Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 30 Jolay
HERINANDRON’NY 30 JOLAY
Hira 131 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 24 § 10-15 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Ezekiela 21-23 (10 min.)
No. 1: Ezekiela 23:35-45 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana no Azo Lazaina fa Tia ny Olombelona Rehetra Andriamanitra?—Jaona 3:16; Rom. 8:38, 39 (5 min.)
No. 3: Mety Amin’ny Tena Kristianina ve ny Mandeha Miady?—rs p. 398 § 2-5 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fampandrenesana. Ataovy fampisehoana ilay fomba fitory modely eo amin’ny pejy 8, mba hanombohana fampianarana Baiboly ny asabotsy voalohany amin’ny Aogositra.
25 min: “Mitadiava Olona Alohan’ny Hitoriana.” Fanontaniana sy valiny, ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Hazavao izay azon’ny fiangonanareo ampiharana an’ilay izy. Raha mpiahy ny antoko-mpitory mampiasa tenin’ny tanana ny fiangonanareo na tsy maintsy mitady marenina, dia asio fampisehoana eo amin’ny fehintsoratra 7 mba hahitana an’izay azo tenenina rehefa mitady olona.
Hira 92 sy Vavaka