Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 5 Aogositra
HERINANDRON’NY 5 AOGOSITRA
Hira 77 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 12 § 20-25, efajoro p. 151 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Romanina 1-4 (10 min.)
No. 1: Romanina 3:21–4:8 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana ny Tena Kristianina no Mitondra Tena toy ny “Vahiny sy Mpivahiny” eto Amin’ity Tontolo Ity?—1 Pet. 2:11; 1 Jaona 2:15-17 (5 min.)
No. 3: Hanao Ahoana ny Kristianina Mandritra ny Fahoriana Lehibe?—rs p. 277 § 2–p. 278 § 1 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fomba Fanolorana ny Gazety Amin’ny Aogositra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny 30 segondra na iray minitra hoe nahoana no mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo ireo gazety ireo. Asao ny mpanatrika hilaza fanontaniana mahaliana azo apetraka momba an’ireo matoan-dahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Asao izy ireo avy eo hilaza andinin-teny azo vakina. Raha ampy ny fotoana, dia mbola asaivo miresaka lahatsoratra iray hafa izy ireo. Ataovy fampisehoana hoe ahoana no azo anolorana ny gazety tsirairay.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Inona no Lesona Raisintsika? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hamaky ny Lioka 5:27-32. Diniho avy eo ny fomba azo ampiharana an’io fitantarana io eo amin’ny fanompoana.
Hira 119 sy Vavaka