Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 30 Aprily 2012. Natao eo koa ny daty andinihana an’ilay anjara, mba ho afaka hanao fikarohana ianao rehefa manomana isan-kerinandro.
1. Inona avy no ohatra navelan’i Jeremia azontsika tahafina? [5 Mar., si p. 129 feh. 36]
2. Ahoana no mety hanafahan’i Jehovah antsika, raha tojo fanenjehana isika? (Jer. 1:8) [5 Mar., w05 15/12 p. 23 feh. 18]
3. Oviana ny voahosotra no niverina tamin’ny “lalana fahiny” ary tamin’ny fomba ahoana? (Jer. 6:16) [12 Mar., w05 1/11 p. 24 feh. 12]
4. Nahoana no azo lazaina fa mbola misy “balsama” avy “any Gileada” amin’izao andro izao? (Jer. 8:22) [19 Mar., w10 1/6 p. 22 feh. 3–p. 23 feh. 4]
5. Inona no dikan’ny hoe ‘manenina’ i Jehovah rehefa avy nilaza ny didim-pitsarany? (Jer. 18:7, 8) [2 Apr., jr p. 151, efajoro]
6. Inona no dikan’ilay hoe nofitahin’i Jehovah i Jeremia, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Jer. 20:7) [2 Apr., jr p. 36 feh. 8]
7. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’izay nataony tamin’ny Israelita? (Jer. 21:8, 9) [9 Apr., w07 15/3 p. 11, feh. 6]
8. Nahoana i Jehovah no afaka nilaza tamin’ny vahoakany fahiny hoe: “Ny hatsaram-panahiko feno fitiavana no nentiko nanintonana anao”? (Jer. 31:3) [23 Apr., jr p. 142-145 feh. 8-11]
9. Inona no dikan’ny hoe voasoratra ao am-po ny lalàn’Andriamanitra? (Jer. 31:33) [23 Apr., w07 15/3 p. 11 feh. 2]
10. Nahoana no nilaina ny nanao taratasy fifanekena roa, rehefa nanao raharaham-barotra? (Jer. 32:10-15) [30 Apr., w07 15/3 p. 11 feh. 3]