Fampandrenesana
◼ Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Raha liana ilay olona, dia omeo an’ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa mitsidika olona liana. Anisan’izany ireo nanatrika Fahatsiarovana na fandaharana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Jona: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly dieny eo am-pitoriana. Raha efa manana boky ilay olona, nefa tsy manaiky hianatra Baiboly, dia omeo gazety tranainy izy na bokikely mety hahaliana azy. Jolay sy Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (natao ho an’ny Silamo), Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? na Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina (natao ho an’ireo mino ny evolisiona), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, rehefa miverina mitsidika. Na raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao.
◼ Azo ahitsy ny fandaharam-pivoriana amin’ny herinandro alohan’ny fivoriamben’ny vondrom-paritrareo, mba handinihana an’ireo torohevitra sy fampahatsiahivana momba ny fivoriambe. Azo atao famerenana ireo hevitra azo ampiharina eny amin’ny fanompoana, rehefa afaka iray na roa volana aorian’ny fivoriambe, ka atao mandritra ny zavatra ilain’ny fiangonana izany.
◼ Raha maniry hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra any an-toeran-kafa ianao, dia azonao jerena ao amin’ny www.jw.org ao amin’ny Internet ny toerana sy ny daty hanaovana fivoriambe. Ho hitanao ao amin’ilay hoe “Fikarohana” izany, eo ambanin’ilay hoe “Fivoriambe.”
◼ Zavatra vaovao misy:
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2012 (yb12) anglisy, malagasy
Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe—MP3 (mplr-MG) malagasy
Mihirà ho An’i Jehovah—Raki-kira 3 (cdsnv3) anglisy
Mihirà ho An’i Jehovah—Raki-kira 4 (cdsnv4) anglisy
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly—MP3 (mpmy-MG) malagasy
Watchtower Library 2011 amin’ny CD-ROM (cdly11) anglisy, frantsay, malagasy