Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Desambra
“Olona maro no miandry ny fiverenan’i Jesosy. Raha hiverina izy dia inona no tianao hataony?” Avelao izy hamaly. Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy farany amin’ilay Tilikambo Fiambenana 1 Desambra. Iaraho midinika ny fanontaniana voalohany, ary mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra
“Be atao loatra ny olona ka mety ho sarotra aminy ny hieritreritra momba an’Andriamanitra. Araka ny hevitrao, tena mila an’Andriamanitra ve isika? [Avelao izy hamaly.] Nilaza i Jesosy hoe tsy tena ho sambatra isika raha tsy mahatsapa hoe mila an’Andriamanitra. [Vakio ny Matio 5:3.] Manazava antony telo ilantsika an’Andriamanitra ity gazety ity.”
Mifohaza! Desambra
“Mino an’izay henony sy vakiny amin’ny vaovao ny ankamaroan’ny olona. Araka ny hevitrao, marina sy azo inoana daholo ve ireny vaovao ireny? [Avelao izy hamaly.] Mampirisika antsika ny Baiboly mba hamantatra tsara izay zavatra henointsika. [Vakio ny Joba 12:11.] Hazavain’ity gazety ity hoe inona no mety hanampy antsika hamantatra na marina na tsia izay vakintsika sy henointsika.”