Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 23 Aprily
HERINANDRON’NY 23 APRILY
Hira 45 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 19 § 12-20, efajoro p. 152 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Jeremia 29-31 (10 min.)
No. 1: Jeremia 31:15-26 (4 min. na latsaka)
No. 2: Asain’Andriamanitra Mitandrina ny Sabata ve ny Kristianina? (5 min.)
No. 3: Tena Virjiny ve i Maria Tamin’izy Niteraka An’i Jesosy?—rs p. 334 § 7–p. 335 § 1 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fampandrenesana. Resaho mandritra ny iray na roa minitra izay lahatsoratra ao amin’ireo gazety Aprily, ka mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo. Ampiasao avy eo ireo lahatsoratra voalohany amin’ilay Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary asao ny mpanatrika hilaza izay fanontaniana mahaliana azo apetraka sy izay andininy azo vakina. Raha ampy ny fotoana, dia mbola asaivo miresaka lahatsoratra hafa izy ireo. Ataovy fampisehoana hoe ahoana no azo anolorana ny gazety tsirairay.
25 min: “Hampiharihary ny Fahamarinana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra.” Fanontaniana sy valiny. Diniho koa ny “Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriambe 2012.” Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 9, dia asao ny mpiandraikitra ny fanompoana hanazava ny fandaharana nataon’ny fiangonana mba hizarana fanasana.
Hira 119 sy Vavaka