy Vavaka