Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 12 Aogositra
HERINANDRON’NY 12 AOGOSITRA
Hira 112 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 13 § 1-7 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Romanina 5-8 (10 min.)
No. 1: Romanina 6:21–7:12 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana no Hiaraka Amin’i Kristy any An-danitra ny Kristianina Sasany?—rs p. 278 § 3-6 (5 min.)
No. 3: Nahoana no Mampidi-doza ny Mikatsaka Vola sy Harena Alohan’ny Fanompoana An’Andriamanitra?—Mat. 6:33; 1 Tim. 6:10 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: “Mahasoa mba Hampianarana ny Tenin’Andriamanitra.” Fanontaniana sy valiny. Lazao ny datin’ny fivoriamben’ny faritra raha efa fantatra.
10 min: Tsara ny Mampiasa Drafitra Rehefa Mitory. Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 167-168, feh. 1). Asio fampisehoana: Mpitory iray manomana vetivety ny fomba hanolorany ny zavatra atolotra amin’ny volana, alohan’ny handehanany hanompo. Ataony drafitra an-kandrina ilay izy.
10 min: Inona no Lesona Raisintsika? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hamaky ny Asan’ny Apostoly 8:26-31. Diniho avy eo hoe ahoana no azo ampiharana an’io fitantarana io eo amin’ny fanompoana.
Hira 61 sy Vavaka