Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 19 Aogositra
HERINANDRON’NY 19 AOGOSITRA
Hira 51 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 13 § 8-13 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Romanina 9-12 (10 min.)
No. 1: Romanina 9:19-33 (4 min. na latsaka)
No. 2: Raha Misy Milaza hoe: ‘Mino ve Ianareo fa Hitsena ny Tompo eny Amin’ny Rahona Isika?’—rs p. 278 § 7–p. 279 § 1 (5 min.)
No. 3: Inona no Antony Araka ny Soratra Masina Manaporofo fa Tsy Tokony Hatahotra Olona Isika?—Lioka 12:4-12 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: “Mahery ny Tenin’Andriamanitra.” Fanontaniana sy valiny. Lazao ny datin’ny fivoriambe manokana raha efa fantatra.
10 min: Ahoana no Hamaliana Fanoherana eny Amin’ny Faritany? Lahateny misy fiaraha-midinika ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Milazà fanoherana roa na telo mety hitranga eny amin’ny faritaninareo, nefa tsy voaresaka ao amin’ny boky Fandresen-dahatra. Asao ny mpanatrika hilaza ny fomba mety hamaliana azy ireny. Asio fampisehoana fohy iray.
10 min: Mitoria Amim-pahasahiana! (Asa. 4:29) Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny Diary 2013 (p. 49, feh. 1-6; p. feh. 1–p. 70, feh. 2). Asao ny mpanatrika hilaza ny lesona noraisiny.
Hira 92 sy Vavaka