Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 6 Aogositra
HERINANDRON’NY 6 AOGOSITRA
Hira 60 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 24 § 16-21 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Ezekiela 24-27 (10 min.)
No. 1: Ezekiela 24:15-27 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana no Navelan’Andriamanitra Hiady ny Israelita?—rs p. 399 § 1–p. 400 § 2 (5 min.)
No. 3: Mifanohitra ve ny Ezekiela 18:20 sy ny Eksodosy 20:5? (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Vonona Hiatrika ny Taom-pianarana Manaraka ve Ianao? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hilaza ny olana mety hatrehin’ny tanora kristianina any am-pianarana. Hazavao hoe ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiasana ny Fanondroana, sy ireo boky Manontany ny Tanora, ary ny fitaovana hafa mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, mba hanomanana ny zanany hanohitra fakam-panahy sy hiaro ny finoany. (1 Pet. 3:15) Mifidiana foto-kevitra iray na roa, ary miresaha torohevitra azo ampiharina momba izany avy ao amin’ny bokintsika. Asao ny mpanatrika hitantara ny fomba nahafahany nitory tany am-pianarana.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Fomba Hanolorana Gazety Amin’ny Aogositra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny 30 segondra na iray minitra hoe nahoana ireo gazety no mety hahaliana ny olona. Ampiasao avy eo ireo matoan-dahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary asao ny mpanatrika hilaza fanontaniana mahaliana azo apetraka sy andininy azo vakina. Raha ampy ny fotoana, dia mbola asaivo miresaka lahatsoratra iray hafa izy ireo. Ataovy fampisehoana ny fanolorana ny gazety tsirairay.
Hira 97 sy Vavaka