Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 29 Jolay
HERINANDRON’NY 29 JOLAY
Hira 51 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 12 § 14-19, efajoro p. 148 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Asan’ny Apostoly 26-28 (10 min.)
No. 1: Asan’ny Apostoly 26:19-32 (4 min. na latsaka)
No. 2: Hakarina Velona any An-danitra ve ny Kristianina fa Tsy ho Faty, ka Hanjavona Tsy ho Hita eto An-tany?—rs p. 276 § 3–p. 277 § 1 (5 min.)
No. 3: Ny Fomba Fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra eo Amin’ny Mpanompony—Gal. 5:22, 23; Apok. 22:17 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Aza Amboamboarina ny Fiteny Rehefa Mitory. Lahateny miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 128, feh. 1–p. 129, feh. 1). Manadinadìna mpitory za-draharaha iray, izay saro-kenatra taloha. Anontanio izy hoe inona no nanampy azy ho tony rehefa mitory.
10 min: Valin’ny Fanontanianareo. Lahateny misy fiaraha-midinika, ataon’ny anti-panahy.
10 min: Asehoy hoe Zanaky ny Rainareo Ianareo. (Mat. 5:43-45) Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny Diary 2013 (p. 89, feh. 3–p. 90, feh. 1; p. 164, feh. 1). Asao ny mpanatrika hilaza ny lesona noraisiny.
Hira 80 sy Vavaka