Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 8 Jolay
HERINANDRON’NY 8 JOLAY
Hira 43 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 11 § 15-21 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Asan’ny Apostoly 15-17 (10 min.)
No. 1: Asan’ny Apostoly 16:16-34 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana ny Kristianina no Sambatra na dia Enjehina Aza?—Mat. 5:11, 12 (5 min.)
No. 3: Niresaka Momba ny Inona ny Apostoly Paoly, Tamin’izy Nilaza hoe “Hakarina” Hiaraka Amin’ny Tompo ny Kristianina?—rs p. 274 § 1-2 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fomba Fitoriana ny Vaovao Tsara: Tariho ho ao Amin’ny Fandaminan’i Jehovah ny Olona Liana. Lahateny miorina amin’ny boky Voalamina (p. 99, feh. 2-4). Asao ny mpanatrika hitantara ny fomba nampiasany ny bokikely Sitrapon’i Jehovah mba hitarihana ny olona ampianariny Baiboly hanatona ny fandaminana.
10 min: Tsapao Toetra i Jehovah, dia Handray Fitahiana Mihoatra Noho Izay Ilainao Ianao. (Mal. 3:10) Manadinadìna mpisava lalana maharitra roa na telo. Inona no tena itiavany ny manao mpisava lalana? Nahoana izy no lasa mifandray kokoa amin’i Jehovah rehefa nanao mpisava lalana? Asaivo mitantara zavatra iray niavaka teo amin’ny fanompoany izy. Eo am-pamaranana, dia asao ny mpitory hieritreritra raha afaka manomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra, amin’ny Septambra.
10 min: “Tahafo Ireo Mpaminany: Joela.” Fanontaniana sy valiny.
Hira 54 sy Vavaka